< Yobo 26 >

1 Yobo azongisaki:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 « Ah! Tala ndenge osungi moto oyo azangi makasi, ndenge osungi loboko oyo elembi!
Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
3 Tala toli oyo opesi na moto azangi bwanya, mpe tala ebele na mayele oyo olakisi!
Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
4 Ozwi maloba oyo wapi? Molimo oyo elobi na monoko na yo ezali ya nani?
Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin’ izay no nivoaka avy tao aminao?
5 Bakufi balengaka na se ya mayi mpe ya bikelamu oyo ezalaka kuna.
Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin’ ny rano sy any ambanin’ ny mponina any.
6 Liboso ya Nzambe, mboka ya bakufi ezali bolumbu, mpe libulu ya molili ezali polele. (Sheol h7585)
Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra. (Sheol h7585)
7 Atandaka likolo na esika oyo ezali na eloko moko te, atelemisaka mabele na likolo ya eloko moko te,
Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ ny tsy misy.
8 akangaka mayi kati na mapata, kasi mapata epasukaka te;
Fonosiny amin’ ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin’ ny rahona tsy mety triatra.
9 azipaka kiti ya bokonzi na Ye, atandaka mapata na likolo na yango;
Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ ny amelarany ny rahony hanarona azy.
10 akataka mondelo na likolo ya mayi, na suka ya pole mpe na molili.
Asiany faritra manodidina eny ambonin’ ny rano. Hatramin’ izay ihaonan’ ny mazava sy ny maizina.
11 Makonzi ya Lola ezali kolenga mpe ezali kokamwa na pamela na Ye.
Ny andrin’ ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ ny teny mafy ataony.
12 Na nguya na Ye, apasoli ebale monene; mpe na mayele na Ye, abuki-buki Rakabe na biteni.
Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba;
13 Na pema na Ye, Likolo ekomaka kitoko, loboko na Ye etobolaka nyoka oyo ekimaka.
Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
14 Soki makambo wana ezali kaka ndambo moke ya misala na Ye mpe mongongo na Ye ya se oyo toyokaka, nani akoki kososola bakake ya nguya na Ye? »
Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?

< Yobo 26 >