< Jeremiæ 12 >
1 [Justus quidem tu es, Domine, si disputem tecum: verumtamen justa loquar ad te: Quare via impiorum prosperatur; bene est omnibus qui prævaricantur et inique agunt?
Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan’ ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
2 Plantasti eos, et radicem miserunt: proficiunt, et faciunt fructum: prope es tu ori eorum, et longe a renibus eorum.
Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin’ ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin’ ny fony.
3 Et tu, Domine, nosti me, vidisti me, et probasti cor meum tecum. Congrega eos quasi gregem ad victimam, et sanctifica eos in die occisionis.
Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny ho amin’ ny andro hamonoana.
4 Usquequo lugebit terra, et herba omnis regionis siccabitur, propter malitiam habitantium in ea? Consumptum est animal, et volucre, quoniam dixerunt: Non videbit novissima nostra.
Mandra-pahoviana no hisaonan’ ny tany sy hahalazoan’ ny ahitra any amin’ ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
5 Si cum peditibus currens laborasti, quomodo contendere poteris cum equis? cum autem in terra pacis securus fueris, quid facies in superbia Jordanis?
Raha niara-nihazakazaka tamin’ ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin’ ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana?
6 Nam et fratres tui, et domus patris tui, etiam ipsi pugnaverunt adversum te, et clamaverunt post te plena voce: ne credas eis, cum locuti fuerint tibi bona.]
Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy.
7 [Reliqui domum meam; dimisi hæreditatem meam: dedi dilectam animam meam in manu inimicorum ejus.
Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; Ny sombin’ aiko dia natolotro ho eo an-tànan’ ny fahavalony.
8 Facta est mihi hæreditas mea quasi leo in silva: dedit contra me vocem, ideo odivi eam.
Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an’ ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.
9 Numquid avis discolor hæreditas mea mihi? numquid avis tincta per totum? Venite, congregamini, omnes bestiæ terræ: properate ad devorandum.
Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.
10 Pastores multi demoliti sunt vineam meam, conculcaverunt partem meam, dederunt portionem meam desiderabilem in desertum solitudinis.
Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra;
11 Posuerunt eam in dissipationem, luxitque super me: desolatione desolata est omnis terra, quia nullus est qui recogitet corde.
Nataony lao izany, eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy nisy nandatsaka am-po.
12 Super omnes vias deserti venerunt vastatores, quia gladius Domini devorabit: ab extremo terræ usque ad extremum ejus, non est pax universæ carni.
Ny mpandrava dia tonga any amin’ ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr’ i Jehovah mandringana amin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an’ ny nofo rehetra.
13 Seminaverunt triticum, et spinas messuerunt: hæreditatem acceperunt, et non eis proderit. Confundemini a fructibus vestris propter iram furoris Domini.
Vary no nafafiny, fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany; Dia hangaihay ny amin’ ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
14 Hæc dicit Dominus adversum omnes vicinos meos pessimos, qui tangunt hæreditatem quam distribui populo meo Israël: Ecce ego evellam eos de terra sua, et domum Juda evellam de medio eorum.
Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan’ ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin’ ny taniny ireo, ary ny taranak’ i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.
15 Et cum evulsero eos, convertar, et miserebor eorum, et reducam eos: virum ad hæreditatem suam, et virum in terram suam.
Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin’ ny lovany sy ny taniny avy indray izy.
16 Et erit: si eruditi didicerint vias populi mei, ut jurent in nomine meo: Vivit Dominus! sicut docuerunt populum meum jurare in Baal, ædificabuntur in medio populi mei.
Koa raha mba hianatra ny fanaon’ ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin’ ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran’ ireo ny oloko hianiana amin’ i Bala, dia haorina ao amin’ ny oloko izy;
17 Quod si non audierint, evellam gentem illam evulsione et perditione, ait Dominus.]
Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.