< Joshua 19 >

1 Kitakat se akluo som nu sin sou in sruf lal Simeon. Acn lalos uhc oasr pana luin acn lun sruf lal Judah.
Ary ny loka faharoa dia azon’ i Simeona, dia ny firenena taranak’ i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ ny lovan’ ny taranak’ i Joda.
2 Acn inge pa Beersheba, Sheba, Moladah,
Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
3 Hazar Shual, Balah, Ezem,
sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
4 Eltolad, Bethul, Hormah,
sy Eltolada sy Betola sy Horma
5 Ziklag, Beth Marcaboth, Hazar Susah,
sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
6 Beth Lebaoth, ac Sharuhen — siti singoul tolu nufon, wi inkul nukewa ma raunela.
sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
7 Oayapa Ain, Rimmon, Ether, ac Ashan — siti akosr, wi inkul nukewa ma raunela,
sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
8 weang pacna acn nukewa raunela siti inge nwe Baalath Beer (ku Ramah), su oan nu eir. Pa inge acn ma itukyang nu sin sou in sruf lal Simeon tuh in ma lalos.
ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin’ ny tany atsimo. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Simeona araka ny fotony.
9 Ke sripen acn lal Judah yohk liki ma elos enenu, oru itukyang sie ip lalos inge nu sin sruf lal Simeon.
Avy tamin’ ny anjaran’ ny taranak’ i Joda no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ ny taranak’ i Joda, ka izany no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona anjara tao anatin’ ny azy.
10 Kitakat se aktolu som nu sin sou in sruf lal Zebulun. An se elos eis inge fahla na nwe sun acn Sarid.
Ary ny loka fahatelo dia azon’ ny taranak’ i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin’ ny lovany dia hatrany Sarida,
11 Liki acn sacn, masrol an fahla roto lac nu Mareal, ac pusralla acn Dabbesheth ac infacl srisrik soko kutulap in acn Jokneam.
dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an’ i Dabeseta ka nihatra tamin’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ i Jokneama,
12 Ke layen kutulap in acn Sarid, masrol an fahla nu kutulap nu ke masrol nu Chisloth Tabor, na sifilpa fahla nu Daberath ac utyak nu Japhia.
dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
13 Sifilpa fahla liki acn sacn nu kutulap nwe sun Gath Hepher ac Ethkazin, ac kuhfla nu Neah ke inkanek nu Rimmon.
dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an’ i Nea,
14 Ke masrol epang an, el kuhfla nu Hannathon, fahla safla Infahlfal Iphtahel.
dia niolaka eo avaratr’ iny ka nahazo an’ i Hanatona, dia nihatra tamin’ ny lohasaha Jifta-ela.
15 Acn inge pa Kattath, Nahalal, Shimron, Idalah, ac Bethlehem— siti singoul luo nufon, wi inkul nukewa ma raunela.
Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
16 Siti inge wi acn ma raunela, oan in acn ma itukyang nu sin sou in sruf lal Zebulun tuh in ma lalos.
Izany no lovan’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
17 Kitakat se akakosr som nu sin sou in sruf lal Issachar.
Ary ny loka fahefatra dia azon’ Isakara, dia ny taranak’ Isakara isam-pokony.
18 Acn inge pa Jezreel, Chesulloth, Shunem,
Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
19 Hapharaim, Shion, Anaharath,
sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
20 Rabbith, Kishion, Ebez,
sy Rabita sy Kisiona sy Abeza
21 Remeth, Engannim, Enhaddah, ac Bethpazzez.
sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
22 Masrol in acn Issachar fahla pusralla Tabor, Shahazumah, Beth Shemesh, ac safla Infacl Jordan — siti singoul onkosr nufon, wi inkul nukewa ma raunela.
Ary ny fari-taniny dia nahazo an’ i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
23 Siti inge wi acn ma raunela, oan in acn ma itukyang nu sin sou in sruf lal Issachar tuh in ma lalos.
Izany no lovan’ ny firenena taranak’ Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
24 Kitakat se aklimekosr som nu sin sou in sruf lal Asher.
Ary ny loka fahadimy dia azon’ ny firenena taranak’ i Asera isam-pokony.
25 Acn inge pa Helkath, Hali, Beten, Achshaph,
Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
26 Allam Melech, Amad, ac Mishal. Masrol nu roto an pusralla Carmel ac Shihor Libnath.
sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
27 Ac nu kutulap, masrol an fahla sun acn Bethdagon, pusralla acn Zebulun ac Infahlfal Iphtahel nu epang nu Bethemek ac Neiel, na fahla na nwe epang nu Cabul,
dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
28 Ebron, Rehob, Hammon, ac Kanah nwe ke sun acn Sidon.
ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
29 Na masrol an kuhfla nu Ramah, ac sun Tyre (sie siti rauniyukla ke pot fulat) na sifil kuhfla nu Hosah, ac fahla safla ke Meoa Mediterranean. Siti inge oasr pac we: Mahalab, Achzib,
dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina teo akaikin’ ny tany Akziba
30 Ummah, Aphek, ac Rehob — siti longoul luo nufon, wi inkul nukewa ma raunela.
ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
31 Siti inge wi acn ma raunela, oan in acn ma itukyang nu sin sou in sruf lal Asher tuh in ma lalos.
Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
32 Kitakat se akonkosr som nu sin sou in sruf lal Naphtali.
Ary ny loka fahenina dia an’ ny taranak’ i Naftaly isam-pokony.
33 Masrol ke acn se inge fahla Heleph lac nu ke sak oak in Zaanannim ac fahla nu Adaminekeb ac nu Jamnia, ac fahla nwe Lakkum ac safla ke Infacl Jordan.
Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin’ ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an’ i Jordana,
34 Na masrol sacn kuhfla nu roto som nu Aznoth Tabor, ac liki acn sacn fahla nu Hukkok pusralla Zebulun nu eir, ac Asher nu roto, ac Infacl Jordan nu kutulap.
dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an’ i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron’ i Jordana eo atsinanana.
35 Siti inge nukewa rauniyukla ke pot fulat: Ziddim, Zer, Hammath, Rakkath, Chinnereth,
Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
36 Adamah, Ramah, Hazor,
sy Adama sy Rama sy Hazora
37 Kedesh, Edrei, Enhazor,
sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
38 Yiron, Migdalel, Horem, Bethanath, ac Beth Shemesh — siti singoul eu nufon wi inkul nukewa ma raunela.
sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
39 Siti inge wi acn ma raunela, oan in acn ma itukyang nu sin sou in sruf lal Naphtali tuh in ma lalos.
Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
40 Kitakat se akitkosr som nu sin sou in sruf lal Dan.
Ary ny loka fahafito dia an’ ny firenena taranak’ i Dana isam-pokony.
41 Acn inge pa Zorah, Eshtaol, Irshemesh,
Ary ny fari-tanin’ ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
42 Shaalbim, Aijalon, Ithlah,
sy Salabima sy Aialona sy Jitla
43 Elon, Timnah, Ekron,
sy Elona sy Timna sy Ekrona
44 Eltekeh, Gibbethon, Baalath,
sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
45 Jehud, Beneberak, Gathrimmon,
sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
46 Mejarkon, ac Rakkon, ac acn nukewa raunela Joppa.
sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin’ i Jopa.
47 Ke itukla acn sin tulik natul Dan inge, elos som nu Laish ac mweuni. Elos sruokya ac onela mwet we, ac eisla acn sac lalos. Elos oakwuki we ac ekulla inen siti sac liki Laish nu ke Dan, in oana inen papa tumun sruf lalos.
Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’ i Dana, dia niady tamin’ i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’ i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’ i Dana rainy.
48 Siti inge wi acn ma raunela, oan in acn ma itukyang nu sin sou in sruf lal Dan tuh in ma lalos.
Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
49 Ke mwet Israel elos kitalik tari acn nukewa, elos sang ipin acn se nu sel Joshua wen natul Nun tuh in ma lal.
Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak’ i Nona.
50 In oana ma LEUM GOD El tuh sapkin, elos sang siti se el tuh siyuk ah: Timnath Serah, su oan fineol uh in Ephraim. Joshua el sifil musaela siti se inge ac muta we.
Araka ny tenin’ i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin’ ny tany havoan’ i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.
51 Eleazar mwet tol, Joshua wen natul Nun, ac mwet kol lun kais sie sou in sruf lun Israel, elos kitalik acn inge ke fa ye mutun LEUM GOD in acn Shiloh, ke mutunoa in Lohm Nuknuk sin LEUM GOD. Pa inge saflaiyen kitakatelik lun acn inge.
Ireo no lova izay nozarain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.

< Joshua 19 >