< I Regum 4 >

1 Erat autem rex Salomon regnans super omnem Israel:
Ary nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.
2 et hi principes quos habebat: Azarias filius Sadoc sacerdotis:
Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak’ i Zadoka, no mpisorona;
3 Elihoreph, et Ahia filii Sisa scribæ: Iosaphat filius Ahilud a commentariis:
Elihorefa sy Ahia, zanak’ i Sisa, no mpanoratra; Josafata zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;
4 Banaias filius Ioiadæ super exercitum: Sadoc autem, et Abiathar sacerdotes.
ary Benaia, zanak’ i Joiada, no komandin’ ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
5 Azarias filius Nathan super eos qui assistebant regi: Zabud filius Nathan sacerdos, amicus regis:
ary Azaria, zanak’ i Natana, no lehiben’ ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak’ i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan’ ny mpanjaka,
6 et Ahisar præpositus domus: et Adoniram filius Abda super tributa.
ary Ahisara no lehiben’ ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak’ i Abda, no komandin’ ny mpanao fanompoana.
7 Habebat autem Salomon duodecim præfectos super omnem Israel, qui præbebant annonam regi et domui eius: per singulos enim menses in anno, singuli necessaria ministrabant.
Ary Solomona nanendry roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ ny herintaona izy.
8 Et hæc nomina eorum: Benhur, in monte Ephraim.
Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima;
9 Bendecar, in Macces, et in Salebim, et in Bethsames, et in Elon, et in Bethanan.
Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;
10 Benhesed in Aruboth: ipsius erat Socho, et omnis terra Epher.
Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;
11 Benabinadab, cuius omnis Nephath Dor, Tapheth filiam Salomonis habebat uxorem.
Ben’ abinadaba tao amin’ ny havoan’ i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin’ i Solomona, no vadiny);
12 Bana filius Ahilud regebat Thanac et Mageddo, et universam Bethsan, quæ est iuxta Sarthana subter Iezrael, a Bethsan usque Abelmehula e regione Iecmaan.
Bana, zanak’ i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan’ i Zaretana, ambanin’ i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr’ i Jokneama no azy.
13 Bengaber in Ramoth Galaad: habebat Avothiair filii Manasse in Galaad, ipse præerat in omni regione Argob, quæ est in Basan, sexaginta civitatibus magnis atque muratis, quæ habebant seras æreas.
Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an’ i Jaïra, zanak’ i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
14 Ahinadab filius Addo præerat in Manaim.
Ahinadaba, zanak’ Ido, tany Mahanaima;
15 Achimaas in Nephthali: sed et ipse habebat Basemath filiam Salomonis in coniugio.
Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an’ i Basemata, zanakavavin’ i Solomona;
16 Baana filius Husi, in Aser, et in Baloth.
Bana, zanak’ i Hosay, tany Asera sy Alota;
17 Iosaphat filius Pharue, in Issachar.
Josafata, zanak’ i Paroa, tany Isakara;
18 Semei filius Ela, in Beniamin.
Simey, zanak’ i Ela, tany Benjamina;
19 Gaber filius Uri, in terra Galaad, in terra Sehon regis Amorrhæi et Og regis Basan, super omnia quæ erant in illa terra.
Gabera, zanak’ i Ory, tany amin’ ny tany Gileada, tanin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, sy Oga, mpanjakan’ i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin’ izany tany izany.
20 Iuda et Israel innumerabiles, sicut arena maris in multitudine: comedentes, et bibentes, atque lætantes.
Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.
21 Salomon autem erat in ditione sua, habens omnia regna a flumine terræ Philisthiim usque ad terminum Ægypti: offerentium sibi munera, et servientium ei cunctis diebus vitæ eius.
Ary Solomona nanjaka tamin’ ny fanjakana rehetra hatramin’ ny Ony sy ny tanin’ ny Filistina ka hatramin’ ny sisin’ i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an’ i Solomona tamin’ ny andro rehetra niainany.
22 Erat autem cibus Salomonis per dies singulos triginta cori similæ, et sexaginta cori farinæ,
Ary ny fihinan’ i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
23 decem boves pingues, et viginti boves pascuales, et centum arietes, excepta venatione cervorum, caprearum, atque bubalorum, et avium altilium.
sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman’ osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
24 Ipse enim obtinebat omnem regionem, quæ erat trans flumen, a Thaphsa usque ad Gazan, et cunctos reges illarum regionum: et habebat pacem ex omni parte in circuitu.
Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin’ ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin’ ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin’ ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.
25 Habitabatque Iuda, et Israel absque timore ullo, unusquisque sub vite sua, et sub ficu sua, a Dan usque Bersabee cunctis diebus Salomonis.
Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
26 Et habebat Salomon quadraginta millia præsepia equorum currilium, et duodecim millia equestrium.
Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran’ ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
27 Nutriebantque eos supradicti regis præfecti: sed et necessaria mensæ regis Salomonis cum ingenti cura præbebant in tempore suo.
Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’ i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin’ ny: latabatr’ i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin’ ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
28 Hordeum quoque, et paleas equorum, et iumentorum deferebant in locum ubi erat rex, iuxta constitutum sibi.
Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an’ ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin’ ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
29 Dedit quoque Deus sapientiam Salomoni et prudentiam multam nimis, et latitudinem cordis quasi arenam, quæ est in littore maris.
Ary Andriamanitra nanome an’ i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
30 Et præcedebat sapientia Salomonis sapientiam omnium Orientalium et Ægyptiorum,
Ary ny fahendren’ i Solomona nihoatra noho ny fahendren’ ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren’ ny Egyptiana rehetra.
31 et erat sapientior cunctis hominibus: sapientior Ethan Ezrahita, et Heman, et Chalcol, et Dorda filiis Mahol: et erat nominatus in universis gentibus per circuitum.
Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak’ i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin’ ny firenena rehetra manodidina.
32 Locutus est quoque Salomon tria millia parabolas: et fuerunt carmina eius quinque et mille.
Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
33 Et disputavit super lignis a cedro, quæ est in Libano, usque ad hyssopum, quæ egreditur de pariete: et disseruit de iumentis, et volucribus, et reptilibus, et piscibus.
Ary nilaza ny amin’ ny hazo hatramin’ ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ ny hysopa izay maniry eny amin’ ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin’ ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
34 Et veniebant de cunctis populis ad audiendam sapientiam Salomonis, et ab universis regibus terræ, qui audiebant sapientiam eius.
Ary dia nisy tonga avy tany amin’ ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren’ i Solomona, dia avy amin’ ny mpanjakan’ ny tany rehetra izay efa nahare ny amin’ ny fahendreny.

< I Regum 4 >