< 1 Tantara 10 >

1 Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Filisterne angreb Israel; og Israels Mænd flygtede for Filisterne, og de faldne laa rundt om paa Gilboas Bjerg.
2 Ary ny Filistina nanenjika fatratra an’ i Saoly sy ny zanany, ka matin’ ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin’ i Saoly.
Og Filisterne forfulgte Saul og hans Sønner og dræbte Sauls Sønner, Jonatan, Abinadab og Malkisjua.
3 Ary mafy ny ady tamin’ i Saoly, dia nifanehatra tamin’ ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.
Kampen rasede om Saul, og han blev opdaget af Bueskytterne og grebes af stor Angst for dem.
4 Ka hoy Saoly tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain’ i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
Da sagde Saul til sin Vaabendrager: »Drag dit Sværd og gennembor mig, for at ikke disse uomskaarne skal komme og mishandle mig!« Men Vaabendrageren vilde ikke, thi han gøs tilbage derfor. Da tog Saul Sværdet og styrtede sig i det,
5 Ary rehefa hitan’ ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin’ ny sabany koa izy ka maty.
og da Vaabendrageren saa, at Saul var død, styrtede ogsaa han sig i sit Sværd og døde.
6 Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
Saaledes fulgtes Saul, hans tre Sønner og hele hans Slægt i Døden.
7 Ary nony hitan’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely teny amin’ ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin’ ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
Men da alle Israeliterne i Dalen saa, at Israels Mænd var flygtet, og at Saul og hans Sønner var faldet, forlod de deres Byer og flygtede, hvorpaa Filisterne kom og besatte dem.
8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ ny faty ny Filistina, dia nahita an’ i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
Da Filisterne Dagen efter kom for at plyndre de faldne, fandt de Saul og hans Sønner liggende paa Gilboas Bjerg.
9 Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin’ ny sampiny sy ny olona.
De plyndrede ham da og tog hans Hoved og Vaaben med sig og sendte Bud rundt Filisternes Land for at bringe deres Afguder og Folket Glædesbudet.
10 Dia napetrany tao an-tranon’ ny andriamaniny ny fiadian’ i Saoly, ary nohomboany teo amin’ ny tempolin’ i Dagona ny lohany.
Vaabnene lagde de i deres Guds Hus, men Hovedskallen hængte de op i Dagons Hus.
11 Ary nony ren’ ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon’ ny Filistina tamin’ i Saoly,
Men da alle de, som boede i Gilead, hørte alt, hvad Filisterne havde gjort ved Saul,
12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin’ ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.
brød alle vaabenføre Mænd op, og de tog Sauls og hans Sønners Lig ned, bragte dem med til Jabesj og jordede deres Ben under Terebinten i Jabesj og fastede syv Dage.
13 Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin’ i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’ i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin’ izay nanao azy ho tsindrian-javatra
Saaledes døde Saul for den Utroskabs Skyld, han havde vist HERREN, fordi han ikke havde givet Agt paa HERRENS Ord, ogsaa fordi han havde adspurgt en Aand for at faa et Raad
14 ary noho ny tsy nanontaniany tamin’ i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an’ i Davida, zanak’ i Jese, ny fanjakana.
og ikke søgt; Raad hos HERREN. Derfor lod han ham dø, og Kongemagten lod han gaa over til David, Isajs Søn.

< 1 Tantara 10 >