< 1 Tantara 12 >

1 Ary izao no nankany amin’ i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an’ i Saoly, zanak’ i Kisy; ary isan’ ny lehilahy mahery mpanampy amin’ ny ady ireo
ダビデがキシの子サウルにしりぞけられて、なおチクラグにいた時、次の人々が彼のもとに来た。彼らはダビデを助けて戦った勇士たちのうちにあり、
2 sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ ny Benjamita, rahalahin’ i Saoly, ireo.
弓をよくする者、左右いずれの手をもってもよく矢を射、石を投げる者で、ともにベニヤミンびとで、サウルの同族である。
3 Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak’ i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak’ i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita
そのかしらはアヒエゼル、次はヨアシで、ともにギベア出身のシマアの子たちである。またエジエルとペレテで、ともにアズマウテの子たちである。またベラカおよびアナトテ出身のエヒウ。
4 ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan’ ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
またギベオン出身のイシマヤ、彼は三十人のうちの勇士で、その三十人の長である。またエレミヤ、ヤハジエル、ヨハナン、ゲデラ出身のヨザバデ、
5 sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
エルザイ、エリモテ、ベアリヤ、シマリヤ、ハリフびとシパテヤ、
6 sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraïta
エルカナ、イシア、アザリエル、ヨエゼル、ヤショベアムで、これらはコラびとである。
7 ary Joela sy Zebadia, zanak’ i Jerohama avy any Gedora.
またゲドルのエロハムの子たちであるヨエラおよびゼバデヤである。
8 Ary tamin’ ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an’ i Davida ho amin’ ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
ガドびとのうちから荒野の要害に来て、ダビデについた者は皆勇士で、よく戦う軍人、よく盾とやりをつかう者、その顔はししの顔のようで、その速いことは山にいるしかのようであった。
9 Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
彼らのかしらはエゼル、次はオバデヤ、第三はエリアブ、
10 Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
第四はミシマンナ、第五はエレミヤ、
11 Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
第六はアッタイ、第七はエリエル、
12 Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
第八はヨナハン、第九はエルザバデ、
13 Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin’ ny folo.
第十はエレミヤ、第十一はマクバナイである。
14 Ireo no isan’ ny taranak’ i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.
これらはガドの子孫で軍勢の長たる者、その最も小さい者でも百人に当り、その最も大いなる者は千人に当った。
15 Ireo no nita an’ i Jordana tamin’ ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
正月、ヨルダンがその全岸にあふれたとき、彼らはこれを渡って、谷々にいる者をことごとく東に西に逃げ走らせた。
16 Ary nisy tamin’ ny taranak’ i Benjamina sy Joda nankany amin’ i Davida tany amin’ ny fiarovana.
ベニヤミンとユダの子孫のうちの人々が要害に来て、ダビデについた。
17 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon’ ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
ダビデは出て彼らを迎えて言った、「あなたがたが好意をもって、わたしを助けるために来たのならば、わたしの心もあなたがたと、ひとつになりましょう。しかし、わたしの手になんの悪事もないのに、もしあなたがたが、わたしを欺いて、敵に渡すためであるならば、われわれの先祖の神がどうぞみそなわして、あなたがたを責められますように」。
18 Ary Amasay, lehiben’ ny mpanafika malaza, dia nampitenenin’ ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’ i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’ i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
時に霊が三十人の長アマサイに臨み、アマサイは言った、「ダビデよ、われわれはあなたのもの。エッサイの子よ、われわれはあなたと共にある。平安あれ、あなたに平安あれ。あなたを助ける者に平安あれ。あなたの神があなたを助けられる」。そこでダビデは彼らを受けいれて部隊の長とした。
19 Ary nisy sasany tamin’ ny Manase niala hanatona an’ i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin’ i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan’ ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin’ i Saoly tompony.
さきにダビデがペリシテびとと共にサウルと戦おうと攻めて来たとき、マナセびと数人がダビデについた。(ただしダビデはついにペリシテびとを助けなかった。それはペリシテびとの君たちが相はかって、「彼はわれわれの首をとって、その主君サウルのもとに帰るであろう」と言って、彼を去らせたからである。)
20 Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin’ ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ ny Manase.
ダビデがチクラグへ行ったとき、マナセびとアデナ、ヨザバデ、エデアエル、ミカエル、ヨザバデ、エリウ、ヂルタイが彼についた。皆マナセびとの千人の長であった。
21 Ary ireo dia nanampy an’ i Davida hamely ny antokon’ ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin’ ny miaramila.
彼らはダビデを助けて敵軍に当った。彼らは皆大勇士で軍勢の長であった。
22 Fa tamin’ izany nisy nankany amin’ i Davida isan’ andro isan’ andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’ Andriamanitra.
ダビデを助ける者が日に日に加わって、ついに大軍となり、神の軍勢のようになった。
23 Ary izao no isan’ ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’ i Saoly ho azy araka ny tenin’ i Jehovah:
主の言葉に従い、サウルの国をダビデに与えようとして、ヘブロンにいるダビデのもとに来た武装した軍隊の数は、次のとおりである。
24 Tamin’ ny taranak’ i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.
ユダの子孫で盾とやりをとり、武装した者六千八百人、
25 Tamin’ ny taranak’ i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny ady.
シメオンの子孫で、よく戦う勇士七千百人、
26 Tamin’ ny taranak’ i Levy, enin-jato amby efatra arivo.
レビの子孫からは四千六百人。
27 Ary Joiada dia lehiben’ ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;
エホヤダはアロンの家のつかさで、彼に属する者は三千七百人。
28 ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.
ザドクは年若い勇士で、彼の氏族から出た将軍は二十二人。
29 Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina, havan’ i Saoly, telo arivo; fa hatramin’ izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin’ i Saoly ihany.
サウルの同族、ベニヤミンの子孫からは三千人、ベニヤミンびとの多くはなおサウルの家に忠義をつくしていた。
30 Ary tamin’ ny taranak’ i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ ny fianakaviany avy.
エフライムの子孫からは二万八百人、皆勇士で、その氏族の名ある人々であった。
31 Ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an’ i Davida.
マナセの半部族からは一万八千人、皆ダビデを王に立てようとして上って来て、名をつらねた者である。
32 Ary tamin’ ny taranak’ Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon’ ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.
イッサカルの子孫からはよく時勢に通じ、イスラエルのなすべきことをわきまえた人々が来た。その長たる者が二百人あって、その兄弟たちは皆その指揮に従った。
33 Tamin’ ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin’ ny firaisan-kina.
ゼブルンからは五万人、皆訓練を経た軍隊で、もろもろの武具で身をよろい、一心にダビデを助けた者である。
34 Ary tamin’ ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin’ ampinga lehibe sy lefona.
ナフタリからは将たる者一千人および盾とやりをとってこれに従う者三万七千人。
35 Ary tamin’ ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.
ダンびとからは武装した者二万八千六百人。
36 Ary tamin’ ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.
アセルからは戦いの備えをした熟練の者四万人。
37 Ary avy tany an-dafin’ i Jordana, tamin’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.
またヨルダンのかなたルベンびと、ガドびと、マナセの半部族からはもろもろの武具で身をよろった者十二万人であった。
38 Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’ i Davida amin’ ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an’ i Davida.
すべてこれらの戦いの備えをしたいくさびとらは真心をもってヘブロンに来て、ダビデを全イスラエルの王にしようとした。このほかのイスラエルびともまた、心をひとつにしてダビデを王にしようとした。
39 Ary tao amin’ i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.
彼らはヘブロンにダビデとともに三日いて、食い飲みした。その兄弟たちは彼らのために備えをしたからである。
40 Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’ aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman’ osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ ny Isiraely.
また彼らに近い人々はイッサカル、ゼブルン、ナフタリなどの遠い所の者まで、ろば、らくだ、騾馬、牛などに食物を負わせて来た。すなわち麦粉の食物、干いちじく、干ぶどう、ぶどう酒、油、牛、羊などを多く携えて来た。これはイスラエルに喜びがあったからである。

< 1 Tantara 12 >