< Psalmorum 108 >
1 Canticum Psalmi ipsi David. Paratum cor meum Deus, paratum cor meum: cantabo, et psallam in gloria mea.
Tonon-kira. Salamo nataon’ i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.
2 Exurge gloria mea, exurge psalterium, et cithara: exurgam diluculo.
Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
3 Confitebor tibi in populis Domine: et psallam tibi in nationibus.
Hidera Anao eny amin’ ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin’ ny jentilisa.
4 Quia magna est super cælos misericordia tua: et usque ad nubes veritas tua:
Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
5 Exaltare super cælos Deus, et super omnem terram gloria tua:
Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
6 ut liberentur dilecti tui. Salvum fac dextera tua, et exaudi me:
Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.
7 Deus locutus est in sancto suo: Exultabo, et dividam Sichimam, et convallem tabernaculorum dimetiar.
Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema, Ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;
8 Meus est Galaad, et meus est Manasses: et Ephraim susceptio capitis mei. Iuda rex meus:
Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron’ ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
9 Moab lebes spei meæ. In Idumæam extendam calceamentum meum: mihi alienigenæ amici facti sunt.
Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin’ i Filistia ho hihobiako.
10 Quis deducet me in civitatem munitam? quis deducet me usque in Idumæam?
Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
11 Nonne tu Deus, qui repulisti nos, et non exibis Deus in virtutibus nostris?
Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
12 Da nobis auxilium de tribulatione: quia vana salus hominis.
Vonjeo amin’ ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.
13 In Deo faciemus virtutem: et ipse ad nihilum deducet inimicos nostros.
Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.