< Ezeekyeri 31 >

1 Mu mwaka ogw’ekkumi n’ogumu, mu mwezi ogwokusatu ku lunaku olw’olubereberye, ekigambo kya Mukama Katonda ne kinzijira n’aŋŋamba nti,
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahatelo tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 “Omwana w’omuntu, tegeeza Falaawo, ye kabaka w’e Misiri n’olufulube lw’abantu be nti, “‘Ani ayinza okwegeraageranya naawe mu kitiibwa?
Ry zanak’ olona, ataovy amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy amin’ ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an’ iza moa ianao amin’ ny fahalehibiazanao?
3 Tunuulira Obwasuli, ogwali omuvule mu Lebanooni, nga gulina amatabi amalungi agaasiikirizanga ekibira; ogwali omuwanvu ennyo, nga guyitamu ne mu kasolya ak’ekibira.
Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin’ ny rahona matevina ny tendrony.
4 Amazzi gaaguliisanga, n’enzizi ezikka wansi ennyo ne ziguwanvuya, n’emigga gyagyo ne gigwetooloola wonna, ne giweerezanga n’amatabi gaagyo eri emiti gyonna egy’omu ttale.
Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin’ ny hazo rehetra any an-tsaha.
5 Kyegwava gukula ne guwanvuwa okusinga emiti gyonna egy’omu kibira, n’amatabi gaagwo amanene ne geeyongera obunene, n’amatabi gaagwo amatono ne gawanvuwa ne gasaasaana olw’obungi bw’amazzi.
Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan’ ny rano tamin’ ny fisandrahany.
6 Ebinyonyi byonna eby’omu bbanga ne bizimba ebisu byazo mu matabi gaagwo amanene, n’ensolo enkambwe ez’oku ttale ne zizaaliranga wansi w’amatabi gaagwo, n’amawanga gonna amakulu ne gabeeranga wansi w’ekisiikirize kyagwo.
Teo amin’ ny sampany no nanaovan’ ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin’ ny rantsany no niterahan’ ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin’ ny alokalony no nitoeran’ ny firenena malaza rehetra.
7 Gwali gwa kitalo mu bulungi bwagwo, n’amatabi gaagwo amanene, kubanga emirandira gyagwo gyasima awali amazzi amangi.
Ka dia tsara tarehy tamin’ ny fahalehibiazany sy ny halavan’ ny sampany izy; Fa tany amin’ ny rano maro ny fakany.
8 Emivule egyali mu nnimiro ya Katonda tegyayinza kuguvuganya, newaakubadde emiberoosi okwenkana n’amatabi gaagwo amanene; n’emyalamooni nga tegifaanana matabi gaagwo amatono, so nga tewali muti mu nnimiro ya Katonda ogugwenkana mu bulungi.
Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin’ ny sahan’ Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin’ ny sahan’ Andriamanitra.
9 Nagulungiya n’amatabi amangi, emiti gyonna egy’omu Adeni egyali mu nnimiro ya Katonda ne gigukwatirwa obuggya.
Nohatsaraiko tamin’ ny haben’ ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin’ ny sahan’ Andriamanitra.
10 “‘Mukama Katonda kyava ayogera bw’ati nti; Kubanga gwegulumiza, ne gwewanika waggulu okuyita mu kasolya ak’ekibira, ate ne guba n’amalala olw’obuwanvu bwagwo,
Koa izany no nanaovan’ i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin’ ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,
11 kyendiva nguwaayo mu mukono gw’omufuzi ow’amawanga agukole ng’obutali butuukirivu bwagwo bwe buli, era ngugobye.
Dia hatolotro eo an-tànan’ ilay mahery amin’ ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy.
12 Era bannaggwanga abasingirayo ddala obukambwe baagutema ne bagusuula. Amatabi gaagwo amanene gaagwa ku nsozi ne mu biwonvu byonna, n’amatabi gaagwo amatono ne gagwa nga gamenyese mu biwonvu byonna eby’ensi. N’amawanga gonna ag’oku nsi gaava wansi w’ekisiikirize kyagwo, ne gagulekawo.
Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin’ ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin’ ny lohasaha rehetra no nihahafan’ ny sampany, ary notapatapahina teny amoron’ ny ony rehetra amin’ ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin’ ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.
13 Ebinyonyi byonna eby’omu bbanga ne bituula ku matabi agaagwa, era n’ensolo enkambwe ez’oku ttale zonna ne zibeera mu matabi gaagwo.
Mipetraka eo amin’ ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin’ ny sampany ny bibi-dia rehetra,
14 Kyewaliva walema okubaawo emiti okumpi n’amazzi egirikula ne giwanvuwa ne gyegulumiza n’okutuuka okuyita mu kasolya k’ekibira. Era tewalibaawo miti mirala egyafukirirwa obulungi egiriwanvuwa okutuuka awo, kubanga gyonna giweereddwayo eri okufa, okugenda emagombe, mu bantu abaabulijjo, n’abo abakka mu bunnya.
Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron’ ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin’ ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin’ ny tany, ho ao amin’ ny zanak’ olombelona, dia any amin’ izay midìna any an-davaka.
15 “‘Bw’ati bw’ayogera Mukama Katonda nti, Ku lunaku lwe gwaleetebwa wansi emagombe, enzizi zaagukaabira, era naziyiza n’emigga gyagwo, n’amazzi gaagwo amangi okukulukuta. Ku lulwe nayambaza Lebanooni obuyinike, n’emiti gyonna egy’oku ttale ne gikala. (Sheol h7585)
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny andro nidinany ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha. (Sheol h7585)
16 Naleetera amawanga okukankana olw’eddoboozi ery’okugwa kwagwo bwe naguserengesa emagombe n’abo abaserengeta wansi mu bunnya. Olwo emiti gyonna egya Adeni, egy’amaanyi era egisingayo obulungi egya Lebanooni emiti gyonna egyali gifukiriddwa obulungi amazzi, ne gizzibwamu amaanyi wansi mu nsi. (Sheol h7585)
Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman’ izay midìna any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin’ ny tany, (Sheol h7585)
17 Abo bonna ababeera mu kisiikirize kyagwo, n’amawanga agassanga ekimu nabo, bakirira nabo emagombe ne beegatta ku abo abattibwa n’ekitala. (Sheol h7585)
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ho any amin’ izay voatrabaky ny sabatra, mbamin’ ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin’ ny alokalony teo amin’ ny firenena. (Sheol h7585)
18 “‘Muti ki mu gy’omu Adeni ogw’enkana naawe mu bukulu mu kitiibwa kyo? Era naye, olisuulibwa wamu n’emiti egy’omu Adeni n’oserengeta emagombe, n’ogalamira eyo wamu n’abatali bakomole, n’abo abattibwa n’ekitala. “‘Ono ye Falaawo n’ekibinja kye kyonna, bw’ayogera Mukama Katonda.’”
Tahaka an’ iza amin’ ny hazo any Edena moa ianao amin’ izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin’ ny tany miaraka amin’ ny hazo any Edena ianao; Eo amin’ ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin’ izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.

< Ezeekyeri 31 >