< Insinulo 22 +
1 Linu iñiloi chi lyanitondeza iwate lya menzi a buhalo, a chena ulu kristale. Ibali kububa kuzwa ku mushukwe wa Ireeza ni ku e Ngunyana
Ary izy naneho ahy onin’ ny ranon’ aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry
2 mukati ke tolopo. Ku mabbali onse o lwizi kubena isamu lya buhalo, libikite mifuta ya miselo itenda ikumi ni tobele, imi libika iyo miselo mwezi ni mwezi. Makoba e samu a kuhozisa inkanda.
teo afovoan’ ny lalambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ ny ony nisy hazon’ aina mamoa voa roa ambin’ ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
3 Kete ni kube ni kukutwa hape. Lubona lwa Ireeza ni lwe ingunyana kalube mwi tolopo, imi bahikana bakwe muba musebeleze.
Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
4 Mubabone chifateho chakwe, imi izina lyakwe muliñolwe he mpata zabo.
ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ ny handriny.
5 Kete ni kube ni masiku hape; kete nikube ni ntuso ye seli lye ngunyana kapa iseli lye zuba kakuti Simwine Ireeza mwa ba benyeze. Muba buse kuya kusa mani. (aiōn )
Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan’ ny jiro na fahazavan’ ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. (aiōn )
6 Iñiloi chinya wamba kwangu, “Aa manzwi asepahala imi e niti. Simwine, Ireeza we inhunho zama polofita, abatumi iñiloi lyakwe li kabonise ba hikana bakwe chiswanela ku pangahala hahanu.”
Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
7 “Bone! Nikezite hahanu! yo fuyoletwe njozo yo kuteka manzwi atanikizwe mweyi imbuka.
Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity.
8 Ime, Johani, njeme niba zuwi ni kubona izi zintu. hani zuwa ni kuzibona, china lala hanzi habusu bwa matende e iñiloi ku mulumbeka, iñiloi liba ni tondezi izi zintu.
Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ ny tongotr’ ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
9 Chi lyawamba kwangu, “Sanzi uchiti bulyo! name niwa bamwi bahikana nina nanwe niba kwenu ba polofita nabana bakuteka manzwi ena mweyi imbuka. lumbeke Ireeza!”
Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
10 Cha wamba kwangu, “Sanzi upangi i nkunutu manzwi a atanikizwe mweyi imbuka, inako ina hafuhi.
Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity, fa antomotra ny andro.
11 Iye yasa shiyeme. mumusiye azwile habusu nikupanga zisa shiyeme. Iye yopanga busangu bubi, mumusiye azwile habusu ni busangu bubi. Iye yo shiyeme, mumu siye azwile habusu niku tenda zishiyeme. Iye yo jolola, mumu siye azwile habusu niku jolola.”
Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masìna, aoka mbola hihamasina ihany izy.
12 “Bone! Nikeza chakuhwela. Imi mupuzo wangu wina name, kuliha zumwi ni zumwi chakuya ba mwa batendeli.
Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
13 Njime alfa ni omega, kubusu ni kumasule, intanzi ni ma manimani.
Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
14 Bafuyoletwe njabo bashanza minganjo yabo ili kuti babe ni intukelo ya kulya kwi samu lyabuhalo imi ni kwi njila mwitolopo cha mulyango.
Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna.
15 Hanze kwina bambwa, balozi, basangu, behayi, bamaswaniso, imi ni bonse basaka niku tenda mitendo isena buniti.
Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
16 Jesu, nibatumi iñiloi lyangu kuha bupaki kwenu kuamana izi zintu che inkeleke. Njime ni muhisi ni isika lya Dafita, inkani i benya ya kuseni.”
Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’ i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
17 Luhuho ni Musesiwa ziti, “Wize” Siye uzo yo zuwa ati, “Wize!” Yense yo fwile inyotwa, musiye eze, imi yense yo ilakaza, umusiye awane menzi abuhalo nikusena intifo.
Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ ny ranon’ aina.
18 Niha bupaki kubonse ba zuwa manzwi e chi polofita cheyi imbuka: Heiba zumwi mwawekeze kuali, Ireeza kawekeze kwali inkoto zi ñoletwe kuamana ni mweyi imbuka.
Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ ity boky ity ho azy;
19 Heiba zumwi uzwisa mu manzwi amweyi imbuka ya chipolofita, Ireeza kazwise inkabelo yakwe mwisamu lya buhalo imi ni mwitolopo ijololwa ziñoletwe kuamana mweyi imbuka.
ary raha misy manaisotra amin’ ny teny amin’ ny bokin’ ity faminaniana ity, dia hesorin’ Andriamanitra ny anjarany amin’ ny hazon’ aina sy amin’ ny tanàna masìna, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ ity boky ity.
20 Iye yoha bupaki kwezi zintu uti, “Eee! Nikeza chokuhwela.” Amen! Wize, Simwine Jesu!
Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!
21 Imi musa wa Simwine Jesu ube ni zumwi ni zumwi. Amen.
Ho amin’ ny olona masìna anie ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo. Amena.