< 열왕기상 1 >

1 다윗 왕이 나이 많아 늙으니 이불을 덮어도 따뜻하지 아니한지라
Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.
2 그 신복들이 왕께 고하되 우리 주 왕을 위하여 젊은 처녀 하나를 구하여 저로 왕을 모셔 봉양하고 왕의 품에 누워 우리 주 왕으로 따뜻하시게 하리이다 하고
Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan’ ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.
3 이스라엘 사방 경내에 아리따운 동녀를 구하다가 수넴 여자 아비삭을 얻어 왕께 데려왔으니
Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra izy ka nahita an’ i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin’ ny mpanjaka.
4 이 동녀는 심히 아리따운 자라 저가 왕을 봉양하며 수종하였으나 왕이 더불어 동침하지 아니하였더라
Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.
5 때에 학깃의 아들 아도니야가 스스로 높여서 이르기를 내가 왕이 되리라 하고 자기를 위하여 병거와 기병과 전배 오십 인을 예비하니
Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
6 저는 압살롬의 다음에 난 자요 체용이 심히 준수한 자라 그 부친이 네가 어찌하여 그리하였느냐 하는 말로 한번도 저를 섭섭하게 한 일이 없었더라
Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an’ i Absaloma.
7 아도니야가 스루야의 아들 요압과 제사장 아비아달과 모의하니 저희가 좇아 도우나
Ary efa niresaka tamin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin’ i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
8 제사장 사독과 여호야다의 아들 브나야와 선지자 나단과 시므이와 레이와 다윗에게 속한 용사들은 아도니야와 같이 하지 아니하였더라
Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak’ i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an’ i Davida kosa tsy mba niandany tamin’ i Adonia.
9 아도니야가 에느로겔 근방 소헬렛 돌 곁에서 양과 소와 살찐 송아지를 잡고 왕자 곧 자기의 모든 동생과 왕의 신복 유다 모든 사람을 다 청하였으나
Ary Adonia namono ondry aman’ osy sy omby ary zanak’ omby mifahy teo anilan’ ny vato Zoheleta tanilan’ i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda, mpanompon’ ny mpanjaka;
10 선지자 나단과 브나야와 용사들과 자기 동생 솔로몬은 청하지 아니하였더라
fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.
11 나단이 솔로몬의 모친 밧세바에게 고하여 가로되 학깃의 아들 아도니야가 왕이 됨을 듣지 못하였나이까 우리 주 다윗은 알지 못하시나이다
Ary Natana niteny tamin’ i Batseba, renin’ i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak’ i Hagita, nefa tsy fantatr’ i Davida tompontsika akory izany?
12 이제 나로 당신의 생명과 당신의 아들 솔로몬의 생명 구원할 계교 베풀기를 허락하소서
Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain’ i Solomona zanakao.
13 당신은 다윗 왕 앞에 들어가서 고하기를 내 주 왕이여 전에 왕이 계집종에게 맹세하여 이르시기를 네 아들 솔로몬이 정녕 나를 이어 왕이 되어 내 위에 앉으리라 하지 아니하셨나이까 그런데 아도니야가 무슨 연고로 왕이 되었나이까 하소서
Mandehana mankany amin’ i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?
14 당신이 거기서 왕과 말씀할 때에 나도 이어 들어가서 당신의 말씀을 증거하리이다
Ary raha mbola miteny amin’ ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
15 밧세바가 이에 침실에 들어가 왕에게 이르니 왕이 심히 늙었으므로 수넴 여자 아비삭이 시종하였더라
Ary Batseba dia nankao amin’ ny mpanjaka tao amin’ ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
16 밧세바가 몸을 굽혀 왕께 절하니 왕이 이르되 어찜이냐
Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
17 저가 왕께 대답하되 내 주여 왕이 전에 왕의 하나님 여호와를 가리켜 계집종에게 맹세하시기를 네 아들 솔로몬이 정녕 나를 이어 왕이 되어 내 위에 앉으리라 하셨거늘
Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako.
18 이제 아도니야가 왕이 되었어도 내 주 왕은 알지 못하시나이다
Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
19 저가 수소와 살진 송아지와 양을 많이 잡고 왕의 모든 아들과 제사장 아비아달과 군대장관 요압을 청하였으나 왕의 종 솔로몬은 청치 아니하였나이다
Ary efa namono omby sy zanak’ omby mifahy ary ondry aman’ osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin’ ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
20 내 주 왕이여 온 이스라엘이 왕에게 다 주목하고 누가 내 주 왕을 이어 그 위에 앉을 것을 반포하시기를 기다리나이다
Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô, ny mason’ ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin’ ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
21 그렇지 아니하면 내 주 왕께서 그 열조와 함께 잘 때에 나와 내 아들 솔로몬은 죄인이 되리이다
Fa rehefa lasa modi-mandry any amin’ ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
22 밧세바가 왕과 말씀할 때에 선지자 나단이 들어온지라
Ary raha mbola niteny tamin’ ny mpanjaka ravehivavy, dia, indro, niditra koa Natana mpaminany.
23 혹이 왕께 고하여 가로되 선지자 나단이 여기 있나이다 하니 저가 왕 앞에 들어와서 얼굴을 땅에 대어 왕께 절하고
Ary nisy nanambara amin’ ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
24 가로되 내 주 왕께서 이르시기를 아도니야가 나를 이어 왕이 되어 내 위에 앉으리라 하셨나이까
Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako.
25 저가 오늘 내려가서 수소와 살진 송아지와 양을 많이 잡고 왕의 모든 아들과 군대장관들과 제사장 아비아달을 청하였는데 저희가 아도니야 앞에서 먹고 마시며 아도니야 왕 만세를 불렀나이다
Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak’ omby mifahy sy ondry aman’ osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy ny komandin’ ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
26 그러나 왕의 종 나와 제사장 사독과 여호야다의 아들 브나야와 왕의 종 솔로몬은 청치 아니하였사오니
Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak’ i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
27 이것이 내 주 왕의 하신 일이니이까 그런데 왕께서 내 주 왕을 이어 그 위에 앉을 자를 종에게 알게 하지 아니하셨나이다
Moa avy tamin’ ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin’ ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?
28 다윗 왕이 명하여 가로되 밧세바를 내 앞으로 부르라 하매 저가 왕의 앞으로 들어와 그 앞에 서는지라
Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany
29 왕이 가로되 내 생명을 모든 환난에서 구원하신 여호와의 사심을 가리켜 맹세하노라
Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin’ ny fahoriana rehetra,
30 내가 이전에 이스라엘 하나님 여호와를 가리켜 네게 맹세하여 이르기를 네 아들 솔로몬이 정녕 나를 이어 왕이 되고 나를 대신하여 내 위에 앉으리라 하였으니 내가 오늘날 그대로 행하리라
dia tahaka ilay nianianako tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
31 밧세바가 얼굴을 땅에 대어 절하며 내 주 다윗 왕은 만세수를 하옵소서 하니라
Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
32 다윗 왕이 가로되 제사장 사독과 선지자 나단과 여호야다의 아들 브나야를 내 앞으로 부르라 하니 저희가 왕 앞에 이른지라
Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak’ i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izy telo lahy.
33 왕이 저희에게 이르되 너희는 너희 주의 신복들을 데리고 내 아들 솔로몬을 나의 노새에 태우고 기혼으로 인도하여 내려가고
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon’ ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midìna any Gihona izy.
34 거기서 제사장 사독과 선지자 나단은 저에게 기름을 부어 이스라엘 왕을 삼고 너희는 양각을 불며 솔로몬 왕 만세를 부르고
Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan’ ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
35 저를 따라 올라오라 저가 와서 내 위에 앉아 나를 대신하여 왕이 되리라 내가 저를 세워 이스라엘과 유다의 주권자가 되게 하기로 작정하였느니라
Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
36 여호야다의 아들 브나야가 왕께 대답하여 가로되 아멘 내 주 왕의 하나님 여호와께서도 이렇게 말씀하시기를 원하오며
Ary Benaja, zanak’ i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
37 또 여호와께서 내 주 왕과 함께 계심 같이 솔로몬과 함께 계셔서 그 위를 내 주 다윗 왕의 위보다 더 크게 하시기를 원하나이다 하니라
Toy ny nomban’ i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an’ i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan’ i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan’ i Solomona.
38 제사장 사독과 선지자 나단과 여호야다의 아들 브나야와 그렛 사람과 블렛 사람이 내려가서 솔로몬을 다윗 왕의 노새에 태우고 인도하여 기혼으로 가서
Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak’ i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an’ i Solomona ny ampondravavin’ i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.
39 제사장 사독이 성막 가운데서 기름 뿔을 가져다가 솔로몬에게 기름을 부으니 이에 양각을 불고 모든 백성이 솔로몬 왕 만세를 부르니라
Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ ny trano-lay ka nanosotra an’ i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
40 모든 백성이 왕을 따라 올라와서 피리를 불며 크게 즐거워하므로 땅이 저희 소리로 인하여 갈라질 듯하니
Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.
41 아도니야와 저와 함께 한 손들이 먹기를 마칠 때에 다 들은지라 요압이 양각 소리를 듣고 가로되 성중에서 소리가 어찌하여 요란하뇨
Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon’ ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
42 말할 때에 제사장 아비아달의 아들 요나단이 오는지라 아도니야가 가로되 들어오라 너는 용사라 아름다운 소식을 가져오는도다
Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak’ i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.
43 요나단이 아도니야에게 대답하여 가로되 과연 우리 주 다윗 왕이 솔로몬으로 왕을 삼으셨나이다
Fa Jonatana niteny ka nanao tamin’ i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an’ i Solomona tokoa ho mpanjaka.
44 왕께서 제사장 사독과 선지자 나단과 여호야다의 아들 브나야와 그렛 사람과 블렛 사람을 솔로몬과 함께 보내셨는데 저희 무리가 왕의 노새에 솔로몬을 태워다가
Ary ny mpanjaka efa naniraka an’ i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak’ i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin’ ireo ny ampondravavin’ ny mpanjaka izy.
45 제사장 사독과 선지자 나단이 기혼에서 기름을 부어 왕을 삼고 무리가 그곳에서 올라오며 즐거워하므로 성중이 진동하였나니 당신들에게 들린 소리가 이것이라
Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
46 솔로몬이 나라 위에 앉았고
Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana.
47 또 왕의 신복들이 와서 우리 주 다윗 왕에게 축복하여 이르기를 왕의 하나님이 솔로몬의 이름을 왕의 이름보다 아름답게 하시고 그 위를 왕의 위보다 크게 하시기를 원하나이다 하매 왕이 침상에서 몸을 굽히고
Ary dia tonga koa ny mpanompon’ ny mpanjaka hisaotra an’ i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon’ Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran’ i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
48 이르시기를 이스라엘의 하나님 여호와를 찬송하리로다 여호와께서 오늘날 내 위에 앉을 자를 주사 나로 목도하게 하셨도다 하셨나이다 하니
ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako androany, sady hitan’ ny masoko koa izany.
49 아도니야와 함께 한 손들이 다 놀라 일어나 각기 갈 길로 간지라
Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain’ i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin’ izay nalehany avy izy rehetra.
50 아도니야도 솔로몬을 두려워하여 일어나 가서 제단 뿔을 잡으니
Ary Adonia koa natahotra an’ i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
51 혹이 솔로몬에게 고하여 가로되 아도니야가 솔로몬 왕을 두려워하여 지금 제단 뿔을 잡고 말하기를 솔로몬 왕이 오늘날 칼로 자기 종을 죽이지 않겠다고 내게 맹세하기를 원한다 하나이다
Ary nambara tamin’ i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an’ i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin’ ny sabatra.
52 솔로몬이 가로되 저가 만일 선한 사람이 될진대 그 머리카락 하나라도 땅에 떨어지지 아니하려니와 저의 가운데 악한 것이 보이면 죽으리라 하고
Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
53 사람을 보내어 저를 제단에서 이끌어 내리니 저가 와서 솔로몬 왕께 절하매 솔로몬이 이르기를 네 집으로 가라 하였더라
Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin’ ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.

< 열왕기상 1 >