< Iosue 3 >
1 Igitur Josue de nocte consurgens movit castra: egredientesque de Setim, venerunt ad Jordanem ipse et omnes filii Israël, et morati sunt ibi tres dies.
Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
2 Quibus evolutis transierunt præcones per castrorum medium,
Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy
3 et clamare cœperunt: Quando videritis arcam fœderis Domini Dei vestri, et sacerdotes stirpis Leviticæ portantes eam, vos quoque consurgite, et sequimini præcedentes:
ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin’ izay itoeranareo, ka manaraha azy
4 sitque inter vos et arcam spatium cubitorum duum millium: ut procul videre possitis, et nosse per quam viam ingrediamini: quia prius non ambulastis per eam: et cavete ne appropinquetis ad arcam.
(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
5 Dixitque Josue ad populum: Sanctificamini: cras enim faciet Dominus inter vos mirabilia.
Ary hoy Josoa tamin’ ny olona: Manamasìna ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.
6 Et ait ad sacerdotes: Tollite arcam fœderis, et præcedite populum. Qui jussa complentes, tulerunt, et ambulaverunt ante eos.
Ary niteny tamin’ ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran’ ny fanekena, ka mità eo anoloan’ ny olona. Dia nitondra ny fiaran’ ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan’ ny olona.
7 Dixitque Dominus ad Josue: Hodie incipiam exaltare te coram omni Israël: ut sciant quod sicut cum Moyse fui, ita et tecum sim.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason’ ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa.
8 Tu autem præcipe sacerdotibus, qui portant arcam fœderis, et dic eis: Cum ingressi fueritis partem aquæ Jordanis, state in ea.
Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin’ ny moron’ i Jordana ianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.
9 Dixitque Josue ad filios Israël: Accedite huc, et audite verbum Domini Dei vestri.
Ary Josoa nanao tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo.
10 Et rursum: In hoc, inquit, scietis quod Dominus Deus vivens in medio vestri est, et disperdet in conspectu vestro Chananæum et Hethæum, Hevæum et Pherezæum, Gergesæum quoque et Jebusæum, et Amorrhæum.
Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
11 Ecce arca fœderis Domini omnis terræ antecedet vos per Jordanem.
Indro, ny fiaran’ ny faneken’ ny Tompon’ ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;
12 Parate duodecim viros de tribubus Israël, singulos per singulas tribus.
koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny firenen’ Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;
13 Et cum posuerint vestigia pedum suorum sacerdotes qui portant arcam Domini Dei universæ terræ in aquis Jordanis, aquæ quæ inferiores sunt, decurrent atque deficient: quæ autem desuper veniunt, in una mole consistent.
ary raha vao mijanona eo amin’ ny rano Jordana ny faladian’ ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, Tompon’ ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midìna avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
14 Igitur egressus est populus de tabernaculis suis, ut transiret Jordanem: et sacerdotes, qui portabant arcam fœderis, pergebant ante eum.
Ary raha niala tamin’ ny lainy hita an’ i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran’ ny fanekena eo alohan’ ny olona,
15 Ingressisque eis Jordanem, et pedibus eorum in parte aquæ tinctis (Jordanis autem ripas alvei sui tempore messis impleverat),
ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin’ ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),
16 steterunt aquæ descendentes in loco uno, et ad instar montis intumescentes apparebant procul, ab urbe quæ vocatur Adom usque ad locum Sarthan: quæ autem inferiores erant, in mare Solitudinis (quod nunc vocatur Mortuum) descenderunt, usquequo omnino deficerent.
dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ ny tanàna Adama, izay eo anilan’ i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’ i Jeriko.
17 Populus autem incedebat contra Jericho: et sacerdotes qui portabant arcam fœderis Domini, stabant super siccam humum in medio Jordanis accincti, omnisque populus per arentem alveum transibat.
Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ ny tany maina teo afovoan’ i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ ny tany maina mandra-pahatafitan’ izy rehetra an’ i Jordana.