< Deuteronomii 21 >

1 Quando inventum fuerit in terra, quam Dominus Deus tuus daturus est tibi, hominis cadaver occisi, et ignorabitur cædis reus,
Raha tahìny misy maty novonoin’ olona hita miampatra any an-tsaha amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
2 egredientur majores natu, et judices tui, et metientur a loco cadaveris singularum per circuitum spatia civitatum:
dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin’ ny faty ka hatramin’ izay tanàna manodidina azy.
3 et quam viciniorem ceteris esse perspexerint, seniores civitatis illius tollent vitulam de armento, quæ non traxit jugum, nec terram scidit vomere,
Ary ny loholona amin’ ny tanàna izay akaikin’ ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany.
4 et ducent eam ad vallem asperam atque saxosam, quæ numquam arata est, nec sementem recepit: et cædent in ea cervices vitulæ:
Ary ilay ombivavy kely dia ho entin’ ny loholona amin’ izany tanàna izany midìna any amin’ izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
5 accedentque sacerdotes filii Levi, quos elegerit Dominus Deus tuus ut ministrent ei, et benedicant in nomine ejus, et ad verbum eorum omne negotium, et quidquid mundum, vel immundum est, judicetur.
Ary ireo mpisorona, taranak’ i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anaran’ i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;
6 Et venient majores natu civitatis illius ad interfectum, lavabuntque manus suas super vitulam, quæ in valle percussa est,
ary ny loholona rehetra amin’ izany tanàna akaikin’ ny faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin’ ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony;
7 et dicent: Manus nostræ non effuderunt sanguinem hunc, nec oculi viderunt:
dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay.
8 propitius esto populo tuo Israël, quem redemisti, Domine, et ne reputes sanguinem innocentem in medio populi tui Israël. Et auferetur ab eis reatus sanguinis:
Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin’ izany rà izany izy.
9 tu autem alienus eris ab innocentis cruore, qui fusus est, cum feceris quod præcepit Dominus.
Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ianao.
10 Si egressus fueris ad pugnam contra inimicos tuos, et tradiderit eos Dominus Deus tuus in manu tua, captivosque duxeris,
Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,
11 et videris in numero captivorum mulierem pulchram, et adamaveris eam, voluerisque habere uxorem,
ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin’ ny babo ka tianao hovadina,
12 introduces eam in domum tuam: quæ radet cæsariem, et circumcidet ungues,
dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony,
13 et deponet vestem, in qua capta est: sedensque in domo tua, flebit patrem et matrem suam uno mense: et postea intrabis ad eam, dormiesque cum illa, et erit uxor tua.
ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin’ ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy.
14 Si autem postea non sederit animo tuo, dimittes eam liberam, nec vendere poteris pecunia, nec opprimere per potentiam: quia humiliasti eam.
Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
15 Si habuerit homo uxores duas, unam dilectam, et alteram odiosam, genuerintque ex eo liberos, et fuerit filius odiosæ primogenitus,
Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak’ ilay tsy tiany no lahimatoa:
16 volueritque substantiam inter filios suos dividere, non poterit filium dilectæ facere primogenitum, et præferre filio odiosæ:
amin’ ny andro handidiany fananana ho an’ ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany;
17 sed filium odiosæ agnoscet primogenitum, dabitque ei de his quæ habuerit cuncta duplicia: iste est enim principium liberorum ejus, et huic debentur primogenita.
fa ny lahimatoa, zanak’ ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin’ izay rehetra ananany; fa voalohan’ ainy izy, ka azy ny fizokiana.
18 Si genuerit homo filium contumacem et protervum, qui non audiat patris aut matris imperium, et coërcitus obedire contempserit:
Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon’ ny rainy, na ny feon’ ny reniny, ka tsy zakany anarina,
19 apprehendent eum, et ducent ad seniores civitatis illius, et ad portam judicii,
dia hosamborin’ ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin’ ny loholona amin’ ny tanànany, eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna onenany,
20 dicentque ad eos: Filius noster iste protervus et contumax est: monita nostra audire contemnit, comessationibus vacat, et luxuriæ atque conviviis:
dia hiteny amin’ ny loholona amin’ ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
21 lapidibus eum obruet populus civitatis, et morietur, ut auferatis malum de medio vestri, et universus Israël audiens pertimescat.
Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
22 Quando peccaverit homo quod morte plectendum est, et adjudicatus morti appensus fuerit in patibulo:
Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin’ ny hazo.
23 non permanebit cadaver ejus in ligno, sed in eadem die sepelietur: quia maledictus a Deo est qui pendet in ligno: et nequaquam contaminabis terram tuam, quam Dominus Deus tuus dederit tibi in possessionem.
dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’ iny ihany izy (fa voaozon’ Andriamanitra ny mihantona amin’ ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.

< Deuteronomii 21 >