< Ii Paralipomenon 8 >

1 Expletis autem viginti annis postquam aedificavit Salomon domum Domini et domum suam:
Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan’ i Solomona ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny tenany,
2 civitates, quas dederat Hiram Salomoni, aedificavit, et habitare ibi fecit filios Israel.
dia namboariny ny tanàna izay nomen’ i Hirama azy ka namponenany ny Zanak’ isiraely.
3 Abiit quoque in Emath Suba, et obtinuit eam.
Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
4 Et aedificavit Palmiram in deserto, et alias civitates munitissimas aedificavit in Emath.
Ary nanorina an’ i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
5 Extruxitque Bethoron superiorem, et Bethoron inferiorem, civitates muratas habentes portas et vectes et seras:
Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
6 Balaath etiam et omnes urbes firmissimas, quae fuerunt Salomonis, cunctasque urbes quadrigarum, et urbes equitum. omnia quaecumque voluit Salomon atque disposuit, aedificavit in Ierusalem et in Libano, et in universa terra potestatis suae.
ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an’ i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
7 Omnem populum, qui derelictus fuerat de Hethaeis, et Amorrhaeis, et Pherezaeis, et Hevaeis, et Iebusaeis, qui non erant de stirpe Israel,
Ary ny amin’ ny olona sisa rehetra tamin’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ ny Isiraely
8 de filiis eorum: et de posteris, quos non interfecerant filii Israel, subiugavit Salomon in tributarios, usque in diem hanc.
dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny taniny, fa tsy naringan’ ny Isiraely, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
9 Porro de filiis Israel non posuit ut servirent operibus regis: ipsi enim erant viri bellatores, et duces primi, et principes quadrigarum et equitum eius.
Fa ny Zanak’ isiraely dia tsy mba nampanaovin’ i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin’ ny mpanafika malaza ary komandin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
10 Omnes autem principes exercitus regis Salomonis fuerunt ducenti quinquaginta, qui erudiebant populum.
Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin’ i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
11 Filiam vero Pharaonis transtulit de Civitate David in domum, quam aedificaverat ei. Dixit enim rex: Non habitabit uxor mea in domo David regis Israel, eo quod sanctificata sit: quia ingressa est in eam arca Domini.
Ary Solomona nitondra ny zanakavavin’ i Farao niakatra avy tany an-Tanànan’ i Davida ho ao amin’ ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, fa masìna izay efa nidiran’ ny fiaran’ i Jehovah.
12 Tunc obtulit Salomon holocausta Domino super altare Domini, quod extruxerat ante porticum,
Ary tamin’ izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah, izay naoriny teo anoloan’ ny lavarangana fidirana;
13 ut per singulos dies offerretur in eo iuxta praeceptum Moysi in sabbatis et in calendis, et in festis diebus, ter per annum, id est, in sollemnitate azymorum, et in sollemnitatem hebdomadarum, et in sollemnitate tabernaculorum.
eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin’ i Mosesy dia tamin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo.
14 Et constituit iuxta dispositionem David patris sui officia Sacerdotum in ministeriis suis: et Levitas in ordine suo, ut laudarent, et ministrarent coram Sacerdotibus iuxta ritum uniuscuiusque diei: et ianitores in divisionibus suis per portam et portam: sic enim praeceperat David homo Dei.
Ary notendreny koa ny antokon’ ny mpisorona araka ny nandaharan’ i Davida rainy azy ho amin’ ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan’ andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’ i Davida lehilahin’ Andriamanitra, azy.
15 Nec praetergressi sunt de mandatis regis tam Sacerdotes, quam Levitae ex omnibus, quae praeceperat, etiam in custodiis thesaurorum.
Ary tsy nialan’ ireo ny didin’ ny mpanjaka tamin’ ny mpisorona sy ny Levita na amin’ inona na amin’ inona, indrindra fa ny amin’ ny rakitra.
16 Omnes impensas praeparatas habuit Salomon ex eo die, quo fundavit domum Domini usque in diem, quo perfecit eam.
Toy izany no nanamboaran’ i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ ny andro nanorenany ny tranon’ i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon’ i Jehovah.
17 Tunc abiit Salomon in Asiongaber, et in Ailath ad oram Maris rubri, quae est in Terra Edom.
Ary tamin’ izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron’ ny ranomasina any amin’ ny tany Edoma,
18 Misit autem ei Hiram per manus servorum suorum naves, et nautas gnaros maris, et abierunt cum servis Salomonis in Ophir, tuleruntque inde quadringenta quinquaginta talenta auri, et attulerunt ad regem Salomonem.
ary ny mpanompon’ i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin’ ny mpanompon’ i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin’ i Solomona mpanjaka izany.

< Ii Paralipomenon 8 >