< 1 Tantara 13 >

1 Ary Davida naka saina tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,
Daudi alishauriana na kila afisa wake, majemadari wa maelfu na majemadari wa mamia.
2 Ka hoy Davida tamin’ ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin’ i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin’ ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra ary amin’ ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin’ ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
Ndipo Daudi akaliambia kusanyiko lote la Israeli, “Kama mkiona ni vyema, na kama ni mapenzi ya Bwana Mungu wetu, tupeleke ujumbe kwa ndugu zetu wengine walio mbali na walio karibu katika nchi yote ya Israeli, pia kwa makuhani na Walawi walio pamoja nao katika miji yao na katika sehemu zao za malisho yao, waje waungane na sisi.
3 Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran’ Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin’ ny andron’ i Saoly izany.
Sisi na tulirudishe Sanduku la Mungu wetu kwetu kwa maana hatukujali wakati wa utawala wa Sauli.”
4 Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason’ ny olona rehetra izany.
Kusanyiko lote likakubaliana kufanya hivyo, kwa sababu ilionekana vyema kwa watu wote.
5 Dia novorin’ i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin’ i Hamata haka ny fiaran’ Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.
Basi Daudi akawakusanya Waisraeli wote, kuanzia Mto Shihori ulioko Misri hadi Lebo-Hamathi, ili kulileta Sanduku la Mungu kutoka Kiriath-Yearimu.
6 Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
Daudi akiwa pamoja na Waisraeli wote wakaenda Baala ya Yuda (yaani Kiriath-Yearimu) kulipandisha Sanduku la Mungu Bwana, yeye anayeketi katika kiti cha enzi kati ya makerubi: Sanduku linaloitwa kwa Jina lake, kutoka huko.
7 Ary nentiny tamin’ ny sariety vaovao niala tao an-tranon’ i Abinadaba ny fiaran’ Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.
Wakalisafirisha Sanduku la Mungu kwa gari jipya la kukokotwa na maksai kutoka nyumba ya Abinadabu, Uza na Ahio wakiliongoza gari hilo.
8 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
Daudi pamoja na Waisraeli wote walikuwa wanasifu kwa nguvu zao zote mbele za Mungu, kwa nyimbo na kwa vinubi, zeze, matari, matoazi na tarumbeta.
9 Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran’ ny omby izany.
Walipofika kwenye uwanja wa kupuria nafaka wa Kidoni, Uza akaunyoosha mkono wake ili kulizuia Sanduku, kwa sababu maksai walijikwaa.
10 Dia nirehitra tamin’ i Oza ny fahatezeran’ i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin’ ny fiara, dia maty teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
Hasira ya Bwana ikawaka dhidi ya Uza, akampiga kwa sababu aliuweka mkono wake kwenye Sanduku. Kwa hiyo akafa pale mbele za Mungu.
11 Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran’ izany tany izany mandraka androany.
Ndipo Daudi akakasirika kwa sababu ghadhabu ya Bwana ilifurika dhidi ya Uza, mahali pale pakaitwa Peres-Uza hadi leo.
12 Ary Davida natahotra an’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran’ Andriamanitra ho atỳ amiko?
Siku ile Daudi akamwogopa Mungu naye akauliza. “Nitawezaje kulichukua Sanduku la Mungu kwangu?”
13 Dia tsy nafindran’ i Davida ho ao aminy ao an-tanànan’ i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
Hakulichukua hilo Sanduku akae nalo katika Mji wa Daudi. Badala yake, akalipeleka nyumbani kwa Obed-Edomu, Mgiti.
14 Ary nipetraka telo volana tao amin’ ny ankohonan’ i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran’ Andriamanitra; ka dia notahin’ i Jehovah ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.
Sanduku la Mungu likabaki pamoja na jamaa ya Obed-Edomu, nyumbani kwake kwa miezi mitatu, naye Bwana akaibariki nyumba yake pamoja na kila kitu alichokuwa nacho.

< 1 Tantara 13 >