< Psalmorum 61 >
1 in finem in hymnis David exaudi Deus deprecationem meam intende orationi meae
Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Nataon’ i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.
2 a finibus terrae ad te clamavi dum anxiaretur cor meum in petra exaltasti me deduxisti me
Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;
3 quia factus es spes mea turris fortitudinis a facie inimici
Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
4 inhabitabo in tabernaculo tuo in saecula protegar in velamento alarum tuarum diapsalma
Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho,
5 quoniam tu Deus meus exaudisti orationem meam dedisti hereditatem timentibus nomen tuum
Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao.
6 dies super dies regis adicies annos eius usque in diem generationis et generationis
Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.
7 permanet in aeternum in conspectu Dei misericordiam et veritatem quis requiret eius
Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;
8 sic psalmum dicam nomini tuo in saeculum saeculi ut reddam vota mea de die in diem
Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan’ andro ny voadiko.