< Yobo 28 >

1 Ezali na esika oyo batimolaka palata, mpe na esika oyo bapetolaka wolo.
Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
2 Ebende ewutaka na mabele, mpe libanga oyo balekisaka na moto epesaka motako.
Ny vy dia alaina avy amin’ ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ ny vato.
3 Moto asilisaka molili, alukaka kino na se, na bisika ya se penza, libanga kati na molili oyo eleki makasi,
Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ ny faran’ ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
4 atimolaka libulu mosika ya esika oyo bato bavandaka, na bisika oyo makolo ya bato ekomaka te, mosika penza na bato, adiembelaka mosika ya bato nyonso.
Mihady lavaka mihalavitra amin’ izay itoeran’ olona izy ka tsy ampoizin’ ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
5 Mabele epai wapi bilei ewutaka ebongwani na se na yango lokola nde moto ezikisi yango.
Ny tany no ihavian’ ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
6 Mabanga ya safiri ewutaka na mabanga makasi ya mabele, mpe putulu ya wolo ezalaka kati na mabele.
Fitoeran’ ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
7 Ndeke moko te oyo eliaka misuni eyebi nzela na yango, miso ya mpongo moko te emoni yango,
Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ ny mason’ ny voromahery,
8 nyama ya zamba etia nanu makolo na yango kuna te, mpe nkosi etambola nanu kuna te.
Sady tsy nodiavin’ ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ ny liona masiaka.
9 Moto abetaka loboko na ye na likolo ya libanga ya makasi mpe apikolaka ngomba longwa na misisa,
Maninjitra ny tànany amin’ ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ ny fotony;
10 atimolaka nzela kati na mabanga, mpe miso na ye emonaka bomengo na yango nyonso,
Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ ny masony avokoa.
11 akawusaka mayi ya bibale mpe abimisaka na pole biloko oyo ebombama.
Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ ny mazava.
12 Kasi bakoki komona bwanya wapi? Mayele evandaka wapi?
Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
13 Moto ayebaka motuya na yango te, pamba te bakoki komona yango te kati na mokili ya bato ya bomoi.
Tsy misy zanak’ olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ ny tanin’ ny velona izy.
14 Libulu ya mozindo elobi: « Ezali kati na ngai te; » mpe ebale monene elobi: « Ezali epai na ngai te. »
Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
15 Bakoki kosomba yango te na motuya ya libanga ya wolo to na bakilo ya palata;
Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
16 bakoki te kosomba yango na wolo ya Ofiri to na mabanga ya talo ya Onikisi to mabanga ya talo ya Safiri;
Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
17 wolo to diama ekoki te kokokana na yango, bakoki kozwa yango te na motuya ya sani ya wolo ya kitoko.
Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
18 Mayaka ya Karayi mpe ya Jasipe ezali na motuya te liboso na yango. Motuya ya bwanya eleki pawuni ya talo.
Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
19 Topaze ya Kushi ekoki kokokana na yango te, mpe bakoki te kosomba yango ata na wolo ya peto.
Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
20 Boye, bwanya ewutaka wapi? Mayele evandaka wapi?
Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
21 Ebombami mosika na miso ya bato nyonso ya bomoi, ebombami mpe mosika na miso ya bandeke ya likolo.
Miafina amin’ ny mason’ ny velona rehetra izany ary takona amin’ ny voro-manidina.
22 Libebi mpe kufa elobi: « Kaka sango na yango nde ekomaki na matoyi na biso. »
Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.
23 Nzambe kaka nde ayebi nzela na yango, Ye nde kaka ayebi esika bwanya evandaka.
Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
24 Pamba te miso na Ye emonaka kino na suka ya mokili, mpe amonaka nyonso oyo ezali na se ya Lola.
Fa Izy no mitsinjo hatramin’ ny faran’ ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ ny lanitra rehetra izao,
25 Tango apesaki makasi na mopepe mpe atiaki mondelo na mayi,
Ka manendry ny lanjan’ ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ ny famarana.
26 tango atiaki mobeko mpo na mvula mpe afungolaki nzela mpo na kake mpe mikalikali,
Raha nanao lalana ho an’ ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ ny helatry ny kotrokorana,
27 amonaki bwanya mpe akumisaki yango, andimaki yango mpe amekaki yango.
Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
28 Bongo alobaki na moto: « Kotosa Nkolo, yango nde bwanya! Koboya mabe, yango nde mayele! »
Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.

< Yobo 28 >