< I Samuelis 18 >

1 Et factum est cum complesset loqui ad Saul, anima Jonathæ conglutinata est animæ David, et dilexit eum Jonathas quasi animam suam.
Ary rehefa nitsahatra niteny tamin’ i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin’ i Davida ny fanahin’ i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
2 Tulitque eum Saul in die illa, et non concessit ei ut reverteretur in domum patris sui.
Ary Saoly nandray azy tamin’ izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin’ ny tranon-drainy intsony.
3 Inierunt autem David et Jonathas fœdus: diligebat enim eum quasi animam suam.
Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan’ i Jonatana azy toy ny tenany.
4 Nam expoliavit se Jonathas tunica qua erat indutus, et dedit eam David, et reliqua vestimenta sua, usque ad gladium et arcum suum, et usque ad balteum.
Ary nesorin’ i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an’ i Davida mbamin’ ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
5 Egrediebatur quoque David ad omnia quæcumque misisset eum Saul, et prudenter se agebat: posuitque eum Saul super viros belli, et acceptus erat in oculis universi populi, maximeque in conspectu famulorum Saul.
Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin’ izay rehetra nanirahan’ i Saoly azy; ka dia nataon’ i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon’ i Saoly koa.
6 Porro cum reverteretur percusso Philisthæo David, egressæ sunt mulieres de universis urbibus Israël, cantantes, chorosque ducentes in occursum Saul regis, in tympanis lætitiæ, et in sistris.
Ary nony tonga ny olona tamin’ ny niverenan’ i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin’ ny tanànan’ ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an’ i Saoly mpanjaka tamin’ ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
7 Et præcinebant mulieres, ludentes, atque dicentes: [Percussit Saul mille, et David decem millia.]
Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
8 Iratus est autem Saul nimis, et displicuit in oculis ejus sermo iste: dixitque: Dederunt David decem millia, et mihi mille dederunt: quid ei superest, nisi solum regnum?
Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an’ i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
9 Non rectis ergo oculis Saul aspiciebat David a die illa et deinceps.
Ary Saoly hatramin’ izany andro izany dia nangarika an’ i Davida.
10 Post diem autem alteram, invasit spiritus Dei malus Saul, et prophetabat in medio domus suæ: David autem psallebat manu sua, sicut per singulos dies. Tenebatque Saul lanceam,
Ary nony ampitson’ iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’ Andriamanitra nilatsaka tamin’ i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany tahaka ny fanaony isan’ andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan’ i Saoly.
11 et misit eam, putans quod configere posset David cum pariete: et declinavit David a facie ejus secundo.
Dia natorak’ i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’ i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin’ ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
12 Et timuit Saul David, eo quod Dominus esset cum eo, et a se recessisset.
Ary Saoly natahotra an’ i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
13 Amovit ergo eum Saul a se, et fecit eum tribunum super mille viros: et egrediebatur, et intrabat in conspectu populi.
Koa dia nesorin’ i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.
14 In omnibus quoque viis suis David prudenter agebat, et Dominus erat cum eo.
Ary Davida dia hita fa hendry tamin’ izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
15 Vidit itaque Saul quod prudens esset nimis, et cœpit cavere eum.
Ary nony hitan’ i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
16 Omnis autem Israël et Juda diligebat David: ipse enim ingrediebatur et egrediebatur ante eos.
Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an’ i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.
17 Dixitque Saul ad David: Ecce filia mea major Merob: ipsam dabo tibi uxorem: tantummodo esto vir fortis, et præliare bella Domini. Saul autem reputabat, dicens: Non sit manus mea in eum, sed sit super eum manus Philisthinorum.
Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin’ i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan’ ny Filistina no hamely azy.)
18 Ait autem David ad Saul: Quis ego sum, aut quæ est vita mea, aut cognatio patris mei in Israël, ut fiam gener regis?
Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin’ ny raiko ao amin’ ny Isiraely, no ho vinanton’ ny mpanjaka aho?
19 Factum est autem tempus cum deberet dari Merob filia Saul David, data est Hadrieli Molathitæ uxor.
Kanjo nony tamin’ ny andro tokony ho namoahana an’ i Meraba, zanakavavin’ i Saoly, ho vadin’ i Davida, dia nomena ho vadin’ i Adriela Meholatita izy.
20 Dilexit autem David Michol filia Saul altera. Et nuntiatum est Saul, et placuit ei.
Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly kosa tia an’ i Davida; ary nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, ka sitrak’ i Saoly izany.
21 Dixitque Saul: Dabo eam illi, ut fiat ei in scandalum, et sit super eum manus Philisthinorum. Dixitque Saul ad David: In duabus rebus gener meus eris hodie.
(Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ ny tanan’ ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin’ i Davida: Fanindroan’ ny maha-vinantoko anao izao.
22 Et mandavit Saul servis suis: Loquimini ad David clam me, dicentes: Ecce places regi, et omnes servi ejus diligunt te: nunc ergo esto gener regis.
Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin’ i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian’ ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton’ ny mpanjaka ianao.
23 Et locuti sunt servi Saul in auribus David omnia verba hæc. Et ait David: Num parum videtur vobis, generum esse regis? ego autem sum vir pauper et tenuis.
Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza izany teny izany tamin’ i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton’ ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
24 Et renuntiaverunt servi Saul dicentes: Hujuscemodi verba locutus est David.
Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin’ i Davida.
25 Dixit autem Saul: Sic loquimini ad David: Non habet rex sponsalia necesse, nisi tantum centum præputia Philisthinorum, ut fiat ultio de inimicis regis. Porro Saul cogitabat tradere David in manus Philisthinorum.
Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin’ i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’ i Saoly hahafaty an’ i Davida amin’ ny tanan’ ny Filistina izany.
26 Cumque renuntiassent servi ejus David verba quæ dixerat Saul, placuit sermo in oculis David, ut fieret gener regis.
Ary rehefa nambaran’ ny mpanompon’ i Saoly tamin’ i Davida izany teny izany, dia sitrak’ i Davida ny ho vinanton’ ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr’ andro,
27 Et post paucos dies surgens David, abiit cum viris qui sub eo erant. Et percussit ex Philisthiim ducentos viros, et attulit eorum præputia et annumeravit ea regi, ut esset gener ejus. Dedit itaque Saul ei Michol filiam suam uxorem.
dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan’ ny mpanjaka mba hahavinanton’ ny mpanjaka azy. Dia nomen’ i Saoly ho vadin’ i Davida Mikala zananivavy.
28 Et vidit Saul, et intellexit quod Dominus esset cum David. Michol autem filia Saul diligebat eum.
Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an’ i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
29 Et Saul magis cœpit timere David: factusque est Saul inimicus David cunctis diebus.
Ary dia vao mainka natahotra an’ i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon’ i Davida mandrakariva izy.
30 Et egressi sunt principes Philisthinorum. A principio autem egressionis eorum, prudentius se gerebat David quam omnes servi Saul, et celebre factum est nomen ejus nimis.
Ary ireo andrianan’ ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon’ i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.

< I Samuelis 18 >