< Actuum Apostolorum 25 >

1 Festus ergo cum venisset in provinciam, post triduum ascendit Ierosolymam a Cæsarea.
Ary Festosy, nony tonga teo amin’ ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana.
2 Adieruntque eum principes sacerdotum, et primi Iudæorum adversus Paulum: et rogabant eum,
Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin’ ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an’ i Paoly sady niangavy taminy
3 postulantes gratiam adversus eum, ut iuberet perduci eum in Ierusalem, insidias tendentes ut interficerent eum in via.
ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy.
4 Festus autem respondit servari Paulum in Cæsarea: se autem maturius profecturum.
Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana.
5 Qui ergo in vobis (ait) potentes sunt, descendentes simul, si quod est in viro crimen, accusent eum.
Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midìna amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy.
6 Demoratus autem inter eos dies non amplius quam octo, aut decem, descendit Cæsaream, et altera die sedit pro tribunali, et iussit Paulum adduci.
Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly.
7 Qui cum perductus esset, circumsteterunt eum, qui ab Ierosolyma descenderant Iudæi, multas, et graves causas obiicientes, quas non poterant probare.
Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;
8 Paulo rationem reddente: Quoniam neque in legem Iudæorum, neque in templum, neque in Cæsarem quidquam peccavi.
fa Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin’ ny lalàn’ ny Jiosy, na tamin’ ny tempoly, na tamin’ i Kaisara.
9 Festus autem volens gratiam præstare Iudæis, respondens Paulo, dixit: Vis Ierosolymam ascendere, et ibi de his iudicari apud me?
Nefa Festosy ta-hahazo sitraka tamin’ ny Jiosy, dia namaly an’ i Paoly ka nanao hoe: Tianao va hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin’ izany zavatra izany?
10 Dixit autem Paulus: Ad tribunal Cæsaris sto, ibi me oportet iudicari: Iudæis non nocui, sicut tu melius nosti.
Fa hoy Paoly: Eto amin’ ny fitsaran’ i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na ianao aza dia mahafantatra izany marina.
11 Si enim nocui, aut dignum morte aliquid feci, non recuso mori: si vero nihil est eorum, quæ hi accusant me, nemo potest me illis donare. Cæsarem appello.
Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan’ ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin’ ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan’ i Kaisara aho.
12 Tunc Festus cum concilio locutus, respondit: Cæsarem appellasti, ad Cæsarem ibis.
Ary rehefa niresaka tamin’ ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan’ i Kaisara ianao, ka dia ho any amin’ i Kaisara ihany ianao.
13 Et cum dies aliquot transacti essent: Agrippa rex, et Bernice descenderunt Cæsaream ad salutandum Festum.
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an’ i Festosy.
14 Et cum dies plures ibi demorarentur, Festus regi indicavit de Paulo, dicens: Vir quidam est derelictus a Felice vinctus,
Ary rehefa nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran’ i Festosy tamin’ ny mpanjaka ny amin’ i Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan’ i Feliksa,
15 de quo cum essem Ierosolymis, adierunt me principes sacerdotum, et seniores Iudæorum, postulantes adversus illum damnationem.
koa tamin’ izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon’ ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy.
16 Ad quos respondi: Quia non est Romanis consuetudo damnare aliquem hominem prius quam is, qui accusatur, præsentes habeat accusatores, locumque defendendi accipiat ad abluenda crimina.
Fa namaly azy kosa aho hoe: Tsy fanaon’ ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin’ izay niampangan’ ireo azy izy.
17 Cum ergo huc convenissent sine ulla dilatione, sequenti die sedens pro tribunali, iussi adduci virum.
Ary raha tonga tatỳ izy, dia tsy mba nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka teo amin’ ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy.
18 De quo, cum stetissent accusatores, nullam causam deferebant, de quibus ego suspicabar malum:
Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory,
19 Quæstiones vero quasdam de sua superstitione habebant adversus eum, et de quodam Iesu defuncto, quem affirmabat Paulus vivere.
fa nanana ady hevitra taminy ny amin’ ny fivavahany sy ny amin’ izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain’ i Paoly ho velona.
20 Hæsitans autem ego de huiusmodi quæstione, dicebam si vellet ire Ierosolymam, et ibi iudicari de istis.
Ary satria variana ny hevitro ny amin’ ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin’ izany zavatra izany, na tsia,
21 Paulo autem appellante ut servaretur ad Augusti cognitionem, iussi servari eum, donec mittam eum ad Cæsarem.
Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain’ ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin’ i Kaisara.
22 Agrippa autem dixit ad Festum: Volebam et ipse hominem audire. Cras, inquit, audies eum.
Dia hoy Agripa tamin’ i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia handre azy ihany ianao.
23 Altera autem die cum venisset Agrippa, et Bernice cum multa ambitione, et introissent in auditorium cum Tribunis, et viris principalibus civitatis, iubente Festo, adductus est Paulus.
Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin’ ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin’ ny trano fihaonana niaraka tamin’ ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin’ i Festosy.
24 Et dicit Festus: Agrippa rex, et omnes, qui simul adestis nobiscum viri, videtis hunc, de quo omnis multitudo Iudæorum interpellavit me Ierosolymis, petentes et acclamantes non oportere eum vivere amplius.
Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan’ ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio.
25 Ego vere comperi nihil dignum morte eum admisisse. Ipso autem hoc appellante ad Augustum, iudicavi mittere.
Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin’ ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho.
26 De quo quid certum scribam domino, non habeo. Propter quod produxi eum ad vos, et maxime ad te rex Agrippa, ut interrogatione facta habeam quid scribam.
Ny amin’ io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin’ ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.
27 Sine ratione enim mihi videtur mittere vinctum, et causas eius non significare.
Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.

< Actuum Apostolorum 25 >