< Psalmorum 75 >

1 in finem ne corrumpas psalmus Asaph cantici confitebimur tibi Deus confitebimur et invocabimus nomen tuum narrabimus mirabilia tua
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
2 cum accepero tempus ego iustitias iudicabo
Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
3 liquefacta est terra et omnes qui habitant in ea ego confirmavi columnas eius diapsalma
Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. (Sela)
4 dixi iniquis nolite inique facere et delinquentibus nolite exaltare cornu
Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;
5 nolite extollere in altum cornu vestrum nolite loqui adversus Deum iniquitatem
Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka.
6 quia neque ab oriente neque ab occidente neque a desertis montibus
Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.
7 quoniam Deus iudex est hunc humiliat et hunc exaltat
Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
8 quia calix in manu Domini vini meri plenus mixto et inclinavit ex hoc in hoc verum fex eius non est exinanita bibent omnes peccatores terrae
Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.
9 ego autem adnuntiabo in saeculum cantabo Deo Iacob
Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
10 et omnia cornua peccatorum confringam et exaltabuntur cornua iusti
Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

< Psalmorum 75 >