< Ruth 4 >

1 Ascendit ergo Booz ad portam, et sedit ibi. Cumque vidisset propinquum praeterire, de quo prius sermo habitus est, dixit ad eum: Declina paulisper, et sede hic: vocans eum nomine suo. Qui divertit, et sedit.
Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
2 Tollens autem Booz decem viros de senioribus civitatis, dixit ad eos: Sedete hic.
Dia naka folo lahy tamin’ ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.
3 Quibus sedentibus, locutus est ad propinquum: Partem agri fratris nostri Elimelech vendet Noemi, quae reversa est de regione Moabitide:
Dia niteny tamin’ Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin’ ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an’ i Elimeleka rahalahintsika.
4 quod audire te volui, et tibi dicere coram cunctis sedentibus, et maioribus natu de populo meo. Si vis possidere iure propinquitatis: eme, et posside. Sin autem displicet tibi, hoc ipsum indica mihi, ut sciam quid facere debeam. nullus enim est propinquus, excepto te, qui prior es: et me, qui secundus sum. At ille respondit: Ego agrum emam.
Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’ izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ ny loholona amin’ ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
5 Cui dixit Booz: Quando emeris agrum de manu mulieris, Ruth quoque Moabitidem, quae uxor defuncti fuit, debes accipere: ut suscites nomen propinqui tui in hereditate sua.
Dia hoy Boaza: Amin’ izay andro ividiananao ny tany amin’ ny tànan’ i Naomy, dia amin’ i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany ianao.
6 Qui respondit: Cedo iuri propinquitatis: neque enim posteritatem familiae meae delere debeo. tu meo utere privilegio, quo me libenter carere profiteor.
Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an’ ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
7 Hic autem erat mos antiquitus in Israel inter propinquos, ut si quando alter alteri suo iuri cedebat: ut esset firma concessio, solvebat homo calceamentum suum, et dabat proximo suo. hoc erat testimonium cessionis in Israel.
Ary ny amin’ ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin’ ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin’ ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an’ ny namany; dia vavolombelona teo amin’ ny Isiraely izany.
8 Dixit ergo propinquo suo Booz: Tolle calceamentum tuum. Quod statim solvit de pede suo.
Ary hoy ilay havana mahavotra tamin’ i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
9 At ille maioribus natu, et universo populo, Testes vos, inquit, estis hodie, quod possederim omnis quae fuerunt Elimelech; et Chelion, et Mahalon, tradente Noemi:
Ary hoy Boaza tamin’ ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin’ ny tànan’ i Naomy izay rehetra an’ i Elimeleka sy izay rehetra an’ i Kiliona sy Malona.
10 et Ruth Moabitidem, uxorem Mahalon, in coniugium sumpserim, ut suscitem nomen defuncti in hereditate sua, ne vocabulum eius de familia sua ac fratribus et populo deleatur. Vos, inquam, huius rei testes estis.
Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran’ ny maty eo amin’ ny rahalahiny sy eo amin’ ny vavahadin’ ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
11 Respondit omnis populus, qui erat in porta, et maiores natu: Nos testes sumus: faciat Dominus hanc mulierem, quae ingreditur domum tuam, sicut Rachel, et Liam, quae aedificaverunt domum Israel: ut sit exemplum virtutis in Ephratha, et habeat celebre nomen in Bethlehem:
Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Rahely sy tahaka an’ i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
12 fiatque domus tua, sicut domus Phares, quem Thamar peperit Iudae, de semine quod tibi dederit Dominus ex hac puella.
ary ho tahaka ny taranak’ i Fareza, izay naterak’ i Tamara tamin’ i Joda, anie ny taranakao avy amin’ ny zanaka izay homen’ i Jehovah anao amin’ ity vehivavy ity.
13 Tulit itaque Booz Ruth, et accepit uxorem: ingressusque est ad eam, et dedit illi Dominus ut conciperet, et pareret filium.
Ary Boaza dia nampakatra an’ i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan’ anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
14 Dixeruntque mulieres ad Noemi: Benedictus Dominus, qui non est passus ut deficeret successor familiae tuae, et vocaretur nomen eius in Israel.
Ary hoy ireo vehivavy tamin’ i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin’ ny Isiraely.
15 Et habeas qui consoletur animam tuam, et enutriat senectutem. de nuru enim tua natus est, qui te diliget: et multo tibi melior est, quam si septem haberes filios.
Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
16 Susceptumque Noemi puerum posuit in sinu suo, et nutricis ac gerulae fungebatur officio.
Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
17 Vicinae autem mulieris congratulantes ei, et dicentes: Natus est filius Noemi: vocaverunt nomen eius Obed: hic est pater Isai, patris David.
Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’ i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’ i Jese, rain’ i Davida.
18 Hae sunt generationes Phares: Phares genuit Esron,
Ary izao no taranak’ i Fareza: Fareza niteraka an’ i Hezrona;
19 Esron genuit Aram, Aram genuit Aminadab,
ary Hezrona niteraka an’ i Rama; ary Rama niteraka an’ i Aminadaba;
20 Aminadab genuit Nahasson, Nahasson genuit Salmon,
ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
21 Salmon genuit Booz, Booz genuit Obed,
ary Salmona niteraka an’ i Boaza; ary Boaza niteraka an’ i Obeda;
22 Obed genuit Isai, Isai genuit David.
ary Obeda niteraka an’ i Jese; ary Jese niteraka an’ i Davida.

< Ruth 4 >