< 1 Bakonzi 20 >
1 Beni-Adadi, mokonzi ya Siri, asangisaki mampinga na ye nyonso elongo na bakonzi tuku misato na mibale na bampunda mpe bashar; akendeki kozingela Samari mpe abundisaki yango.
Ary Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin’ ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an’ i Samada ary namely azy.
2 Atindaki bantoma kati na engumba epai ya Akabi, mokonzi ya Isalaele
Ary nandefa iraka ho any amin’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, tany an-tanàna izy
3 na maloba oyo: — Tala maloba oyo Beni-Adadi alobi: « Palata mpe wolo na yo ezali ya ngai; basi na yo mpe bana mibali na yo, oyo baleki kitoko bazali ya ngai. »
hanao aminy hoe: Izao no lazain’ i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.
4 Mokonzi ya Isalaele azongisaki: — Ezali ndenge kaka olobi, mokonzi, nkolo na ngai; ngai mpe nyonso oyo nazali na yango ezali ya yo.
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako.
5 Bantoma bazongaki lisusu mpe balobaki: — Tala maloba oyo Beni-Adadi alobi: « Napesaki yo mitindo ete opesa ngai palata na yo, wolo na yo, basi na yo mpe bana na yo ya mibali.
Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin’ i Beni-hadada: Naniraka tatỳ aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy;
6 Kasi yeba malamu ete lobi, na ngonga oyo, nakotinda basali na ngai mpo na kotala malamu-malamu ndako na yo mpe bandako ya basali na yo. Bakozwa nyonso ya motuya na miso na yo mpe bakomema yango. »
koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon’ ny mpanomponao, dia horaisin’ ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
7 Mokonzi ya Isalaele abengisaki bampaka nyonso ya mboka mpe alobaki na bango: — Botala ndenge nini moto oyo azali koluka makambo! Tango asengaki ngai basi na ngai mpe bana na ngai ya mibali, wolo mpe palata na ngai, napimelaki ye yango te.
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin’ ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin’ ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.
8 Bampaka mpe bato nyonso balobaki na ye: — Koyokela ye te mpe kondima bisengeli na ye te.
Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky.
9 Boye Akabi azongisaki epai ya bantoma ya Beni-Adadi: — Boloba na mokonzi, nkolo na ngai: « Mosali na yo akosala nyonso oyo osengaki liboso; kasi na oyo ya mibale, nakosala yango te. » Bazongaki mpe bamemaki eyano epai ya Beni-Adadi.
Ka dia hoy Ahaba tamin’ ny irak’ i Beni-hadada. Lazao amin’ ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin’ ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin’ i Beni-hadada indray;
10 Beni-Adadi atindaki maloba mosusu epai ya Akabi: — Tika ete banzambe bapesa ngai etumbu ya makasi koleka soki etikali na Samari putulu oyo ekoki kotondisa ata loboko ya moko na moko ya bato oyo bazali kolanda ngai.
ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok’ i Samaria amin’ ny isan-olona manaraka ahy.
11 Mokonzi ya Isalaele azongisaki: — Boloba na ye: « Moto oyo alati bibundeli asengeli komikumisa te lokola moto oyo alongoli bibundeli! »
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikìna tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.
12 Beni-Adadi ayokaki sango yango tango ye elongo na bakonzi bazalaki komela na bandako ya kapo. Apesaki mitindo epai ya bato na ye: — Bomibongisa mpo na etumba. Boye, bamibongisaki mpo na kobundisa engumba.
Ary rehefa ren’ i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy.
13 Na tango wana kaka, mosakoli moko ayaki epai ya Akabi, mokonzi ya Isalaele, mpe alobaki na ye: — Tala liloba oyo Yawe alobi: « Ozali komona mampinga monene oyo? Nakopesa yango lelo na maboko na yo, bongo okoyeba ete nazali Yawe. »
Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
14 Akabi atunaki: — Kasi nani akosala yango? Mosakoli azongisaki: — Tala liloba oyo Yawe alobi: « Bakonzi ya basoda ya bilenge, bakonzi ya basoda ya bamboka mike nde bakosala yango. » Akabi atunaki: — Nani akobanda etumba? Mosakoli azongisaki: — Ezali yo nde moto okobanda.
Ary hoy Ahaba: Amin’ iza? Ary hoy izy: Izao no lazain’ i Jehovah: Amin’ ny zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha? Hianao ihany, hoy izy.
15 Akabi abengisaki bakonzi ya basoda ya bilenge, bakonzi ya basoda ya bamboka mike; bango nyonso bazalaki bato nkama mibale na tuku misato na mibale. Asangisaki lisusu bato ya Isalaele oyo batikalaki: bazalaki bango nyonso bato nkoto sambo.
Ary nandamina ny zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany.
16 Babimaki na midi na tango Beni-Adadi elongo na bakonzi tuku misato na mibale, oyo bazalaki na ngambo na ye, bazalaki kolangwa masanga na bandako na bango ya kapo.
Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.
17 Bakonzi ya basoda ya bilenge babimaki bato ya liboso. Nzokande Beni-Adadi azwaki sango epai ya banongi na ye oyo balobaki na ye: — Bato bazali kopusana wuta na engumba Samari.
Ary ny zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.
18 Beni-Adadi alobaki: — Soki bayei mpo na kimia, bakanga bango ya bomoi; kasi soki mpe bayei mpo na bitumba, kokanga bango ya bomoi.
Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.
19 Bakonzi ya basoda ya bilenge babimaki na engumba elongo na mampinga sima na bango.
Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon’ ny komandin’ ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy.
20 Soda moko na moko abomaki monguna na ye. Boye bato ya Siri bakimaki, mpe bato ya Isalaele balandaki bango. Kasi Beni-Adadi, mokonzi ya Siri, akimaki na mpunda elongo na ndambo ya basoda na ye, oyo batambolaka na bashar.
Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin’ ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin’ ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.
21 Mokonzi ya Isalaele apusanaki, abebisaki bampunda elongo na bashar mpe alongaki bato ya Siri na elonga monene.
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.
22 Sima na yango, mosakoli ayaki epai ya mokonzi ya Isalaele mpe alobaki: — Lendisa basoda na yo mpe tala nini okoki kosala, pamba te na mobu oyo ekoya, mokonzi ya Siri akoya kobundisa yo lisusu.
Ary ilay mpaminany nankany amin’ ny i mpanjakan’ ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan’ i Syria hiady aminao.
23 Na tango wana bakalaka ya mokonzi ya Siri bapesaki ye toli: « Banzambe na bango bazali banzambe ya bangomba. Yango wana balekaki biso na makasi, kasi soki tobundi na bango na bitando, tokoleka bango solo na makasi.
Ary hoy ny mpanompon’ ny mpanjakan’ i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr’ izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e!
24 Sala boye: longola bakonzi nyonso na bisika na bango mpe tia bakonzi mosusu ya basoda na bisika ya bato oyo ya liboso.
Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin’ ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy;
25 Osengeli mpe lisusu kobongisa mampinga lokola oyo owutaki kobungisa: mpunda mpo na mpunda, shar mpo na shar, mpo ete tokoka kobundisa Isalaele na etando. Solo, tokoleka bango na makasi. » Beni-Adadi ayokaki bango mpe asalaki bongo.
ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon’ ny soavaly sy kalesy ho solon’ ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin’ ireo izy, ka dia nataony izany.
26 Na mobu oyo elandaki, Beni-Adadi asangisaki mampinga na ye ya Siri mpe amataki na Afeki mpo na kobundisa Isalaele.
Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin’ ny Isiraely.
27 Akabi mpe na ngambo na ye, asangisaki bato ya Isalaele mpe apesaki bango bibundeli; boye babimaki mpo na kobundisa bato ya Siri. Bato ya Isalaele batongaki milako oyo ezalaki kotalana na bato ya Siri. Mampinga na bango ezalaki lokola bitonga mibale ya mike ya bantaba wana bato ya Siri batondaki na etando mobimba.
Ary ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.
28 Moto na Nzambe ayaki mpe alobaki na mokonzi ya Isalaele: — Tala liloba oyo Yawe alobi: « Lokola bato ya Siri bakanisi ete Ngai nazali nzambe ya bangomba, kasi ya etando te, nakokaba mampinga monene oyo na maboko na yo mpe okoyeba ete Ngai nazali Yawe. »
Ary nanatona ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nilaza tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
29 Mikolo sambo, milako ya mampinga nyonso mibale ezalaki etalana. Na mokolo ya sambo, etumba ebandaki mpe bato ya Isalaele babomaki basoda ya mpiko ya Siri nkoto nkama moko.
Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin’ ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak’ Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin’ ny Syriana indray andro.
30 Basoda ya mpiko ya Siri oyo batikalaki, bakimaki na Afeki epai wapi mir ekweyelaki bato nkoto tuku mibale na sambo. Beni-Adadi akimaki na engumba mpe abombamaki na shambre ya kati penza.
Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran’ ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin’ ny efi-trano anatiny.
31 Bakalaka na ye balobaki na ye: — Tala, toyokaki ete bakonzi ya Isalaele bazalaka malamu. Pesa nzela ete tokende epai ya mokonzi ya Isalaele, tolata bilamba ya saki na loketo na biso mpe basinga na mito na biso; tango mosusu bakoki kobikisa bomoi na yo.
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan’ ny taranak’ Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao.
32 Boye balataki bango nyonso bilamba ya saki, bakangaki basinga na mito na bango mpe bakendeki epai ya mokonzi ya Isalaele. Balobaki na ye: — Mosali na yo Beni-Adadi abondeli yo ete oboma ye te. Akabi atunaki: — Boni, azali nanu na bomoi? Azali kaka ndeko na ngai.
Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin’ i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.
33 Bantoma ya Beni-Adadi bazwaki eyano yango lokola elembo ya malamu, bakangamaki na maloba wana mpe bagangaki na esengo: — Beni-Adadi azali solo ndeko na yo. Akabi azongisaki: — Bokende kozwa ye. Beni-Adadi abimaki na esika oyo abombamaki mpe ayaki epai ya Akabi, bongo Akabi amatisaki ye na shar na ye.
Ary nataon’ ireo olona ireo fa zara ho azy izany, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin’ ny kalesiny.
34 Beni-Adadi alobaki: — Bingumba nyonso oyo tata na ngai abotolaki tata na yo, nazongiseli yo yango; okotonga zando na yo na Damasi mpo na koteka biloko na yo ndenge kaka tata na ngai asalaki na Samari. Akabi azongisaki: — Nakotika yo kokende soki nasali boyokani elongo na yo. Akabi asalaki boyokani elongo na Beni-Adadi mpe atikaki ye kozonga epai na ye.
Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain’ ny raiko tamin’ ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon’ ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin’ izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.
35 Na tango wana, moko kati na bana ya basakoli alobaki na moninga na ye, na etinda ya Yawe: — Nasengi na yo ete obeta ngai. Kasi moninga na ye aboyaki kobeta ye.
Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ ny namany araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
36 Bongo alobaki na ye: — Lokola oboyi kotosa Liloba na Yawe, tango kaka okotika ngai, nkosi ekoboma yo. Moninga na ye akendeki, akutanaki na nkosi, mpe ebomaki ye.
Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan’ ny liona ka novonoiny.
37 Mwana wana ya basakoli akendeki kokutana na moto mosusu mpe asengaki na ye ete abeta ye. Moto wana abetaki ye makasi mpe azokisaki ye.
Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra.
38 Mwana ya basakoli amibongolaki na elateli na ye, azipaki elongi na ye na nzela ya eteni ya elamba mpo ete bayeba ye te, mpe akendeki kotelema na nzela oyo mokonzi Akabi akolekela.
Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin’ ny handriny tsy hahafantarany azy.
39 Tango mokonzi azalaki koleka, mosakoli agangaki: — Mokonzi, wana nazalaki kati na bitumba, moto moko abimaki kati na mampinga mpe amemelaki ngai mokangami ya bitumba. Alobaki na ngai: « Batela moto oyo ete akima te! Soki akimi, okokufa na esika na ye to okofuta ngai palata nkoto misato. »
Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin’ ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
40 Wana mosali na yo azalaki kosala awa, kuna, mokangami yango akimaki. Bongo Akabi, mokonzi ya Isalaele, alobaki: — Etumbu na yo ekozala ndenge kaka olobi.
Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany.
41 Mbala moko, mosakoli alongolaki eteni ya elamba oyo ezipaki elongi na ye; mpe Akabi, mokonzi ya Isalaele, asosolaki ete moto yango azali moko kati na bana ya basakoli.
Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin’ ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan’ ny Isiraely fa isan’ ny mpaminany izy.
42 Mosakoli alobaki na mokonzi: — Tala maloba oyo Yawe alobi: « Lokola obikisi moto oyo Ngai nakatelaki etumbu ya kufa, yo nde moto okokufa na esika na ye; mpe bato na yo bakokufa na esika ya bato na ye. »
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.
43 Mokonzi ya Isalaele azongaki epai na ye, na Samari, na mawa mpe na kanda.
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.