< Oekyuk 1 >

1 Ke len se oemeet ke malem se akluo in yac se akluo tukun mwet Israel illa liki acn Egypt, LEUM GOD El kaskas nu sel Moses in Lohm Nuknuk Mutal sel yen mwesis Sinai. El fahk,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay, tao amin’ ny trano-lay fihaonana tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanao hoe:
2 “Kom ac Aaron in oru sie oaoa lulap ke sruf ac sou nukewa lun mwet Israel. Simusla inen mukul nukewa
Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
3 yac longoulyak matwa, su ku in wi mweun.
dia ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4 Sie mwet kol ke kais sie sruf in kasrekomtal.”
Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
5 Pa inge inen mwet su ac fah kasreyomtal: Sruf Mwet Kol Reuben Elizur wen natul Shedeur Simeon Shelumiel wen natul Zurishaddai Judah Nashon wen natul Amminadab Issachar Nethanel wen natul Zuar Zebulun Eliab wen natul Helon Ephraim Elishama wen natul Ammihud Manasseh Gamaliel wen natul Pedahzur Benjamin Abidan wen natul Gideoni Dan Ahiezer wen natul Ammishaddai Asher Pagiel wen natul Ochran Gad Eliasaph wen natul Deuel Naphtali Ahira wen natul Enan Pa inge mwet ma solla liki inmasrlon mwet uh in oru oaoa se inge. Elos mwet kol ke kais sie sruf lalos.
Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin’ i Robena dia Elizora, zanak’ i Sedeora;
6
ny avy amin’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;
7
ny avy amin’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
8
ny avy amin’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;
9
ny avy amin’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;
ny avy amin’ ny zanak’ i Josefa dia Elisama, zanak’ i Amihoda, avy amin’ i Efraima, ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, avy amin’ i Manase kosa;
ny avy amin’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;
ny avy amin’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;
ny avy amin’ i Asera dia Fagiela, zanak’ i Okrana;
ny avy amin’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Doela;
ny avy amin’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana.
Ireo no voafidin’ ny fiangonana, dia samy lohan’ ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin’ ny Isiraely.
17 Mwet singoul luo inge elos kasrel Moses ac Aaron
Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
18 solani mwet uh nu sie ke len se meet in malem se akluo. Elos simusla inen mwet uh ke sruf lalos ac sou lun papa matu tumalos, ke inen mukul nukewa ma yac longoulyak matwa,
dia namory ny fiangonana rehetra tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
19 oana ke LEUM GOD El sapkin nu sel Moses. Ouinge el oakalosla in acn mwesis in Sinai.
Araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr’ Sinay.
20 Simla inen mukul nukewa ma yac longoulyak matwa ma ku in wi mweun, fal nu ke sruf ac sou lalos, mutawauk ke sruf lal Reuben, su matu emeet sin tulik natul Israel. Pa inge takla lun sruf ac pisalos: Sruf Pisalos Reuben 46,500 Simeon 59,300 Gad 45,650 Judah 74,600 Issachar 54,400 Zebulun 57,400 Ephraim 40,500 Manasseh 32,200 Benjamin 35,400 Dan 62,700 Asher 41,500 Naphtali 53,400 Pisa lulap: mukul onfoko tolu tausin ac lumfoko lumngaul.
Ary tamin’ ny taranak’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
Ary tamin’ ny taranak’ i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
Ary tamin’ ny taranak’ i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
Ary tamin’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
Ary tamin’ ny taranak’ Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
Ary tamin’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
Ary tamin’ ny taranak’ i Josefa: dia avy tamin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
ary tamin’ ny taranak’ i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
Ary tamin’ ny taranak’ i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
Ary tamin’ ny taranak’ i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
Ary tamin’ ny taranak’ i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin’ ny folo lahy lehibe amin’ ny Isiraely, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy.
Ary izay rehetra avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin’ ny Isiraely,
dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
47 Tusruktu, mwet Levi elos tuh tia wi simla inelos in oana sruf saya uh,
Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan’ ireo.
48 mweyen LEUM GOD El fahk nu sel Moses,
Fa Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
49 “Ke pacl se kom oru oaoa lulap ke inen mukul ma fal in wi mweun, nimet sang sruf lal Levi nu kac.
Ny firenen’ ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely;
50 A kom fah sang sruf Levi in fosrngakin Lohm Nuknuk Mutal sik ac kufwa nukewa nu kac. Elos fah us ma inge nukewa, ac elos pa ac kulansap loac. Elos in tulokunak iwen aktuktuk selos rauneak.
fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
51 Kutena pacl kowos ac mukuila nu ke sie pacna acn, ma kunen mwet Levi in tuleya Lohm Nuknuk Mutal sik, ac sifilpa tulokunak ke nien aktuktuk sasu. Kutena mwet saya su tuku apkuran nu ke Lohm Nuknuk Mutal ac fah anwuki.
Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
52 Sruf nukewa sayen sruf lal Levi fah tulokunak lohm nuknuk selos fal nu ke kais sie u lalos, ac in oasr kais sie flag lun kais sie u.
Dia hitoby ny Zanak’ Isiraely, samy eo amin’ ny tobiny avy, ary samy eo amin’ ny fanevany ary, araka ny antokony.
53 A mwet Levi fah tulokunak lohm nuknuk selos rauneak Lohm Nuknuk Mutal sik tuh elos in karingin in wangin sie fah tuku apkuran nu kac ac pwanak kasrkusrak luk uh in putati fin mwet Israel nukewa.”
Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
54 Ke ma inge mwet Israel elos oru ma nukewa oana ma LEUM GOD El sapkin nu sel Moses.
Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataony.

< Oekyuk 1 >