< 1 Tantara 12 >

1 Ary izao no nankany amin’ i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an’ i Saoly, zanak’ i Kisy; ary isan’ ny lehilahy mahery mpanampy amin’ ny ady ireo
Nawa anthu amene anabwera kwa Davide ali ku Zikilagi pamene iye anathamangitsidwa ndi Sauli mwana wa Kisi (iwowo anali mʼgulu la asilikali amene ankamuthandiza pa nkhondo.
2 sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ ny Benjamita, rahalahin’ i Saoly, ireo.
Iwo anali ndi mauta ndipo amadziwa kuponya mivi komanso miyala, ndipo amatha kuponyera dzanja lamanja kapena lamanzere. Iwo anali abale ake a Sauli ochokera ku fuko la Benjamini.
3 Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak’ i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak’ i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita
Mtsogoleri wawo anali Ahiyezeri ndi Yowasi ana a Semaya wa ku Gibeya; Yezieli ndi Peleti ana a Azimaveti; Beraka, Yehu wa ku Anatoti,
4 ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan’ ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
ndi Isimaiya wa ku Gibiyoni, munthu wamphamvu mʼgulu la anthu makumi atatu aja, yemwenso anali mtsogoleri wawo; Yeremiya, Yahazieli, Yohanani, Yozabadi wa ku Gederi,
5 sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
Eluzai, Yerimoti, Bealiya, Semariya ndi Sefatiya Mharufi;
6 sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraïta
Elikana, Isiya, Azareli, Yowezeri ndi Yasobeamu a ku banja la Kora;
7 ary Joela sy Zebadia, zanak’ i Jerohama avy any Gedora.
ndi Yowela ndi Zebadiya ana a Yerohamu wa ku Gedori.
8 Ary tamin’ ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an’ i Davida ho amin’ ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
Asilikali ena a fuko la Gadi anathawira kwa Davide ku linga lake ku chipululu. Iwo anali asilikali olimba mtima, okonzekera nkhondo ndipo amadziwa kugwiritsa ntchito chishango ndi mkondo. Iwowo anali woopsa ngati mikango ndipo anali aliwiro ngati ngoma zamʼmapiri.
9 Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
Mtsogoleri wawo anali Ezeri, wotsatana naye anali Obadiya, wachitatu anali Eliabu,
10 Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
wachinayi anali Misimana, Yeremiya anali wachisanu,
11 Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
wachisanu ndi chimodzi anali Atai, Elieli anali wachisanu ndi chiwiri,
12 Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
wachisanu ndi chitatu anali Yohanani, Elizabadi anali wachisanu ndi chinayi,
13 Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin’ ny folo.
wakhumi anali Yeremiya ndipo Makibanai anali wa 11.
14 Ireo no isan’ ny taranak’ i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.
Anthu a fuko la Gadi amenewa anali atsogoleri; angʼonoangʼono amalamulira anthu 100 pamene akuluakulu amalamulira anthu 1,000.
15 Ireo no nita an’ i Jordana tamin’ ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
Awa ndi amene anawoloka Yorodani mwezi woyamba pamene mtsinje unali utasefukira mbali zonse, ndipo anathamangitsa aliyense amene amakhala mʼchigwa, mbali ya kumadzulo ndi kummawa.
16 Ary nisy tamin’ ny taranak’ i Benjamina sy Joda nankany amin’ i Davida tany amin’ ny fiarovana.
Anthu ena a fuko la Benjamini ndi ena ochokera ku Yuda anabweranso kwa Davide pamene anali ku linga lake.
17 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon’ ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
Davide anapita kukakumana nawo ndipo anati, “Ngati mwabwera kwa ine mwamtendere, kuti mundithandize, ndakonzeka kugwirizana nanu. Koma ngati mwabwera kudzandipereka kwa adani anga, ngakhale kuti sindinalakwe, Mulungu wa makolo anthu aone izi ndipo akuweruzeni.”
18 Ary Amasay, lehiben’ ny mpanafika malaza, dia nampitenenin’ ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’ i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’ i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
Kenaka Mzimu anabwera pa Amasai, mtsogoleri wa anthu makumi atatu aja ndipo anati: “Inu Davide, ife ndife anu! Tili nanu limodzi, inu mwana wa Yese! Kupambana, Kupambana kwa inu, ndiponso kupambana kukhale kwa iwo amene akukuthandizani pakuti Mulungu wanu adzakuthandizani.” Kotero Davide anawalandira ndipo anawayika kukhala atsogoleri a magulu ake a ankhondo.
19 Ary nisy sasany tamin’ ny Manase niala hanatona an’ i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin’ i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan’ ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin’ i Saoly tompony.
Anthu ena a fuko la Manase anathawira kwa Davide pamene anapita ndi Afilisti kukamenyana ndi Sauli. (Iye ndi anthu ake sanathandize Afilisti chifukwa, atsogoleri awo atakambirana, anamubweza Davide. Iwo anati, “Ife tidzawonongedwa ngati uyu adzabwerera kwa mbuye wake Sauli).”
20 Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin’ ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ ny Manase.
Davide atapita ku Zikilagi, anthu a fuko la Manase amene anathawira kwa iye anali awa: Adina, Yozabadi, Yediaeli, Mikayeli, Yozabadi, Elihu ndi Ziletai; atsogoleri a magulu a anthu 1,000 a ku Manase.
21 Ary ireo dia nanampy an’ i Davida hamely ny antokon’ ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin’ ny miaramila.
Iwowa anathandiza Davide kulimbana ndi magulu achifwamba, pakuti onsewa anali asilikali olimba mtima ndipo anali atsogoleri mʼgulu lake la ankhondo.
22 Fa tamin’ izany nisy nankany amin’ i Davida isan’ andro isan’ andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’ Andriamanitra.
Tsiku ndi tsiku anthu amabwera kudzathandiza Davide, mpaka anakhala ndi gulu lalikulu la ankhondo, ngati gulu la ankhondo a Mulungu.
23 Ary izao no isan’ ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’ i Saoly ho azy araka ny tenin’ i Jehovah:
Nachi chiwerengero cha magulu a anthu ankhondo amene anabwera kwa Davide ku Hebroni kudzapereka ufumu wa Sauli kwa iye, monga momwe ananenera Yehova:
24 Tamin’ ny taranak’ i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.
Anthu a fuko la Yuda onyamula chishango ndi mkondo analipo 6,800;
25 Tamin’ ny taranak’ i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny ady.
Anthu a fuko la Simeoni, asilikali okonzekera nkhondo analipo 7,100;
26 Tamin’ ny taranak’ i Levy, enin-jato amby efatra arivo.
Anthu a fuko la Levi analipo 4,600,
27 Ary Joiada dia lehiben’ ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;
mtsogoleri Yehoyada wa banja la Aaroni anabweranso ndi anthu 3,700,
28 ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.
ndi Zadoki, mnyamata wankhondo wolimba mtima, anabwera ndi akuluakulu 22 ochokera mʼbanja lake;
29 Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina, havan’ i Saoly, telo arivo; fa hatramin’ izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin’ i Saoly ihany.
Anthu a fuko la Benjamini, abale ake a Sauli analipo 3,000 ndipo ambiri anali ndi Sauli ku nyumba yake pa nthawiyi;
30 Ary tamin’ ny taranak’ i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ ny fianakaviany avy.
Anthu a fuko la Efereimu, asilikali olimba mtima, otchuka pa mabanja awo analipo 20,800;
31 Ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an’ i Davida.
Anthu a fuko latheka la Manase amene anawayitana kuti adzakhazikitse nawo ufumu wa Davide analipo 18,000;
32 Ary tamin’ ny taranak’ Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon’ ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.
Anthu a fuko la Isakara amene ankazindikira nthawi ndipo amadziwa zimene Israeli ankayenera kuchita, analipo atsogoleri 200 pamodzi ndi abale awo onse amene amawatsogolera.
33 Tamin’ ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin’ ny firaisan-kina.
Anthu a fuko la Zebuloni, analipo 5,000. Iwowa anali asilikali odziwa bwino nkhondo, okhala ndi zida za mtundu uliwonse, okonzekera kudzathandiza Davide ndi mtima umodzi.
34 Ary tamin’ ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin’ ampinga lehibe sy lefona.
Anthu a fuko la Nafutali, analipo atsogoleri 1,000 pamodzi ndi anthu 37,000 onyamula zishango ndi mikondo;
35 Ary tamin’ ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.
Anthu a fuko la Dani, okonzekera nkhondo analipo 28,600.
36 Ary tamin’ ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.
Anthu a fuko la Aseri, asilikali odziwa bwino nkhondo, okonzekeradi nkhondo analipo 40,000;
37 Ary avy tany an-dafin’ i Jordana, tamin’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.
Ndipo kuchokera kummawa kwa Yorodani, anthu a fuko la Rubeni, Gadi ndi theka la fuko la Manase, amene anali ndi zida za mtundu uliwonse analipo 120,000.
38 Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’ i Davida amin’ ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an’ i Davida.
Onsewa anali anthu odziwa kumenya nkhondo amene anadzipereka ku magulu awo. Iwo anabwera ku Hebroni ali otsimikiza kudzamuyika Davide kukhala mfumu ya Aisraeli. Aisraeli ena onse anali ndi mtima umodzinso womuyika Davide kukhala mfumu.
39 Ary tao amin’ i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.
Anthuwa anakhala ndi Davide masiku atatu akudya ndi kumwa pakuti mabanja awo anawapatsa zakudya.
40 Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’ aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman’ osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ ny Isiraely.
Komanso anthu oyandikana nawo ochokera ku Isakara, Zebuloni ndi Nafutali anabweretsa zakudya pa abulu, ngamira, nyulu ndi ngʼombe. Panali ufa wambiri, makeke ankhuyu, ntchintchi za mphesa, vinyo, mafuta, ngʼombe, nkhosa ndi mbuzi, popeza munali chimwemwe mu Israeli.

< 1 Tantara 12 >