< Romanos 7 >

1 An ignoratis fratres (scientibus enim legem loquor) quia lex in homine dominatur quanto tempore vivit?
Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin’ izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
2 Nam quae sub viro est mulier, vivente viro, alligata est legi: si autem mortuus fuerit vir eius, soluta est a lege viri.
Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ ny lalàna ho an’ ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ ny lalàn’ ny lahy izy.
3 Igitur, vivente viro, vocabitur adultera si fuerit cum alio viro: si autem mortuus fuerit vir eius, liberata est a lege viri: ut non sit adultera si fuerit cum alio viro.
Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
4 Itaque fratres mei et vos mortificati estis legi per corpus Christi: ut sitis alterius, qui ex mortuis resurrexit, ut fructificetis Deo.
Ary amin’ izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ ny lalàna noho ny tenan’ i Kristy, mba ho vadin’ ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ ny maty, mba hahavokarantsika ho an’ Andriamanitra.
5 Cum enim essemus in carne, passiones peccatorum, quae per legem erant, operabantur in membris nostris, ut fructificarent morti.
Fa fony tao amin’ ny nofo isika, dia ny filan’ ny ota, izay nohetsehin’ ny lalàna, no niasa tao amin’ ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin’ ny fahafatesana.
6 nunc autem soluti sumus a lege mortis, in qua detinebamur, ita ut serviamus in novitate spiritus, et non in vetustate litterae.
Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ ny lalàna isika, satria maty ny amin’ izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ ny hahelan-tsoratra.
7 Quid ergo dicemus? lex peccatum est? Absit. Sed peccatum non cognovi, nisi per legem: nam concupiscentiam nesciebam, nisi lex diceret: Non concupisces.
Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra.
8 Occasione autem accepta, peccatum per mandatum operatum est in me omnem concupiscentiam. Sine lege enim peccatum mortuum erat.
Fa io didy io dia nentin’ ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
9 Ego autem vivebam sine lege aliquando. Sed cum venisset mandatum, peccatum revixit.
Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
10 Ego autem mortuus sum: et inventum est mihi mandatum, quod erat ad vitam, hoc esse ad mortem.
Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
11 Nam peccatum occasione accepta per mandatum, seduxit me, et per illud occidit.
Fa io didy io dia nentin’ ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
12 Itaque lex quidem sancta, et mandatum sanctum, et iustum, et bonum.
Ka dia masìna tokoa ny lalàna, ary masìna ny didy sady marina no tsara.
13 Quod ergo bonum est, mihi factum est mors? Absit. Sed peccatum, ut appareat peccatum, per bonum operatum est mihi mortem: ut fiat supra modum peccans peccatum per mandatum.
Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon’ ny lalàna.
14 Scimus enim quia lex spiritualis est: ego autem carnalis sum venundatus sub peccato.
Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ ny ota.
15 Quod enim operor, non intelligo. non enim quod volo bonum, hoc ago: sed quod odi malum, illud facio.
Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
16 Si autem quod nolo, illud facio: consentio legi, quoniam bona est.
Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
17 Nunc autem iam non ego operor illud, sed quod habitat in me peccatum.
Ary amin’ izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
18 Scio enim quia non habitat in me, hoc est in carne mea, bonum. Nam velle, adiacet mihi: perficere autem bonum, non invenio.
Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
19 Non enim quod volo bonum, hoc ago: sed quod odi malum, illud facio.
Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
20 Si autem quod nolo, illud facio: iam non ego operor illud, sed quod habitat in me, peccatum.
Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
21 Invenio igitur legem, volenti mihi facere bonum, quoniam mihi malum adiacet:
Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.
22 condelector enim legi Dei secundum interiorem hominem:
Fa mankasitraka ny lalàn’ Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
23 video autem aliam legem in membris meis, repugnantem legi mentis meae, et captivantem me in lege peccati, quae est in membris meis.
nefa mahita lalàna hafa amin’ ny momba ny tenako aho, miady amin’ ny lalàn’ ny saiko ka mamabo ahy ho an’ ny lalàn’ ny ota izay ao amin’ ny momba ny tenako.
24 Infelix ego homo, quis me liberabit de corpore mortis huius?
Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity?
25 Gratia Dei per Iesum Christum Dominum nostrum. Igitur ego ipse mente servio legi Dei: carne autem, legi peccati.
Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn’ Andriamanitra aho amin’ ny saiko, fa ny lalàn’ ny ota kosa amin’ ny nofoko.

< Romanos 7 >