< Mitango 28 >

1 Yawe alobaki na Moyize:
Ary Jehovah niteny tamin’ i ka nanao hoe:
2 « Pesa mitindo oyo epai ya bana ya Isalaele mpe yebisa bango: ‹ Bosala keba ete bomema liboso na Ngai, na mikolo oyo ekatama, makabo na Ngai, makabo bazikisa na moto, oyo solo kitoko na yango esepelisaka Ngai. ›
Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin’ ny fotoany avy.
3 Loba na bango: ‹ Tala likabo bazikisa na moto oyo bosengeli kobonza epai na Yawe: bana meme mibale ya mobu moko mpe ezanga mbeba, lokola mbeka ya kotumba mpo na libela.
Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin’ ny afo, izay haterinareo ho an’ i Jehovah: zanak’ ondry roa isan’ andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva
4 Bokobonza mwana meme moko na tongo, mpe mosusu, na pokwa;
(ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
5 elongo na likabo ya bakilo misato ya farine basangisa na balitele mibale ya mafuta ya olive.
ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.
6 Ezali mbeka ya kotumba ya tango nyonso, oyo ebandisamaki na ngomba Sinai; ezali likabo bazikisa na moto mpo na Yawe, oyo solo kitoko na yango esepelisaka Yawe.
Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
7 Bokobakisa lisusu likabo ya masanga: balitele mibale ya masanga ya vino ya sika mpo na mwana meme moko na moko. Bokobonzela Yawe masanga yango na Esika ya bule.
Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ ny isan-janak’ ondry iray; ao amin’ ny fitoerana masìna no hanidinanao divay ho an’ i Jehovah ho fanatitra aidina.
8 Bokobonza mwana meme mosusu na pokwa, elongo na lolenge moko ya makabo ya mbuma mpe mbeka ya masanga oyo bobonzaki na tongo; ezali likabo bazikisa na moto mpo na Yawe, oyo solo kitoko na yango esepelisaka Yawe.
Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
9 Na mokolo ya Saba, bokobonza mbeka ya bana meme mibale, ya mobu moko oyo ezanga mbeba, elongo na likabo ya masanga mpe bakilo motoba ya farine oyo basangisa na mafuta, lokola makabo ya mbuma.
Ary amin’ ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak’ ondry roa izay iray taona’ sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.
10 Oyo ezali mbeka ya kotumba mpo na mikolo nyonso ya Saba, bakisa mbeka ya kotumba ya tango nyonso mpe mbeka na yango ya masanga.
Fanatitra dorana amin’ ny isan-tSabata izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.
11 Na ebandeli nyonso ya sanza, bokobonzela Yawe lokola mbeka ya kotumba: bana ngombe mibale ya mibali, meme moko ya mobali mpe bana mibali ya meme ya mobu moko sambo. Yango nyonso esengeli kozala na mbeba te.
Ary izao no atero amin’ ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,
12 Mpo na ngombe moko na moko ya mobali, bokobonza yango na likabo ya bakilo libwa ya farine basangisa na mafuta; mpo na meme moko ya mobali, bokobonza yango na likabo ya bakilo motoba ya farine basangisa na mafuta;
ary koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ ny isan-ondrilahy iray,
13 mpo na mwana meme moko na moko, bokobonza yango elongo na likabo ya bakilo misato ya farine basangisa na mafuta. Ezali mbeka ya kotumba, oyo solo kitoko na yango esepelisaka Yawe, likabo bazikisa na moto mpo na Yawe.
ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ ny isan-janak’ ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
14 Mbeka ya masanga oyo bosengeli kobonza ekozala: balitele minei ya masanga ya vino mpo na ngombe moko na moko, balitele misato ya masanga ya vino mpo na meme moko na moko ya mobali mpe balitele mibale ya masanga ya vino mpo na mwana meme moko na moko ya mobali.
Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary ampahatelon’ ny hina ho amin’ ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin’ ny isan-janak’ ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin’ ny isam-bolana, araka ny volana amin’ ny taona.
15 Kobakisa na mbeka ya kotumba ya libela elongo na mbeka na yango ya masanga, bokobonza lisusu epai na Yawe ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu.
Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah; ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
16 Mokolo ya zomi na minei ya sanza ya liboso ekozala Pasika mpo na lokumu ya Yawe.
Ary ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany dia Paskan’ i Jehovah.
17 Mokolo ya zomi na mitano ya sanza yango kaka ekozala mokolo ya feti monene. Mikolo sambo, bokolia mapa ezanga levire.
Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
18 Na mokolo ya liboso, bokozala na mayangani ya bule; bokosala mosala moko te oyo bosalaka mokolo na mokolo.
Amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory;
19 Bokobonzela Yawe, lokola likabo bazikisa na moto, lokola mbeka ya kotumba: bana ngombe mibale ya mibali, meme moko ya mobali, bana mibali ya meme sambo ya mobu moko; nyonso esengeli kozanga mbeba.
fa izao no atero ho fanatitra atao amin’ ny afo, dia fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo).
20 Mpo na ngombe moko na moko ya mobali, bokobonza yango na likabo ya bakilo libwa ya farine basangisa na mafuta; mpo na meme moko na moko ya mobali, bakobonza yango na likabo ya bakilo motoba ya farine basangisa na mafuta;
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon’ ny efaha no hiaraka haterinareo amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, ary roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
21 mpe mpo na mwana meme moko na moko ya mobali kati na yango sambo, bokobonza yango na likabo ya bakilo misato.
ary ampahafolon’ ny efaha no hiaraka haterinao amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry fito),
22 Bokobakisa lisusu ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, mpo na kosala mosala ya bolimbisi masumu mpo na bino.
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.
23 Bokobonza mbeka oyo nyonso, bakisa mpe mbeka ya kotumba ya libela ya tongo.
Atero ireo ho fanampin’ ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva.
24 Bokobanda kobonza yango mikolo nyonso, na mikolo nyonso sambo, lokola bilei bazikisa na moto; mpe solo kitoko na yango ekosepelisa Yawe. Ekobanda kobakisama na mbeka ya kotumba ya libela mpe na mbeka na yango ya masanga.
Araka izany no hanateranareo isan’ andro amin’ ny hafitoana, ho hanina ho an’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
25 Na mokolo oyo ya sambo, bokozala na mayangani ya bule; bongo na mokolo yango, bokosala mosala moko te oyo bosalaka mokolo na mokolo.
Ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
26 Na mokolo ya bambuma ya liboso, tango bokobonzela Yawe makabo ya mbuma ya sika, na tango ya feti ya baposo, bokozala na mayangani ya bule mpe bokosala mosala moko te oyo basalaka mokolo na mokolo.
Ary amin’ ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
27 Bokobonzela Yawe lokola mbeka ya kotumba oyo solo kitoko na yango ekosepelisa Yawe: bangombe mibale ya mibali, meme moko ya mobali mpe bana meme sambo ya mibali ya mobu moko.
ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak’ ondry fito, izay iray taona avy,
28 Mpo na ngombe moko na moko ya mobali, bokobonza yango na likabo ya bakilo libwa ya farine basangisa na mafuta; mpo na meme moko na moko ya mobali, bokobonza yango na likabo ya bakilo motoba ya farine basangisa na mafuta;
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan’ ondrilahy iray,
29 mpe mpo na mwana meme moko na moko ya mobali kati na yango sambo, bokobonza yango na likabo ya bakilo misato.
ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry iray, dia amin’ ny zanak’ ondry fito)
30 Bokobakisa lisusu ntaba moko ya mobali lokola mbeka mpo na masumu, mpo na kosala mosala ya bolimbisi masumu mpo na bino.
ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.
31 Bokobonza mbeka yango na mbeka na yango ya masanga, bakisa mbeka ya kotumba ya libela na makabo na yango ya mbuma. Bosala keba ete ezala banyama oyo ezanga mbeba. › »
Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.

< Mitango 28 >