< 1 Tantara 10 >

1 Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Basi Wafilisti wakapigana na Israeli. Waisraeli wakawakimbia, na wengi wakauawa katika mlima Gilboa.
2 Ary ny Filistina nanenjika fatratra an’ i Saoly sy ny zanany, ka matin’ ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin’ i Saoly.
Wafilisti wakawafuatia kwa bidii Sauli na wanawe, wakawaua Yonathani, Abinadabu na Malki-Shua.
3 Ary mafy ny ady tamin’ i Saoly, dia nifanehatra tamin’ ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.
Mapigano yakawa makali kumzunguka Sauli na wakati wapiga mishale walipompata, wakamjeruhi.
4 Ka hoy Saoly tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain’ i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
Sauli akamwambia mbeba silaha wake, “Futa upanga wako unichome nao, la sivyo hawa watu wasiotahiriwa watakuja na kunidhalilisha.” Lakini mbeba silaha wake akaogopa sana wala hakuweza kufanya hivyo. Kwa hiyo Sauli akachukua upanga wake mwenyewe na kuuangukia.
5 Ary rehefa hitan’ ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin’ ny sabany koa izy ka maty.
Mbeba silaha wake alipoona kwamba Sauli amekufa, naye pia akauangukia upanga wake akafa.
6 Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
Kwa hiyo Sauli na wanawe watatu wakafa, pamoja na nyumba yake yote.
7 Ary nony hitan’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely teny amin’ ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin’ ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
Waisraeli wote waliokuwa bondeni walipoona kwamba jeshi limekimbia na kwamba Sauli na wanawe wamekufa, waliacha miji yao wakakimbia. Nao Wafilisti wakaja na kukaa humo.
8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ ny faty ny Filistina, dia nahita an’ i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
Kesho yake Wafilisti walipokuja kuwavua maiti silaha, walimkuta Sauli na wanawe wameanguka katika Mlima Gilboa.
9 Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin’ ny sampiny sy ny olona.
Wakamvua mavazi, wakachukua kichwa chake pamoja na silaha zake, wakawatuma wajumbe katika nchi yote ya Wafilisti kutangaza habari hizi miongoni mwa sanamu zao na watu wao.
10 Dia napetrany tao an-tranon’ ny andriamaniny ny fiadian’ i Saoly, ary nohomboany teo amin’ ny tempolin’ i Dagona ny lohany.
Waliweka silaha zake katika hekalu la miungu yao, wakatundika kichwa chake katika hekalu la Dagoni.
11 Ary nony ren’ ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon’ ny Filistina tamin’ i Saoly,
Wakazi wote wa Yabeshi-Gileadi waliposikia yote Wafilisti waliyomtendea Sauli,
12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin’ ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.
mashujaa wao wote wakaondoka, wakautwaa mwili wa Sauli na miili ya wanawe, wakaileta Yabeshi. Wakaizika mifupa yao chini ya mti mkubwa huko Yabeshi, nao wakafunga kwa siku saba.
13 Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin’ i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’ i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin’ izay nanao azy ho tsindrian-javatra
Sauli alikufa kwa sababu hakuwa mwaminifu kwa Bwana. Hakulishika neno la Bwana, hata akataka shauri kwa mwaguzi kwa ajili ya uongozi,
14 ary noho ny tsy nanontaniany tamin’ i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an’ i Davida, zanak’ i Jese, ny fanjakana.
hakumuuliza Bwana. Kwa hiyo Bwana alimuua, na ufalme akampa Daudi mwana wa Yese.

< 1 Tantara 10 >