+ मत्ती 1 >

1 अब्राहम की सन्तान, दाऊद की सन्तान, अऊर यीशु मसीह की लिखित वंशावली।
Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.
2 अब्राहम सी इसहाक पैदा भयो, इसहाक सी याकूब, याकूब सी यहूदा अऊर ओको भाऊ पैदा भयो,
Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;
3 यहूदा अऊर तामार सी फिरिस अऊर जोरह पैदा भयो, फिरिस सी हिस्रोन, अऊर हिस्रोन सी एराम,
ary Joda niteraka an’ i Fareza sy Zara tamin’ i Tamara; ary Fareza niteraka an’ i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;
4 एराम सी अम्मीनादाब, अम्मीनादाब सी नहशोन, अऊर नहशोन सी सलमोन,
ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
5 सलमोन अऊर राहब सी बोअज, बोअज अऊर रूत सी ओबेद, अऊर ओबेद सी यिशै,
ary Salmona niteraka an’ i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an’ i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
6 अऊर यिशै सी दाऊद राजा। अऊर दाऊद सी सुलैमान वा बाई सी पैदा भयो जो पहिले उरिय्याह की पत्नी होती,
ary Jese niteraka an’ i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an’ i Solomona tamin’ ny vadin’ i Oria;
7 सुलैमान सी रहबाम पैदा भयो, रहबाम सी अबिय्याह, अऊर अबिय्याह सी आसा,
ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an’ i Abia; ary Abia niteraka an’ i Asa;
8 आसा सी यहोशाफात, यहोशाफात सी योराम, अऊर योराम सी उज्जियाह पैदा भयो,
ary Asa niteraka an’ i Josafata; ary Josafata niteraka an’ i Jorama; ary Jorama niteraka an’ i Ozia;
9 अऊर उज्जियाह सी योताम, योताम सी आहाज, अऊर आहाज सी हिजकिय्याह,
ary Ozia niteraka an’ i Jotama; ary Jotama niteraka an’ i Ahaza; ary Ahaza niteraka an’ i Hezekia;
10 हिजकिय्याह सी मनश्शिह, मनश्शिह सी आमोन, अऊर आमोन सी योशिय्याह पैदा भयो,
ary Hezekia niteraka an’ i Manase; ary Manase niteraka an’ i Amona; ary Amona niteraka an’ i Josia;
11 अऊर बन्दी होय क बेबीलोन जान को समय म योशिय्याह सी यकुन्याह, अऊर ओको भाऊ पैदा भयो।
ary Josia niteraka an’ i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ ny nifindrana tany Babylona.
12 बन्दी बेबीलोन पहुंचाय जान को बाद यकुन्याह सी शालतिएल पैदा भयो, अऊर शालतिएल सी जरुब्बाबिल,
Ary taorian’ ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an’ i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an’ i Zerobabela;
13 अऊर जरुब्बाबिल सी अबीहूद, अबीहूद सी इल्याकीम, अऊर इल्याकीम सी अजोर,
ary Zerobabela niteraka an’ i Abihoda; ary Abihoda niteraka an’ i Eliakima; ary Eliakima niteraka an’ i Azora;
14 अऊर अजोर सी सदोक, सदोक सी अखीम, अऊर अखीम सी इलीहूद,
ary Azora niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Akima; ary Akima niteraka an’ i Elihoda;
15 इलीहूद सी इलियाजार, इलियाजार सी मत्तान, अऊर मत्तान सी याकूब,
ary Elihoda niteraka an’ i Eleazara; ary Eleazara niteraka an’ i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
16 याकूब सी यूसुफ पैदा भयो, जो मरियम को पति होतो, अऊर मरियम सी यीशु पैदा भयो, जो मसीह कहलावय हय।
ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
17 यो तरह अब्राहम सी दाऊद तक चौदा पीढ़ी भयी, अऊर दाऊद को समय सी बेबीलोन ख बन्दी होय क पहुंचायो जानो तक चौदा पीढ़ी भयी, अऊर बन्दी होय क बेबीलोन ख पहुंचायो जानो को समय सी मसीह तक चौदा पीढ़ी भयी।
Ary ny taranaka rehetra hatramin’ i Abrahama ka hatramin’ i Davida dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ i Davida ka hatramin’ ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ ny nifindrana tany Babylona ka hatramin’ i Kristy dia taranaka efatra ambin’ ny folo.
18 यीशु मसीह को जनम यो तरह सी भयो, कि जब ओकी माय मरियम की मंगनी यूसुफ को संग भय गयी, त उन्को एक तन होन सी पहिलेच वा पवित्र आत्मा को तरफ सी गर्भवती पायी गयी।
Ary ny nahaterahan’ i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’ i Jesosy, ho fofombadin’ i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ ny Fanahy Masìna izy.
19 येकोलायी ओको पति यूसुफ न जो सच्चो होन को वजह ओख बदनाम नहीं करन की इच्छा सी चुपचाप सी ओख छोड़ देन को बिचार करयो।
Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
20 जब ऊ यो बातों ख सोच रह्यो होतो त प्रभु को स्वर्गदूत ओख सपनो म दिखायी दे क कहन लग्यो, “हे यूसुफ! दाऊद की सन्तान, तय मरियम ख अपनी पत्नी बनानो सी मत डर, कहालीकि जो ओको गर्भ म हय, ऊ पवित्र आत्मा को तरफ सी हय।
Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masìna,
21 वा बेटा ख जनम देयेंन अऊर तय ओको नाम यीशु रखजो, कहालीकि ऊ अपनो लोगों ख उन्को पापों सी बचायेंन।”
ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany.
22 यो पूरो येकोलायी भयो कि जो वचन प्रभु न भविष्यवक्ता को द्वारा कह्यो होतो, ऊ पूरो हो:
Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ ny Tompo ny mpaminany hoe:
23 “देखो, एक कुंवारी गर्भवती होयेंन अऊर एक बेटा ख जनम देयेंन, अऊर ओको नाम इम्मानुएल रख्यो जायेंन,” जेको मतलब हय “परमेश्वर हमरो संग।”
Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
24 तब यूसुफ नींद सी जाग क प्रभु को स्वर्गदूत को आज्ञानुसार ओख अपनो घर बिहाव कर क् लायो;
Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ ny anjelin’ ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
25 अऊर मरियम को जवर तब तक नहीं गयो जब तक ओन बेटा ख जनम नहीं दियो। अऊर यूसुफ न ओको नाम यीशु रख्यो।
Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.

+ मत्ती 1 >