< Mateu 21 >
1 Sina Jesu ni barutwana bakwe ha ba chunina Jelusalema ni kwiza kwa Patepaje, he Lundu la Olive, linu Jesu a ba tumini barutwana ba kwe bobele,
Ary raha nanakaiky an’ i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:
2 na ba cho, “Muyende mu munzi wi chilila, mi ka pili ka mu kawane i ndonki i suminwe mwateni, ni kaana kayo. Mu zi sumunune mi mu zi lete kwa ngu.
Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’ izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.
3 Haiba muntu zumwi u wamba chi mwi ka zateni, mute kuti, “Simwine uzi saka; mi zuna mutu ka zitumine nanwe.”
Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’ izay izy.
4 Linu i chi chi ba chiteki kuti icho chi ba wambwa mupolofita chi zuzilizwe.
Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
5 Nati, “wambile mwana wa mukazana wa zione, 'Bone, simwine wako ukezite kwako, Cha kuli booza hansi na tantite he donki, Ni ha kana kayo, ka na mani ke donki.”
Lazao amin’ i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa.
6 Linu barutwana ba ba yendi ni ku ka tenda bo bulyo mwa ba ba laeleli Jesu.
Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian’ i Jesosy azy,
7 Ba ba kaleti i donki ni mwana ni ku bika zizabalo za bo ha zili, mi Jesu a be kali ha zizwato.
dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
8 Bungi bwa bantu ba bazali zizabalo za bo mu i nzila, ba mwi ba batemi mi tayi ya zisamu ni ku i zala mu inzila.
Ary ny ankabiazan’ ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.
9 Linu ikunga ibayendi Jesu naseni kuyenda ne ikunga ibechilili, na huweleza nati, “Hosana kumwana Daafita! Utonolofezwe ukeza mwinzina lya simwine! Hosana kuwina mwiwulu!”
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah! Hosana any amin’ ny avo indrindra.
10 Linu Jesu heti chasika mwa Jelusalema, muleneñi wonse uba nyungani nibati, “Nyeni uzo?”
Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
11 Ibetabi, chiyati, “uzu nji Jesu uzwa mwa Nazaleta ina mwa Galileya.”
Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
12 Linu Jesu chenjila mwi tempele. Abahindiki babali kuwuzikiza mwi tempele, ni kuzulika intafule zamasheleñi ni zipula zonse zibabauzi hamwina.
Ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempolin’ Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan’ ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;
13 Abawambi kubali, “kuñoletwe kuti, 'Inzubo yangu kaisupwe kuti inzubo yetapelo,' kono inwe chimwaisandula chikunganino chabasa.”
dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana; fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
14 Linu zihofu ni zihole zibakezi kwali mwi tempele, mi nabahoza.
Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
15 Mukulwana wamapulisita ni bañoli bababoni zintu zikomokisa zabantendi, mi singa bazuwa bahwile bahuweleza mwitempele ni bati, “Hosana kumwana a Daafita,” babanjilwa bukali.
Fa nony hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! ― dia tezitra izy
16 Babati kwali, “Mane uzuwile zibakwete kuwamba aba bantu?” Jesu chati kubali, “Eni! Kono mane chimubabalite, 'Mutuholo twabachiche ni bapamba kuzwa milumbeko ihitiliza kukuluka'?”
ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain’ ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana?
17 Linu Jesu na basiya ni kuya kumuleneñi wa Bethani mi abakalali kwateni.
Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.
18 Linu kakusasa chabola kumuleneni, aba fwile inzala.
Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.
19 Kakubona chisamu chamuchaba kumbali ni nzila, abayendi kuchili mi abawani kuti kakwina chibikitwe kwateñi kunze yamakoba. Abawambi kuchili, “Kuzwa sunu kanzi nikube ni chichalantu kwako hape.” Imi kapilipili chisamu chamuchaba nichazuma. (aiōn )
Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy. (aiōn )
20 Linu balutwana haba boni bulyo ni ba komokwa ni bati, “ku iza bule kuti i samu lwa muchaba hohwaho lizume?”
Ary nony hitan’ ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?
21 Jesu ne taaba na ba cho, “cho kusa kusima ni kucho, haiba ni mwina i ntumelo mi ka mubi ni mi hupulo yobele, kete mutende fela chiba tendwa kweli isamu lya muchaba. 'Kono ka muole kuwamba kwe chi chi wuulu,' u katulwe mui uulu mi u sohelwe mu iwate,'
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
22 Mi mu ku chitahale. Chonse chi u kumbila che ntapelo, cha ku zumina, mo u tambule.”
Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ ny fivavahana atao amin’ ny finoana dia ho azonareo.
23 Linu Jesu heza mwiitempele, muprisita mukulwana ni bakulwana babantu ni beeza kwali ha bali kuruta mi nacho, “chamaata ani ochita izi zintu? Mi wa akuha a amaata njeni?”
Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
24 Jesu chobetaaba mi nabacho, “Ime name munimibuze impuzo imwina. Haiba nimuniwambila, name munimiwambile kuti chamaata nzi anichitisa izi zintu.
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:
25 Inkolobezo ya Joani- ibazwi kuhi? Kuzwiila kwiwulu kamba kubantu?” Babali kuwambola mukati kaabo, ni bati, “Haiba nituti, 'Kuzwa kwiwulu,' mwati kwetu, 'Chizi linu hamusana mubamuzumini?'
Ny batisan’ i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?
26 Kono haiba nituti, 'Kuzwa kubantu,' tutiya ikunga, kakuli bonse babona Joani kuba mupolofita.”
Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’ izy rehetra ho mpaminany Jaona.
27 Linu babetabi Jesu nibati, “Katwiizi,” Imi naye nabetaba nati, “Nanga ime keti chinimiwambila kuti nji ani maata anichita chawo izi zintu.
Dia namaly an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.
28 Kono iwe uzeza buti? Mukwame abena banaswisu bobele. Abayendi kuwetanzi mi nati, 'Mwanangu, kwiya ukasebeze muluwa lwe veine sunu.'
Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ ny tanim-boaloboko anio.
29 Mwana abetabi nati, 'kani woli,' kono mumasulezana nachincha muhupulo wakwe mi nayenda.
Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.
30 Imi mukwame nayenda kumwanaa kwe wabubeli mi nawamba chintu chiswana. Mwanaa kwe netaba nati, 'Kaniyende, sha,' kono kanabayendi.
Dia nankeo amin’ ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
31 Kubana bobele yabachiti intato yeshabo?” Babati, “Wetanzi” Jesu nabacho, “Chabusakusima ni micho, bateliisi bamali ni mahuule mubakenjile mumubuso we Ireeza inwe nimuseni.
Ka iza moa amin’ izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
32 Mukuti Joani abezi kwenu chenzila ilukite, kono kanamubamuzumini, kono bateliisi bamali ni mahuule babamuzumini. Imi inwe, hamubona izo nizitendahala, kana mubabakeli zibe zenu kumamanimani kuti mumuzumine.
Fa Jaona nankany aminareo tamin’ ny lalan’ ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
33 Mutekeleze kwinguli imwi. Kubena mukwame, yabali sichibaka, Ababyalite iwa lyamuwoomba, nikubika lukwakwa kuzimbulusa, abashi chilubilo mwateni, abazaki ni ngalani yakubonena kulee, imi abaikalimi kubalimi bakalimite. Linu abayendi kuimwi inkanda.
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ ny tany hafa izy.
34 Imi inako yenkutulo yazichelantu haichunina, abatumi bahikana balikene kubabyali bamuwoomba kukahinda zichelantu zakwe.
Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray ny vokatra.
35 Kono bakalimite mawa babahindi bahikana bakwe, kudama umwina, kwihaya zumwi, ni kugoboola zumwi ni mabwe.
Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
36 Imi hape, siluwa abatumi bamwi bahikana, kuhita bamatangilo, kono babyali bamawa bababachiti chenzila iswana.
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
37 Kuzwaho, mwine siluwa abatumini mwanaa kwe kubali, nikucho, 'Kabakakuteke mwanangu.'
Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
38 Kono balimi bamuwoomba hababona mwana, chibaliwambila kuti, uzu nji swana. 'Mwize, tumwihaye tuyole chifumu.'
Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
39 Linu chibamuhinda, chibamusohela hanze yaluwa lwamuwoomba, mi chiva mwihaya.
Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ ny tanim-boaloboka, dia namono azy.
40 Linu siluiwa heti nasike, kachite inzi kubalimi bewa lyamuwoomba?”
Koa raha tonga ny tompon’ ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
41 Babawambi kwali nibacho, “Kasinyasinye abo bakwame bafosahele chenzila yachituhu chikando, mi kuzwaho mwakalime mawa amuwoomba kubamwi balimi bamuwoomba, bakwame bawola kuliha mowoomba haubuzwa.”
Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin’ ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin’ ny fotoany avy.
42 Jesu nabati, “Kana mubeni kubala mumañolo, 'Musumo Ubabakani bazaki Ubatendwa Musumo wamwikona. Ichi chibali kuzwila kwa Simwine, mi chitabisa mumenso etu'?
Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ ny Soratra Masìna hoe: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika?
43 Chobulyo nimicho, mubuso we Ireeza kauzwiswe kwenu mi kauhewe kuchisi chilichitila zichelatu icho chine.
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
44 Yense yeti nawile heli ibwe mwachokoke bwemba. Kono iyemwine heti niliwile, kagazubuke.”
Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.
45 Bakulwana bavapurista ni vafarisi habazuwa iyi inguli, babalemuhi kuti uwamba abo.
Ary rehefa ren’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’ i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin’ izany.
46 Chakusaka kumusumina, babalikutiya ikunga, mukuti bantu babali kumuhinda kuti mupolofita.
Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.