< Romanos 10 >

1 Fratres, voluntas quidem cordis mei, et obsecratio ad Deum, fit pro illis in salutem.
Ry rahalahy, ny irin’ ny foko sy ny angatahiko amin’ Andriamanitra ho an’ ireny dia famonjena.
2 Testimonium enim perhibeo illis quod æmulationem Dei habent, sed non secundum scientiam.
Fa vavolombelon’ ireny aho fa mazoto ho an’ Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
3 Ignorantes enim iustitiam Dei, et suam quærentes statuere, iustitiæ Dei non sunt subiecti.
Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra.
4 Finis enim legis, Christus, ad iustitiam omni credenti.
Fa Kristy no faran’ ny lalàna ho fahamarinana ho an’ izay rehetra mino.
5 Moyses enim scripsit, quoniam iustitiam, quæ ex lege est, qui fecerit homo, vivet in ea.
Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna no ho velona amin’ izany.
6 Quæ autem ex fide est iustitia, sic dicit: Ne dixeris in corde tuo: quis ascendet in cælum? id est, Christum deducere:
Fa ny fahamarinana izay avy amin’ ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an’ i Kristy izany, )
7 aut quis descendet in abyssum? hoc est, Christum a mortuis revocare. (Abyssos g12)
na: Iza no hidina any amin’ ny lalina? (dia ny hampiakatra an’ i Kristy avy any amin’ ny maty izany.) (Abyssos g12)
8 Sed quid dicit Scriptura? Prope est verbum in ore tuo, et in corde tuo: hoc est verbum fidei, quod prædicamus.
Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin’ ny finoana, izay torinay;
9 Quia si confitearis in ore tuo Dominum Iesum, et in corde tuo credideris quod Deus illum suscitavit a mortuis, salvus eris.
satria raha manaiky an’ i Jesosy ho Tompo amin’ ny vavanao ianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena ianao.
10 Corde enim creditur ad iustitiam: ore autem confessio fit ad salutem.
Fa amin’ ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ ny vava no anekena hahazoana famonjena.
11 Dicit enim Scriptura: Omnis, qui credit in illum, non confundetur.
Fa hoy ny Soratra Masìna: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.
12 Non enim est distinctio Iudæi, et Græci: nam idem Dominus omnium, dives in omnes, qui invocant illum.
Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’ izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.
13 Omnis enim, quicumque invocaverit nomen Domini, salvus erit.
Fa izay rehetra miantso ny anaran’ ny Tompo no hovonjena.
14 Quomodo ergo invocabunt, in quem non crediderunt? Aut quomodo credent ei, quem non audierunt? Quomodo autem audient sine prædicante?
Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
15 Quomodo vero prædicabunt nisi mittantur? sicut scriptum est: Quam speciosi pedes evangelizantium pacem, evangelizantium bona!
Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly!
16 Sed non omnes obediunt Evangelio. Isaias enim dicit: Domine quis credidit auditui nostro?
Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?
17 Ergo fides ex auditu, auditus autem per verbum Christi.
Koa ny finoana dia avy amin’ ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ ny tenin’ i Kristy.
18 Sed dico: Numquid non audierunt? Et quidem in omnem terram exivit sonus eorum, et in fines orbis terræ verba eorum.
Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin’ ny faran’ izao rehetra izao.
19 Sed dico: Numquid Israel non cognovit? Primus Moyses dicit: Ego ad æmulationem vos adducam in non gentem: in gentem insipientem, in iram vos mittam.
Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin’ izay tsy firenena, Dia amin’ ny firenena adala no hampahasosorako anareo.
20 Isaias autem audet, et dicit: Inventus sum a non quærentibus me: palam apparui iis, qui me non interrogabant.
Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan’ izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin’ izay tsy nanontany Ahy.
21 Ad Israel autem dicit: Tota die expandi manus meas ad populum non credentem, et contradicentem.
Fa ny amin’ ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin’ izay firenena sady tsy manaraka no mandà.

< Romanos 10 >