< Ezayi 50 >
1 Tala liloba oyo Yawe alobi: « Wapi mokanda ya koboma libala oyo Ngai nabenganelaki mama na bino? To natekaki bino epai ya nani oyo Ngai nazalaki na niongo na ye? Botekamaki mpo na masumu na bino; mpe libala ya mama na bino ekufaki mpo na botomboki na bino.
Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
2 Mpo na nini moto azalaki te tango nayaki? Mpo na nini moto apesaki eyano te tango nabengaki? Loboko na Ngai ezalaki mokuse mpo na kosikola bino? Nazangaki solo makasi mpo na kokangola bino? Na pamela na Ngai, nakawusaka ebale monene, nakomisaka bibale esobe; mbisi na yango ekomaka kolumba solo mpo ete mayi ezali te mpe ekufaka na posa ya mayi.
Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ ny rano sady matin-ketaheta.
3 Nalatisaka likolo elamba ya mwindo mpe nazipaka yango na bilamba ya saki. »
Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.
4 Nkolo Yawe apesaki ngai maloba ya bayekoli, mpo ete nakoka kolendisa na nzela ya liloba moto oyo alembi; alamusaka ngai tongo nyonso, alamusaka litoyi na ngai mpo ete nayoka lokola moyekoli.
Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay
5 Nkolo Yawe afungolaki ngai matoyi, mpe ngai natiaki moto makasi te; namizongisaki sima te.
Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
6 Napesaki mokongo na ngai epai ya bato oyo bazalaki kobeta ngai, matama na ngai, epai ya bato oyo bazalaki kopikola ngai mandefu. Nabombaki elongi na ngai te na kotiolama mpe na basoyi.
Ny lamosiko natolotro ho amin’ ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin’ izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin’ ny henatra sy ny rora.
7 Lokola Nkolo Yawe asungaka ngai, nakoyokisama soni te. Yango wana, nakomisi elongi na ngai makasi lokola libanga, mpe nayebi ete nakoyokisama soni te.
Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
8 Ye oyo alongisaka ngai azali pene, nani akokoka kotelemela bosembo na ngai? Tika ete tosamba elongo! Nani akofunda ngai ete tosamba na ye? Tika ete apusana pene na ngai!
Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
9 Ezali Nkolo Yawe nde asungaka ngai; nani akolonga ngai na esambiselo? Tala, bango nyonso bakokweya lokola bilamba ya kala oyo ebeba, bongo nseka ekolia bango.
Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ ny kalalao izy.
10 Ezali na moto kati na bino oyo atosaka Yawe mpe ayokaka mongongo ya Mowumbu na Ye, bongo atambola kati na molili mpe atikala komona pole te? Tika ete atia elikya na ye kati na Kombo na Yawe mpe atalela Nzambe na ye.
Iza aminareo no matahotra an’ i Jehovah ka mihaino ny feon’ ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran’ i Jehovah sy hiankina amin’ Andriamaniny.
11 Kasi sik’oyo, bino nyonso oyo bopelisi moto mpe bosimbi bakoni oyo ezali kopela moto, bokende, botambola na pole ya moto na bino mpe ya bakoni oyo bopelisi. Tala oyo bokozwa na maboko na ngai: Bokokufa na pasi!
He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’ afo manodidina anareo, mandehana amin’ ny lelafonareo sy amin’ ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin’ ny tanako: Handry amin’ ny fahoriana ianareo.