< Job 36 >
1 Addens quoque Eliu, haec locutus est:
Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Sustine me paululum, et indicabo tibi: adhuc enim habeo quod pro Deo loquar.
Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’ Andriamanitra.
3 Repetam scientiam meam a principio, et operatorem meum probabo iustum.
Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
4 Vere enim absque mendacio sermones mei, et perfecta scientia probabitur tibi.
Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ ny fahalalana no eto aminao.
5 Deus potentes non abiicit, cum et ipse sit potens.
Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ ny herin’ ny fahalalana Izy.
6 Sed non salvat impios, et iudicium pauperibus tribuit.
Tsy mitsimbina ny ain’ ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ ny ory.
7 Non auferet a iusto oculos suos, et reges in solio collocat in perpetuum, et illic eriguntur.
Tsy mampiala ny masony amin’ ny marina Izy; Eo amin’ ny mpanjaka ambonin’ ny seza fiandrianany no am-pitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
8 Et si fuerint in catenis, et vinciantur funibus paupertatis.
Ary raha voafatotra amin’ ny gadra izy sy voafehy amin’ ny tadin’ ny fahoriana.
9 Indicabit eis opera eorum, et scelera eorum, quia violenti fuerunt.
Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
10 Revelabit quoque aurem eorum, ut corripiat: et loquetur, ut revertantur ab iniquitate.
Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ ny ratsy.
11 Si audierint et observaverint, complebunt dies suos in bono, et annos suos in gloria:
Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ ny fahafinaretana
12 Si autem non audierint, transibunt per gladium, et consumentur in stultitia.
Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
13 Simulatores et callidi provocant iram Dei, neque clamabunt cum vincti fuerint.
Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza;
14 Morietur in tempestate anima eorum, et vita eorum inter effeminatos.
Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ ny olom-betaveta,
15 Eripiet de angustia sua pauperem, et revelabit in tribulatione aurem eius.
Fa ny fahorian’ ny ory kosa no entin’ Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
16 Igitur salvabit te de ore angusto latissime, et non habente fundamentum subter se: requies autem mensae tuae erit plena pinguedine.
Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ ny fahaterena ho amin’ ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ ny latabatrao.
17 Causa tua quasi impii iudicata est, causam iudiciumque recipies.
Nefa raha fatra-pikikitra amin’ ny adin’ ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;
18 Non te ergo superet ira, ut aliquem opprimas: nec multitudo donorum inclinet te.
Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben’ ny avotra.
19 Depone magnitudinem tuam absque tribulatione, et omnes robustos fortitudine.
Moa hahatonga anao ho ao amin’ izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
20 Ne protrahas noctem, ut ascendant populi pro eis.
Aza irinao ny hihavian’ ny alina, izay ampialana ny olona amin’ ny fitoerany.
21 Cave ne declines ad iniquitatem: hanc enim coepisti sequi post miseriam.
Tandremo, aza mivily ho amin’ ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
22 Ecce, Deus excelsus in fortitudine sua, et nullus ei similis in legislatoribus.
Indro, Andriamanitra miasa amin’ ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
23 Quis poterit scrutari vias eius? aut quis potest ei dicere: Operatus es iniquitatem?
Iza no efa nandidy Azy ny amin’ izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
24 Memento quod ignores opus eius, de quo cecinerunt viri.
Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon’ ny olona an-kira.
25 Omnes homines vident eum, unusquisque intuetur procul.
Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren’ ny zanak’ olombelona eny lavitra eny izany.
26 Ecce, Deus magnus vincens scientiam nostram: numerus annorum eius inaestimabilis.
Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
27 Qui aufert stillas pluviae, et effundit imbres ad instar gurgitum.
Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
28 Qui de nubibus fluunt, quae praetexunt cuncta desuper.
Izay aidin’ ny rahona ka alatsany amin’ ny olona maro be.
29 Si voluerit extendere nubes quasi tentorium suum.
Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
30 Et fulgurare lumine suo desuper, cardines quoque maris operiet.
Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ ny ranomasina ho firakofany.
31 Per haec enim iudicat populos, et dat escas multis mortalibus.
Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
32 In manibus abscondit lucem, et praecepit ei ut rursus adveniat.
Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;
33 Annunciat de ea amico suo, quod possessio eius sit, ut ad eam possit ascendere.
Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ ondry koa aza milaza ny hihaviany.