< Galatas 5 >

1 State, et nolite iterum iugo servitutis contineri.
Ho amin’ ny fahafahana no nanafahan’ i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ ny zioga fanandevozana intsony.
2 Ecce ego Paulus dico vobis: quoniam si circumcidamini, Christus vobis nihil proderit.
Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
3 Testificor autem rursus omni homini circumcidenti se, quoniam debitor est universae legis faciendae.
Ary lazaiko marina indray amin’ ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
4 Evacuati estis a Christo, qui in lege iustificamini: a gratia excidistis.
Dia tafasaraka amin’ i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ ny lalàna; efa lavo niala tamin’ ny fahasoavana ianareo.
5 Nos enim spiritu ex fide, spem iustitiae expectamus.
Fa izahay amin’ ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana.
6 Nam in Christo Iesu neque circumcisio aliquid valet, neque praeputium: sed fides, quae per charitatem operatur.
Fa ao amin’ i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana.
7 Currebatis bene: quis vos impedivit veritati non obedire? nemini consenseritis.
Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
8 Persuasio haec non est ex eo, qui vocat vos.
Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin’ ilay miantso anareo.
9 Modicum fermentum totam massam corrumpit.
Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
10 Ego confido in vobis in Domino, quod nihil aliud sapietis: qui autem conturbat vos, portabit iudicium, quicumque est ille.
Izaho matoky anareo ao amin’ ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan’ ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
11 Ego autem, fratres, si circumcisionem adhuc praedico: quid adhuc persecutionem patior? Ergo evacuatum est scandalum crucis.
Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
12 Utinam et abscindantur qui vos conturbant.
Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo.
13 Vos enim in libertatem vocati estis fratres: tantum ne libertatem in occasionem detis carnis, sed per charitatem Spiritus servite invicem.
Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana.
14 Omnis enim lex in uno sermone impletur: Diliges proximum tuum sicut teipsum.
Fa tanteraka amin’ ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
15 Quod si invicem mordetis, et comeditis: videte ne ab invicem consumamini.
Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
16 Dico autem in Christo: Spiritu ambulate, et desideria carnis non perficietis.
Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo ianareo.
17 Caro enim concupiscit adversus spiritum: spiritus autem adversus carnem: haec enim sibi invicem adversantur: ut non quaecumque vultis, illa faciatis.
Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
18 Quod si Spiritu ducimini, non estis sub lege.
Fa raha tarihin’ ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ ny lalàna.
19 Manifesta sunt autem opera carnis: quae sunt fornicatio, immunditia, impudicitia, luxuria,
Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20 idolorum servitus, veneficia, inimicitiae, contentiones, aemulationes, irae, rixae, dissensiones, sectae,
fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21 invidiae, homicidia, ebrietates, comessationes, et his similia, quae praedico vobis, sicut praedixi: quoniam qui talia agunt, regnum Dei non consequentur.
fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra.
22 Fructus autem Spiritus est: charitas, gaudium, pax, patientia, benignitas, bonitas, longanimitas,
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23 mansuetudo, fides, modestia, continentia, castitas. Adversus huiusmodi non est lex.
fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
24 Qui autem sunt Christi, carnem suam crucifixerunt cum vitiis, et concupiscentiis.
Fa izay an’ Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filany tamin’ ny hazo fijaliana.
25 Si spiritu vivimus, spiritu et ambulemus.
Raha velon’ ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
26 Non efficiamur inanis gloriae cupidi, invicem provocantes, invicem invidentes.
Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.

< Galatas 5 >