< Balam 18 >

1 Mu biro ebyo Isirayiri teyalina kabaka. Era mu biro ebyo ekika ky’Abadaani baali banoonya ekifo aw’okubeera kubanga mu bika bya Isirayiri baali tebafunanga kifo kya kubeeramu ng’omugabo gwabwe.
Ary tamin’ izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely; ary tamin’ izany andro izany kosa ny firenen’ i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin’ izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin’ ny firenen’ Isiraely izy.
2 Kyebaava batuma abaana ba Ddaani bataano, abasajja abalwanyi, okuva mu kika kyabwe kyonna, okuva mu Zola ne mu Esutaoli, bagende bakette ensi. Ne babagamba nti, “Mugende mukebere ensi.” Ne batuuka mu nsi ey’ensozi eya Efulayimu mu nnyumba ya Mikka ne basula eyo.
Ary ny taranak’ i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin’ ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima tao an-tranon’ i Mika izy, dia nandry tao.
3 Bwe baali eyo okumpi n’ennyumba ya Mikka ne beetegereza eddoboozi ly’omuvubuka Omuleevi, ne bakyama ne bamubuuza nti, “Ani eyakuleeta wano? Era okola ki wano? Era lwaki oli wano?”
Rehefa mby teo akaikin’ ny tranon’ i Mika izy, dia fantany ny feon’ ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?
4 N’abategeeza Mikka bye yamukolera, n’abagamba nti, “Yampangisa era ndi kabona we.”
Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon’ i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.
5 Ne bamugamba nti, “Tukwegayiridde, kaakano weebuuze ku Katonda, obanga olugendo lwe tugenda luliba n’omukisa.”
Dia hoy izy ireo taminy: Masìna ianao, manontania amin’ Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin’ ny lalana alehanay izahay, na tsia.
6 Awo kabona n’abaddamu nti, “Mugende mirembe, kubanga Mukama Katonda asiimye mugende ku lugendo lwammwe.”
Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan’ i Jehovah izao lalana alehanareo izao.
7 Awo abasajja abataano ne bava awo, ne batuuka e Layisi, ne balaba ng’abantu baayo bali mirembe ng’Abasidoni bwe baali. Baali bakkakkamu, nga balina buli kye beetaaga mu nsi, era nga beesudde akabanga n’Abasidoni, nga tewali muntu n’omu gwe bakolagana naye.
Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon’ ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory.
8 Awo abakessi bwe baddayo eri baganda baabwe e Zola n’e Esutaoli, baganda baabwe ne bababuuza nti, “Bigenze bitya?”
Dia nandeha ho any amin’ ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo?
9 Ne baddamu nti, “Mugolokoke, tubalumbe. Tulabye ensi, era laba, nga nnungi nnyo. Temuyinza butagenda. Temulwa, tugende tulye ensi.
Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.
10 Bwe mulituuka eyo muliraba abantu abakkakkamu ababeera mu nsi engazi, Katonda gy’atadde mu mukono gwammwe, era nsi erimu buli kintu omuntu kye yeetaaga.”
Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin’ ny olona tsy manana ahiahy sy any amin’ ny tany malalaka; fa efa natolotr’ Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina atỳ ambonin’ ny tany.
11 Awo ekika ky’Abadaani ne basitula okuva e Zola n’e Esutaoli, abasajja lukaaga nga balina ebyokulwanyisa.
Dia nisy niainga avy tamin’ ny fokon’ i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany.
12 Ne bagenda ne basiisira okumpi ne Kiriyasuyalimu mu Yuda. Ekifo ekyo ne bakituuma Makanedani era kye kiyitibwa n’okutuusa leero.
Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran’ izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan’ i Kiriata-jearima izany).
13 Ne bava awo ne balaga mu nsi ey’ensozi eya Efulayimu ne batuuka ku nnyumba ya Mikka.
Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia tonga tao an-tranon’ i Mika.
14 Abasajja abataano abaagenda okuketta ensi ya Layisi ne bagamba baganda baabwe nti, “Mumanyi nga mu nnyumba zino mulimu Efodi n’ebifaananyi ebyole n’ekifaananyi ekisaanuuse? Kale nno mukole kye mugwanira okukola.”
Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin’ ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina? koa hevero izay hataonareo.
15 Ne bakyama ne bagenda mu nnyumba y’omuvubuka Omuleevi eyali ewa Mikka ne bamulamusa.
Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon’ ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon’ i Mika, ka niarahaba azy.
16 Abasajja olukaaga nga balina ebyokulwanyisa byabwe ne bayimirira ku mulyango.
Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany, izay avy tamin’ ny taranak’ i Dana, dia nijanona teo anoloan’ ny vavahady.
17 Awo abasajja abataano abaagenda okuketta ne bayingira ne baggyamu ekifaananyi ekyole, ne Efodi, ne balubaale abaali mu nnyumba n’ekifaananyi ekisaanuuse, nga kabona n’abasajja olukaaga nga balina ebyokulwanyisa byabwe bayimiridde ku mulyango.
Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin’ ny enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany nijanona teo anoloan’ ny vavahady.
18 Abasajja bwe bayingira mu nnyumba ya Mikka okuggyamu ekifaananyi ekyole, ne Efodi, ne balubaale abaali mu nnyumba n’ekifaananyi ekisaanuuse, kabona n’ababuuza nti, “Mukola ki?”
Dia niditra tao an-tranon’ i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?
19 Ne bamuddamu nti, “Sirika tonyega. Jjangu naffe obeere kitaffe era kabona waffe. Kiki ekisinga, ggwe okuba kabona w’ennyumba y’omuntu omu, oba okuba kabona w’ekika kya Isirayiri?”
Dia hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin’ ny firenena iray sy ny foko iray amin’ ny Isiraely?
20 Kabona n’asanyuka, n’atwala Efodi ne balubaale abaali mu nnyumba n’ekifaananyi ekyole n’agenda nabo.
Dia faly ny fon’ ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin’ ny olona izy.
21 Ne babaako we bakyama ne balekayo abaana baabwe abato n’ebisolo byabwe n’ebintu byabwe. Ne bagenda mu maaso.
Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman’ ondry mbamin’ ny entany tsara dia nataony teo alohany.
22 Bwe batambulako akabanga okuva ku nnyumba ya Mikka, abasajja abaabeeranga mu nnyumba eziriraanye ennyumba ya Mikka ne bakuŋŋaana ne bawondera abaana ba Ddaani.
Ary rehefa lasa lavitra ny tranon’ i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin’ i Mika ka nahatratra ny taranak’ i Dana.
23 Bwe baali babakoowoola, abaana ba Ddaani ne bakyuka ne batunuulira Mikka ne bamubuuza nti, “Mutukoowoolera ki?”
Dia niantso ny taranak’ i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin’ i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao?
24 N’abaddamu nti, “Mututte balubaale bange be neekolera, ne kabona. Kiki kye nsigazza? Muyinza mutya okumbuuza kye mbadde?”
Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?
25 Abaana ba Ddaani ne bamuddamu nti, “Sitwagala kuwulira ddoboozi lyo, si kulwa ng’abasajja abakambwe abali mu ffe bakulumba n’ofiirwa obulamu bwo n’obw’abo ab’omu nnyumba yo.”
Dia hoy ny taranak’ i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.
26 Awo abaana ba Ddaani ne beetambulira. Awo Mikka bwe yalaba nga bamuyinze amaanyi, n’akyuka n’addayo ewuwe.
Dia nandeha tamin’ ny nalehany ny taranak’ i Dana; ary rehefa hitan’ i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.
27 Ne batwala ebintu Mikka bye yali akoze, ne kabona gwe yalina, ne batuuka e Layisi omwali abantu abakkakkamu abatamanyiridde, ne bakilumba ne batta abantu baamu n’ekitala, n’ekibuga ne bakikumako omuliro.
Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon’ i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin’ ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin’ ny afo.
28 Tewaaliwo eyajja okubataasa kubanga ne Sidoni kyali wala n’ekibuga ekyo, ate nga tebalina nkolagana na muntu yenna. Ekibuga kyali mu kiwonvu ekiriraanye Besulekobu. Abaddaani ne bazimba buto ekibuga ne babeera omwo.
Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an’ i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory izy, sady teo amin’ ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
29 Ekibuga ne bakikyusa erinnya okuva ku Layisi lye kyayitibwanga olubereberye ne bakituuma Ddaani, ng’erinnya lya Ddaani jjajjaabwe eyazaalibwa Isirayiri bwe lyali.
Ary ny anaran’ ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran’ i Dana rainy, izay naterak’ Isiraely; kanefa Laisy no anaran’ ny tanàna taloha.
30 Awo abaana ba Ddaani ne beeterawo ekifaananyi ekyole, ne balonda Yonasaani mutabani wa Gerusomu, muzzukulu wa Musa, ne batabani be okuba bakabona eri ekika ky’Abadaani okutuusa ensi lwe yawambibwa.
Dia natsangan’ ny taranak’ i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak’ i Gersoma, zanak’ i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an’ ny firenen’ i Dana hatramin’ ny andro namaboana ny tany.
31 Ne bassaawo ebifaananyi ebyole Mikka bye yali yeekoledde, ebbanga lyonna ennyumba ya Katonda we yabeerera mu Siiro.
Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon’ i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan’ ny tranon’ Andriamanitra tao Silo.

< Balam 18 >