< 1 Tantara 17 >

1 Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin’ i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ ny neken’ i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
Bayan Dawuda ya zauna a fadansa, sai ya ce wa annabi Natan, “Ga ni, ina zama a fadar da aka yi da al’ul, yayinda akwatin alkawarin Ubangiji yana a ƙarƙashin tenti.”
2 Ary hoy Natana tamin’ i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
Natan ya amsa wa Dawuda ya ce, “Duk abin da kake tunani a zuciya, ka yi, gama Allah yana tare da kai.”
3 Nefa tamin’ ny alin’ iny ihany dia tonga tamin’ i Natana ny tenin’ Andriamanitra nanao hoe:
A daren nan maganar Allah ta zo wa Natan cewa,
4 Andeha, lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;
“Ka tafi ka faɗa wa bawana Dawuda, ‘Ga abin da Ubangiji ya ce ba kai ba ne za ka gida mini gidan da zan zauna a ciki.
5 fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.
Ban taɓa zama a gida daga ranar da na fito da Isra’ila daga Masar ba har wa yau. Na yi ta yawo daga gefen da aka kafa tenti zuwa wani, daga wannan wuri zuwa wancan.
6 Ary tamin’ izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
Duk inda na tafi tare da Isra’ilawa, na taɓa ce wa wani daga cikin shugabanninsu waɗanda na umarta su yi kiwon mutanena, “Don me ba ku gida mini gidan al’ul ba?”’
7 Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
“Yanzu, ka faɗa wa bawana Dawuda, ‘Ga abin da Ubangiji Maɗaukaki ya ce, na ɗauke ka daga makiyaya da kuma daga bin garke, don ka zama mai mulki a bisa mutanena Isra’ila.
8 Ary nomba anao tamin’ izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
Na kasance tare da kai ko’ina ka tafi, na kuma yanke dukan abokan gābanka a gabanka. Yanzu zan sa sunanka kamar sunayen mutane mafi girma na duniya.
9 Ary hifidy tany ho an’ ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin’ ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
Zan kuma tanada wuri domin mutanena Isra’ila, zan kuma kafa su saboda za su kasance da gidan kansu ba kuwa za a ƙara damunsu ba. Mugayen mutane ba za su ƙara zaluntar su ba, yadda suka yi da farko
10 sy tahaka ny hatramin’ ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.
da kuma suka yi tun lokacin da na sa shugabanni a bisa mutanen Isra’ila. Zan rinjaye dukan abokan gābanka. “‘Na furta maka cewa Ubangiji zai gina maka gida,
11 Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan’ ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
sa’ad da kwanakinka suka ƙare ka kuma tafi don ka kasance da kakanninka, zan tā da ɗaya cikin’ya’yanka maza, daga zuriyarka yă gāje ka, zan kuma kafa mulkinka.
12 dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
Shi ne zai gina gida domina, zan kuma kafa sarautarsa har abada.
13 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin’ ilay nodiasanao;
Zan zama Ubansa, zai kuma zama ɗana. Ba zan taɓa ɗauke ƙaunata daga gare shi, kamar yadda na ɗauke ta daga wanda ya riga ka ba.
14 fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
Zan sa shi a bisa gidana da mulkina har abada; kujerar sarautarsa za tă kahu har abada.’”
15 Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain’ i Natana tamin’ i Davida.
Natan ya faɗa wa Dawuda dukan kalmomin wahayin nan.
16 Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
Sai Sarki Dawuda ya shiga ya zauna a gaban Ubangiji ya ce, “Wane ne ni, ya Ubangiji Allah, kuma wane ne iyalina, da ka kawo ni har zuwa nan?
17 Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon’ ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
Kuma sai ka ce wannan bai isa ba a idonka, ya Allah, ka yi magana game da nan gaba na gidan bawanka. Ka dube ni sai ka ce ni ne mafi ɗaukaka cikin mutane, ya Ubangiji Allah.
18 Inona intsony no holazain’ i Davida aminao ny amin’ ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.
“Me kuma Dawuda zai ce maka saboda girmamawar da ka yi wa bawanka? Gama ka san bawanka,
19 Jehovah ô, noho ny amin’ ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
Ya Ubangiji. Gama saboda bawanka da kuma bisa ga nufinka, ka yi wannan babban abu, ka kuma sanar da dukan manyan alkawura.
20 Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren’ ny sofinay.
“Babu wani kamar ka, ya Ubangiji, babu kuma Allah sai kai, kamar yadda muka ji da kunnuwanmu.
21 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
Wane ne kuma yake kamar mutanenka Isra’ila, al’umma guda a duniya wadda Allahnta ya fita don yă fanshi mutane wa kansa, ya kuma yi suna wa kansa, ya kuma aikata manyan abubuwa masu banmamaki masu banrazana ta wurin korin al’ummai daga gaban mutanenka, waɗanda ka fansa daga Masar?
22 Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
Ka mai da mutanenka Isra’ila na kanka har abada, kuma kai, ya Ubangiji, ka zama Allahnsu.
23 Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin’ ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
“Yanzu kuwa, Ubangiji, bari alkawarin da ka yi game da bawanka da gidansa yă kahu har abada. Yi kamar yadda ka yi alkawari,
24 Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’ i Davida mpanomponao.
saboda zai kahu kuma sunanka zai zama mai girma har abada. Sa’an nan mutane za su ce, ‘Ubangiji Maɗaukaki, Allah a bisa Isra’ila, Allahn Isra’ila ne!’ Kuma gidan bawanka Dawuda zai kahu a gabanka.
25 Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin’ ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.
“Kai, Allahna, ka bayyana ga bawanka cewa za ka gina gida dominsa. Ta haka bawanka ya sami ƙarfin gwiwa ya yi addu’a gare ka.
26 Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ ny mpanomponao,
Ya Ubangiji, kai ne Allah! Ka yi alkawari abubuwa masu kyau wa bawanka.
27 dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.
Yanzu ka ji daɗi don ka albarkace gidan bawanka, don yă ci gaba har abada a gabanka; gama kai, ya Ubangiji, ka albarkace shi, ya kuma sami albarka ke nan har abada.”

< 1 Tantara 17 >