< 1 Tantara 19 >
1 Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
Ikajakuwa baadae kwamba Nahashi, mfalme wa watu wa Amoni, akafa, na mwanae akawa mfalme baada yake.
2 Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, fa soa no nataon’ ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ i Hanona tany amin’ ny tanin’ ny Amonita ny mpanompon’ i Davida hitsapa alahelo azy.
Daudi akasema, “Nitaonyesha ukarimu kwa mwana wa Hanuni wa Nahashi, kwasababu baba yake alionyesha ukarimu kwangu.” Hivyo Daudi akatuma wajumbe kumfariji kuhusu baba yake. Watumishi wa Daudi wakaingia nchi ya Waamoni na kumfuata Hanuni, ilikumfariji.
3 Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak’ i Amona tamin’ i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan’ i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan’ ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
Lakini viongozi wakamwambia Hanuni, “Unadhani Daudi anamheshimu baba yako sababu ametuma watu kukufaraji? Je watumishi wake hawajaja kutadhimini nchi iliwaipindue?
4 Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
Hanuni akawakamata watumishi wa Daudi, akawanyoa, akakata mavazi ya nusu kwenye kiuno kushuka, na kuwarudisha.
5 Ary dia nisy lasa nanambara tamin’ i Davida izay natao tamin’ ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.
Walipo eleza haya kwa Daudi, alienda kukutana nao, kwa kuwa walifedheeka sana. Mfalme akasema, “Bakini Yeriko hadi ndevu zenu ziote tena, kisha mrudi.”
6 Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’ i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak’ i Amona.
Waamoni walipoona wamekuwa kikwazo kwa Daudi, Hanuni na Waamoni walituma talanta elfu moja za fedha kukodisha magari ya farasi kwa Waaremei na wanaume wa farasi kutoka Naharaimu, Maka, na Zoba.
7 Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin’ ny mpanjakan’ i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin’ i Medeba. Ary nivory ny taranak’ Amona niala tany amin’ ny tanànany avy ka tamy hiady.
Waliwakodishia magari ya farasi elfu thelathini na mbili pamoja na mfalme wa Maka na watu wake, walio kuja na kueka kambi mbele ya Medeba. Waamoni walijikusanya pamoja kutoka miji yao, na wakaja kwa vita.
8 Ary nony ren’ i Davida izany, dia naniraka an’ i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
Daudi alipo sikia, alimtuma Yoabu na wanajeshi wake wote.
9 Ary ny taranak’ i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
Watu wa Amoni walikuja na kupanga mstari kwa ajili ya pambano katika lango la mji, wafalme waliokuja walikuwa peke yao katika shamba.
10 Ary rehefa hitan’ i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin’ ireo voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin’ ny Syriana.
Yoabu alipoona mistari ya pambano imemzunguka mbele na nyuma, alichagua wapambanaji shupavu wa Israeli na kuwa panga dhidi ya Waaremi.
11 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’ i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin’ ny taranak’ i Amona ireo.
Wanajeshi wengine wote, aliwaeka chini ya Abishai kaka yake, akawapanga kwa mstari dhidi ya Amoni.
12 Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao;
Yoabu akasema, “Kama Waaremi wananguvu kunizidi, kisha wewe, Abishai, lazima uniokoe. Lakini kama jeshi la Waamoni lina nguvu kukuzidi, nitakuja kukuokoa.
13 mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ireo tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
Kuwa thabiti, natujionyeshe kwa watu wetu kuwa ni wenye nguvu na kwa miji ya Mungu wetu, kwa kuwa Yahweh ata fanya lililo jema kwa kusudi lake.”
14 Ary nandroso hiady tamin’ ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
Hivyo Yoabu na wanajeshi wasogea kwenye pambano dhidi ya Waaremi, walio lazimika kukimbia mbele ya jeshi la Waisraeli.
15 Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan’ i Abisay, rahalahin’ i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
Jeshi la Waamoni walipoona kuwa Waaremi wamekimbia, wao pia wakamkimbia kaka yake Yoabu Abishai na kurudi mjini. Kisha Yoabu akarudi kutoka kwa watu wa Amoni na kurudi Yerusalemu.
16 Ary nony hitan’ ny Syriana fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin’ ny Ony; ary Sobaka, komandin’ ny miaramilan’ i Hadarezera, no nitarika azy.
Waaremi walipoona kuwa wanashindwa na Waisraeli, wakatuma msaada nyuma ya Mto Frati, na Shofaki mkuu wajeshi la Hadadezeri.
17 Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’ i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin’ ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.
Daudi alipo ambiwa haya, akakusanya Israeli yote, akuvuka Yordani, na kuja juu yao. Alipanga jeshi kwa ajili ya pambano dhidi ya Waaremi, na wakapigana nao.
18 Fa vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin’ ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin’ ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin’ ny miaramila.
Waaremi waliwakimbia Waisraeli, na Daudi akaua waendesha magari ya farasi ya Waaremi elfu saba na wanajeshi wa miguu elfu arobaini. Pia alimuua Shopaki, mkuu wa jeshi.
19 Ary nony hitan’ ireo nanoa an’ i Hadarezera fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’ i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’ i Amona intsony ny Syriana.
Wafalme wote walio kuwa watumishi wa Hadadezeri walipoona kuwa wameshindwa na Israeli, walifanya amani na Daudi na kumtumikia. Hivyo watu wa Aramu hawakuwa tayari kuwasaidia Waamoni.