< Pāvila 1. Vēstule Korintiešiem 8 >

1 Bet par elkadievu upuriem zinām, ka mums visiem ir atzīšana. Atzīšana uzpūš, bet mīlestība uztaisa.
Ary ny amin’ ny hena aterina amin’ ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
2 Bet ja kam šķiet, ka ko zinot, tas vēl nezin nenieka tā, kā piederās zināt.
Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.
3 Bet ja kas Dievu mīl, tas no Viņa ir atzīts.
Fa raha misy tia an’ Andriamanitra, dia izy no fantany.
4 Tad nu par elku upuru ēšanu zinām, ka neviena elka nav pasaulē un ka cita Dieva nav kā vien Tas Vienīgais,
Ary ny amin’ ny mihinana ny hena aterina amin’ ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin’ izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.
5 Un jebšu ir tā saucami dievi, tā debesīs, kā virs zemes - tā kā ir daudz dievu un daudz kungu;
Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro);
6 Tomēr mums ir viens Dievs, Tas Tēvs, no kā visas lietas, un mēs uz Viņu, un viens Kungs Jēzus Kristus, caur ko visas lietas, un mēs caur Viņu.
nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
7 Tomēr tā atzīšana nav iekš visiem; bet kādi, kas līdz šim apzinās, elkus esam, ēd tā kā no elku upuriem, un viņu zināma sirds, vāja būdama, top apgānīta.
Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin’ ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin’ ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
8 Bet barība nedara mūs Dievam pieņēmīgus; jo ēzdami mēs neesam labāki, un neēzdami mēs neesam sliktāki.
Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin’ Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.
9 Bet pielūkojiet, ka šī jūsu vaļa vājiem nekļūst par piedauzīšanu.
Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ ny malemy.
10 Jo, ja kas redzētu tevi, kam tā atzīšana, elka namā pie galda sēžam, vai tā vājā brāļa zināma sirds netaps skubināta, elku upurus ēst?
Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin’ ny tempolin’ ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan’ ny malemy hihinana izay hena aterina amin’ ny sampy koa va izany?
11 Un caur tavu atzīšanu pazudīs tavs vājais brālis, kā labad Kristus ir miris.
Fa verin’ ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan’ i Kristy tamin’ ny fahafatesana?
12 Bet pret brāļiem tā grēkodami un viņu vājo zināmu sirdi ievainodami, jūs grēkojat pret Kristu.
Fa raha manota toy izany amin’ ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan’ ny malemy, dia manota amin’ i Kristy ianareo.
13 Tādēļ, ja manam brālim barība par piedauzīšanu, tad es nemūžam gaļu neēdīšu, lai savu brāli neapgrēcināju. (aiōn g165)
Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko. (aiōn g165)

< Pāvila 1. Vēstule Korintiešiem 8 >