< 1 Tantara 16 >
1 Ary nampiditra ny Fiaran’ Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ ny lay izay naorin’ i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
Suka fa kawo akwatin alkawarin Allah, suka sa a cikin tentin da Dawuda ya kafa dominsa, suka kuma miƙa hadayun ƙonawa da hadayu na salama a gaban Allah.
2 Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin’ ny anaran’ i Jehovah izy.
Bayan Dawuda ya gama miƙa hadayu na ƙonawa da hadayu na salama, sai ya albarkaci mutane a cikin sunan Ubangiji.
3 Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an’ ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.
Sa’an nan ya ba da dunƙulen burodi da wainar dabino da kuma kauɗar zabibi ga kowane mutumin Isra’ila namiji da ta mace.
4 Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
Ya sa Lawiyawa su yi hidima a gaban akwatin alkawarin Ubangiji, su ɗaukaka, su gode, su kuma yabi Ubangiji, Allah na Isra’ila.
5 Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
Asaf shi ne babba, sai Zakariya na biye, sa’an nan Ya’aziyel, Shemiramot, Yehiyel, Mattitiya, Eliyab, Benahiya, Obed-Edom da Yehiyel. Su ne za su kaɗa molaye, da garayu, Asaf kuwa zai buga ganguna,
6 Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra.
Benahiya da Yahaziyel firistoci za su busa ƙahoni kullum a gaban akwatin alkawarin Allah.
7 Tamin’ izay andro izay no voalohan’ ny nanendren’ i Davida an’ i Asafa sy ny rahalahiny hidera an’ i Jehovah.
A wannan rana, da farko, Dawuda ya sa Asaf da’yan’uwansa su rera wannan zabura ta yabo ga Ubangiji.
8 Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
Ku yi godiya ga Ubangiji, ku yi shelar sunansa; ku sanar a cikin al’ummai abin da ya yi.
9 Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Ku rera gare shi, ku rera yabo gare shi; ku faɗa dukan ayyukan banmamakinsa.
10 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
Ku ɗaukaka a cikin sunansa mai tsarki bari zukatan waɗanda suke neman Ubangiji su yi farin ciki.
11 Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
Ku dogara ga Ubangiji da kuma ƙarfinsa; ku nemi fuskarsa kullum.
12 Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
Ku tuna ayyukan banmamakin da ya aikata, mu’ujizansa da kuma hukuntai da ya yanke,
13 Hianareo taranak’ Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
Ya ku zuriyar Isra’ila bayinsa, Ya ku’ya’yan Yaƙub maza, zaɓaɓɓunsa.
14 Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
Shi ne Ubangiji Allahnmu; hukuntansa suna a cikin dukan duniya.
15 Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
Yakan tuna da alkawarinsa har abada, maganar da ya umarta, har tsararraki dubu,
16 Eny, dia ilay nataony tamin’ i Abrahama sy ny fianianany tamin’ Isaka,
alkawarin da ya yi wa Ibrahim rantsuwar da ya yi ga Ishaku.
17 Izay naoriny ho lalàna ho an’ i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
Ya tabbatar da shi ga Yaƙub kamar ƙa’ida, ga Isra’ila kamar madawwamin alkawari.
18 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina;
“Gare ka zan ba da ƙasar Kan’ana kamar rabon da za ka gāda.”
19 Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
Sa’ad da suke kima, kima sosai, da kuma baƙi a cikinta,
20 Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
suka yi ta yawo daga al’umma zuwa al’umma, daga wannan mulki zuwa wancan.
21 Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
Bai bar wani ya zalunce su ba; saboda su ya tsawata wa sarakuna.
22 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
“Kada ku taɓa shafaffuna; kada ku yi wa annabawana lahani.”
23 Mihira ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
Ku rera ga Ubangiji, ku duniya duka; ku yi shelar cetonsa kowace rana.
24 Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
Ku furta ɗaukakarsa a cikin al’ummai, ayyukansa masu al’ajabai a cikin mutane.
25 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ ny andriamanitra rehetra.
Gama Ubangiji mai girma ne ya kuma cancanci yabo; dole a ji tsoronsa fiye da dukan alloli.
26 Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
Gama dukan allolin al’ummai gumaka ne, amma Ubangiji ya yi sammai.
27 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ ny fitoerany.
Daraja da ɗaukaka suna a gabansa; ƙarfi da farin ciki suna a wurin zamansa.
28 Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.
Ku yabi Ubangiji, ku iyalan al’ummai, ku yabi ɗaukaka da ƙarfin Ubangiji,
29 Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna
ku ba wa Ubangiji ɗaukakar da ta dace da sunansa. Ku kawo hadaya ku kuma zo gabansa; ku yi wa Ubangiji sujada cikin darajar tsarkinsa.
30 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
Ku yi rawar jiki a gabansa, ya ku duniya duka! Duniya ta kahu sosai; ba za tă jijjigu ba.
31 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin’ ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
Bari sammai su yi farin ciki, bari duniya tă yi murna; bari su ce a cikin al’ummai, “Ubangiji yana mulki!”
32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
Bari teku da kome da yake cikinsa su yi ruri; bari gonaki da kome a cikinsu su yi farin ciki!
33 Dia hihoby eo anatrehan’ i Jehovah amin’ izay ny hazo an’ ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
Sa’an nan itatuwan jeji za su rera, za su rera don farin ciki a gaban Ubangiji, gama ya zo don yă hukunta duniya.
34 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Ku yi godiya ga Ubangiji, gama shi nagari ne; ƙaunarsa madawwamiya ce.
35 Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
Ku yi kuka, ku ce, “Cece mu, ya Allah Mai Cetonmu; tara mu ka kuma cece mu daga al’ummai, don mu yi godiya ga sunanka mai tsarki, don mu ɗaukaka a cikin yabonka.”
36 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an’ i Jehovah.
Yabi Ubangiji, Allah na Isra’ila, daga madawwami zuwa madawwami. Sai dukan mutane suka ce, “Amin.” Suka kuma “Yabi Ubangiji.”
37 Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’ i Davida teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan’ andro,
Dawuda ya bar Asaf da’yan’uwansa a gaban akwatin alkawarin Ubangiji don su yi hidima a can kullum, bisa ga tsari na kowace rana.
38 ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak’ i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
Ya kuma bar Obed-Edom da’yan’uwansa sittin da takwas don su yi hidima tare. Obed-Edom ɗan Yedutun da Hosa kuma, su ne matsaran ƙofofi.
39 Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah teo amin’ ny fitoerana avo any Gibeona,
Dawuda ya bar Zadok firist da’yan’uwansa firistoci a gaban tabanakul na Ubangiji a tudun da yake a Gibeyon
40 hanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
don su miƙa hadayun ƙonawa ga Ubangiji a kan bagaden hadaya ta ƙonawa kullum, da safe da kuma yamma, bisa ga kome da yake a rubutacce a cikin Dokar Ubangiji, da ya ba wa Isra’ila.
41 ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Tare da su akwai Heman da Yedutun da sauran waɗannan zaɓaɓɓun da aka rubuta sunansu don yin godiya ga Ubangiji, “gama ƙaunarsa madawwamiya ce har abada.”
42 Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.
Heman da Yedutun su ne da hakkin busa ƙahoni da kaɗa kuge da sauran kayan bushe-bushe da na kaɗe-kaɗe, waɗanda ake amfani da su lokacin da ake rera waƙoƙi masu tsarki.’Ya’yan Yedutun maza, su aka ba wa aikin tsaron ƙofa.
43 Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
Sa’an nan dukan mutanen suka tashi, kowa ya koma gidansa, Dawuda ya koma gida yă sa wa iyalinsa albarka.