< 창세기 8 >
1 하나님이 노아와 그와 함께 방주에 있는 모든 들짐승과 육축을 권념하사 바람으로 땅 위에 불게 하시매 물이 감하였고
Ary Andriamanitra nahatsiaro an’ i Noa mbamin’ ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ ny tany, ka dia nihena ny rano.
2 깊음의 샘과 하늘의 창이 막히고 하늘에서 비가 그치매
Ary tampina ny loharanon’ ny lalina sy ny varavaran’ ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
3 물이 땅에서 물러가고 점점 물러가서 일백오십일 후에 감하고
Ary nihena niandalana niala tamin’ ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.
4 칠월 곧 그 달 십칠일에 방주가 아라랏 산에 머물렀으며
Dia nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafito.
5 물이 점점 감하여 시월 곧 그 달 일일에 산들의 봉우리가 보였더라
Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ ny volana fahafolo; tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ ny tendrombohitra.
6 사십 일을 지나서 노아가 그 방주에 지은 창을 열고
Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan’ i Noa ny varavarankelin’ ny sambo-fiara izay efa nataony.
7 까마귀를 내어 놓으매 까마귀가 물이 땅에서 마르기까지 날아 왕래하였더라
Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin’ ny tany iny.
8 그가 또 비둘기를 내어 놓아 지면에 물이 감한 여부를 알고자 하매
Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin’ ny tany, na tsia.
9 온 지면에 물이 있으므로 비둘기가 접족할 곳을 찾지 못하고 방주로 돌아와 그에게로 오는지라 그가 손을 내밀어 방주 속 자기에게로 받아 들이고
Fa tsy hitan’ ilay voromailala izay hipetrahan’ ny faladiany, dia niverina tamin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin’ ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ ny sambo-fiara.
10 또 칠 일을 기다려 다시 비둘기를 방주에서 내어 놓으매
Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin’ ny sambo-fiara indray izy.
11 저녁때에 비둘기가 그에게로 돌아왔는데 그 입에 감람 새 잎사귀가 있는지라 이에 노아가 땅에 물이 감한 줄 알았으며
Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin’ oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran’ i Noa fa efa kely ny rano tambonin’ ny tany.
12 또 칠 일을 기다려 비둘기를 내어 놓으매 다시는 그에게로 돌아오지 아니하였더라
Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.
13 육백일년 정월 곧 그 달 일일에 지면에 물이 걷힌지라 노아가 방주 뚜껑을 제치고 본즉 지면에 물이 걷혔더니
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin’ ny tany; ary nanaisotra ny tafon’ ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
Ary tamin’ ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa, dia maina ny tany.
Ary Andriamanitra dia niteny tamin’ i Noa ka nanao hoe:
16 너는 네 아내와 네 아들들과 네 자부들로 더불어 방주에서 나오고
Mivoaha amin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.
17 너와 함께 한 모든 혈육 있는 생물 곧 새와 육축과 땅에 기는 모든 것을 다 이끌어내라 이것들이 땅에서 생육하고 땅에서 번성하리라 하시매
Ary ny zava-manan’ aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin’ ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin’ ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin’ ny tany ireny.
18 노아가 그 아들들과 그 아내와 그 자부들과 함께 나왔고
Dia nivoaka Noa mbamin’ ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
19 땅 위의 동물 곧 모든 짐승과 모든 기는 것과 모든 새도 그 종류대로 방주에서 나왔더라
Ny zava-manan’ aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’ izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ ny tany dia samy nivoaka avy tao amin’ ny sambo-fiara araka ny karazany.
20 노아가 여호와를 위하여 단을 쌓고 모든 정결한 짐승 중에서와 모든 정결한 새 중에서 취하여 번제로 단에 드렸더니
Ary Noa dia nanorina alitara ho an’ i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ ny alitara.
21 여호와께서 그 향기를 흠향하시고 그 중심에 이르시되 내가 다시는 사람으로 인하여 땅을 저주하지 아니하리니 이는 사람의 마음의 계획하는 바가 어려서부터 악함이라 내가 전에 행한 것 같이 모든 생물을 멸하지 아니하리니
Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ ny olona Aho; fa ny fisainan’ ny fon’ ny olona dia ratsy hatramin’ ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
22 땅이 있을 동안에는 심음과 거둠과 추위와 더위와 여름과 겨울과 낮과 밤이 쉬지 아니하리라
Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.