< Oekyuk 7 >

1 Ke len se Moses el tulokunak tari Lohm Nuknuk Mutal sin LEUM GOD, el mosrwela ac kisaela Lohm Nuknuk sac wi kufwen orekma nukewa kac, oayapa loang uh wi kufwen orekma nukewa nu kac.
Ary tamin’ ny andro izay nahavitan’ i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,
2 Na sifen sou lulap nukewa su mwet kol in sruf lun Israel, nuna mwet na ma fosrngakin oaoa lulap se ke pisen mwet uh,
dia nitondra fanatitra ny lohan’ ny firenen’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny fianakaviana (ireo no lohan’ ny firenena, izay nifehy ny voalamina).
3 elos use mwe sang lalos inge nu sin LEUM GOD: wagon onkosr ac cow mukul singoul lukwa, wagon soko sin kais luo mwet kol, ac cow soko sin kais sie mwet kol. Tukun elos sang ma inge,
Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan’ i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin’ ny folo, dia sariety iray no avy amin’ ny lohan’ ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan’ ny tabernakely izy.
4 LEUM GOD El fahk nu sel Moses,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
5 “Eis mwe sang inge in orekmakinyuk nu ke ma ac orek ke Lohm Nuknuk Mutal. Sang nu sin mwet Levi uh fal nu ke orekma ma elos ac oru.”
Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.
6 Ouinge Moses el sang wagon ac cow mukul uh nu sin mwet Levi.
Dia noraisin’ i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.
7 El sang lukwa wagon uh ac akosr cow uh nu sin mwet lal Gershon,
Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an’ ny taranak’ i Gersona, araka ny fanompoany;
8 ac wagon akosr ac cow oalkosr nu sin mwet lal Merari. Orekma nukewa lalos orek ye kolyuk lal Ithamar wen natul Aaron.
ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an’ ny taranak’ i Merary, araka ny fanompoany, eo amin’ ny fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona.
9 Tusruktu wangin wagon ku cow Moses el sang nu sin mwet in sou Kohath, mweyen kufwen orekma mutal ma elos karingin uh enenu na in utuk finpisalos.
Fa ny taranak’ i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masìna no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.
10 Na mwet kol elos oayapa use mwe kisa lalos in akfulatye kisala lun loang uh. Ke elos akola in sang mwe kite lalos mutun loang uh,
Dia ny lohan’ ny firenena no nanatitra ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan’ ny alitara izy.
11 LEUM GOD El fahk nu sel Moses, “Fahkang nu selos lah in kais sie len ke lusen len singoul luo, kais sie mwet kol fah srukak mwe kite lal nu ke kisaiyen loang uh.”
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aoka ny lohan’ ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin’ ny an’ androny avy ho amin’ ny fitokanana ny alitara.
12 Na elos use mwe kisa lalos uh oana ke takla ten inge: Len Sruf Mwet Kol len se meet Judah Nahshon, wen natul Amminadab Akluo Issachar Nethanel, wen natul Zuar Aktolu Zebulun Eliab, wen natul Helon Akakosr Reuben Elizur, wen natul Shedur Aklimekosr Simeon Shelumiel, wen natul Zurishaddai Akonkosr Gad Eliasaph, wen natul Deuel Akitkosr Ephraim Elishama, wen natul Ammihud Akoalkosr Manasseh Gamaliel, wen natul Pedahzur Akeu Benjamin Abidan, wen natul Gideoni Aksingoul Dan Ahiezer, wen natul Ammishaddai Aksingoul sie Asher Pagiel, wen natul Ochran Aksingoul luo Naphtali Ahira, wen natul Enan Mwe sang ma kais sie selos tuh use inge oana sie: sie pesin silver su toasriya oasr ke ounce lumngaul, ac sie pol silver su toasriya ounce tolngoul, fal nu ke srikasrak ma oakwuki, kewana sessesla ke flao karyak ke oil in olive nu ke mwe kisa wheat; sie ahlu gold su toasriya ounce akosr, sessesla ke mwe keng; cow mukul fusr soko, sheep mukul soko, ac sheep fusr mukul soko yac se matwa, nu ke mwe kisa firir; nani soko nu ke kisa ke ma koluk; cow mukul lukwa, sheep mukul limekosr, nani limekosr, sheep fusr limekosr yac se matwa nu ke kisa in akinsewowo.
Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin’ ny andro voalohany dia Nasona, zanak’ i Aminadaba, avy tamin’ ny firenen’ i Joda.
Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Nasona, zanak’ i Aminadaba.
Ary tamin’ ny andro faharoa dia Netanela, zanak’ i Zoara, lohan’ ny taranak’ Isakara, no nanatitra.
Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Netanela, zanak’ i Zoara.
Ary tamin’ ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak’ i Helona, lohan’ ny taranak’ i Zebolona, no nanatitra.
Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliaba, zanak’ i Helona.
Ary tamin’ ny andro fahefatra dia Elizora, zanak’ i Sedeora, lohan’ ny taranak’ i Robena, no nanatitra.
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray ireo no fanatitr’ i Elizora, zanak’ i Sedeora.
Ary tamin’ ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday, lohan’ ny taranak’ i Simeona, no nanatitra.
Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Selomiela, zanak’ i Zorisaday,
Ary tamin’ ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak’ i Doela, lohan’ ny taranak’ i Gada, no nanatitra.
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliasafa, zanak’ i Doela.
Ary tamin’ ny andro fahafito dia Elisama, zanak’ i Amihoda, lohan’ ny taranak’ i Efraima, no nanatitra.
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Elisama, zanak’ i Amihoda.
Ary tamin’ ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora, lohan’ ny taranak’ i Manase, no nanatitra.
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Gamaliela, zanak’ i Pedazora.
Ary tamin’ ny andro fahasivy dia Abidana, zanak’ i Gideony, lohan’ ny taranak’ i Benjamina, no nanatitra.
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Abidana, zanak’ i Gideony.
Ary tamin’ ny andro fahafolo Ahiezera, zanak’ i Amisaday, lohan’ ny taranak’ i Dana, no nanatitra.
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahiezera, zanak’ i Amisaday.
Ary tamin’ ny andro fahiraika ambin’ ny folo dia Pagiela, zanak’ i Okrana, lohan’ ny taranak’ i Asera, no nanatitra.
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Pagiela, zanak’ i Okrana.
Ary tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo dia Ahira, zanak’ i Enana, lohan’ ny taranak’ i Naftaly, no nanatitra.
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahira, zanak’ i Enana.
84 Pa inge pisen mwe kisa ma mwet kol singoul luo ah orani nu ke pacl se ac kisaiyuk loang uh: — pol silver singoul luo ac pesin silver singoul luo, toasriya oasr ke paun onngoul — ahlu gold singoul luo, toasriya ounce angngaul oalkosr, sessesla ke mwe keng — cow mukul singoul lukwa, sheep mukul singoul lukwa, sheep fusr mukul singoul lukwa yac se matwa, wi mwe kisa wheat nu kac tuh in mwe kisa firir — nani mukul singoul lukwa tuh in mwe kisa ke ma koluk — cow mukul longoul akosr, sheep mukul onngoul, nani mukul onngoul, sheep fusr mukul onngoul yac se matwa. Ma inge ma nu ke mwe kisa in akinsewowo
Ireo no zavatra naterin’ ny lohan’ ny Isiraely ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin’ ny folo, lovia volafotsy roa ambin’ ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin’ ny folo;
sekely telo-polo amby zato avy no lanjan’ ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan’ ny volafotsy rehetra tamin’ ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masìna;
lovia kely volamena roa ambin’ ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masìna; ny lanjan’ ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.
Ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo, ondrilahy roa ambin’ ny folo, zanak’ ondry roa ambin’ ny folo, izay samy iray taona, mbamin’ ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota.
Ary ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr’ ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak’ ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.
89 Ke Moses el ilyak nu in Lohm Nuknuk Mutal in kaskas nu sin LEUM GOD, el ac lohng pusren LEUM GOD kaskas nu sel inmasrlon cherub luo ma oan fin mwe afyuf ke Tuptup in Wuleang uh.
Ary rehefa niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin’ Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.

< Oekyuk 7 >