< 로마서 5 >

1 그러므로 우리가 믿음으로 의롭다 하심을 얻었은즉 우리 주 예수 그리스도로 말미암아 하나님으로 더불어 화평을 누리자
Koa amin’ izany, satria efa nohamarinina tamin’ ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
2 또한 그로 말미암아 우리가 믿음으로 서있는 이 은혜에 들어감을 얻었으며 하나님의 영광을 바라고 즐거워하느니라
Tamin’ ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ ny finoana ho amin’ izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ ny fanantenana ny voninahitr’ Andriamanitra.
3 다만 이뿐 아니라 우리가 환난중에도 즐거워하나니 이는 환난은 인내를
Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin’ ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;
4 인내는 연단을 연단은 소망을 이루는 줄 앎이로다
ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;
5 소망이 부끄럽게 아니함은 우리에게 주신 성령으로 말미암아 하나님의 사랑이 우리 마음에 부은바 됨이니
ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masìna, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’ Andriamanitra ho ao am-pontsika.
6 우리가 아직 연약할 때에 기약대로 그리스도께서 경건치 않은 자를 위하여 죽으셨도다
Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ ny fotoan’ andro hamonjy ny ratsy fanahy.
7 의인을 위하여 죽는 자가 쉽지않고 선인을 위하여 용감히 죽는 자가 혹 있거니와
Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa.
8 우리가 아직 죄인 되었을 때에 그리스도께서 우리를 위하여 죽으심으로 하나님께서 우리에게 대한 자기의 사랑을 확증하셨느니라
Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.
9 그러면 이제 우리가 그 피를 인하여 의롭다 하심을 얻었은즉 더욱 그로 말미암아 진노하심에서 구원을 얻을 것이니
Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ ny ràny isika.
10 곧 우리가 원수 되었을 때에 그 아들의 죽으심으로 말미암아 하나님으로 더불어 화목되었은즉 화목된 자로서는 더욱 그의 살으심을 인하여 구원을 얻을 것이니라
Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’ Andriamanitra tamin’ ny nahafatesan’ ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
11 이뿐 아니라 이제 우리로 화목을 얻게 하신 우리 주 예수 그리스도로 말미암아 하나님 안에서 또한 즐거워하느니라
Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin’ Andriamanitra isika amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
12 이러므로 한 사람으로 말미암아 죄가 세상에 들어오고 죄로 말미암아 사망이 왔나니 이와 같이 모든 사람이 죄를 지었으므로 사망이 모든 사람에게 이르렀느니라
Koa izany dia tahaka ny nidiran’ ny ota avy tamin’ ny olona iray ho amin’ izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
13 죄가 율법 있기 전에도 세상에 있었으나 율법이 없을 때에는 죄를 죄로 여기지 아니하느니라
fa hatrany alohan’ ny lalàna aza dia nisy ota tamin’ izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;
14 그러나 아담으로부터 모세까지 아담의 범죄와 같은 죄를 짓지 아니한 자들 위에도 사망이 왕노릇하였나니 아담은 오실 자의 표상이라
fa ny fahafatesana nanjaka hatramin’ i Adama ka hatramin’ i Mosesy, na dia tamin’ izay tsy nanota tahaka ny nanotan’ i Adama aza, izay tandindon’ ilay ho avy.
15 그러나 이 은사는 그 범죄와 같지 아니하니 곧 한 사람의 범죄를 인하여 많은 사람이 죽었은즉 더욱 하나님의 은혜와 또는 한 사람 예수 그리스도의 은혜로 말미암은 선물이 많은 사람에게 넘쳤으리라
Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan’ ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an’ ny maro, mainka ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ ny fahasoavan’ ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an’ ny maro kosa.
16 또 이 선물은 범죄한 한 사람으로 말미암은 것과 같지 아니하니 심판은 한 사람을 인하여 정죄에 이르렀으나 은사는 많은 범죄를 인하여 의롭다 하심에 이름이니라
Ary tsy tahaka ny avy amin’ ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ ny anankiray no nisehoan’ ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.
17 한 사람의 범죄를 인하여 사망이 그 한 사람으로 말미암아 왕노릇 하였은즉 더욱 은혜와 의의 선물을 넘치게 받는 자들이 한 분 예수 그리스도로 말미암아 생명 안에서 왕노릇하리로다
Fa raha ny fahadisoan’ ny olona anankiray no nanjakan’ ny fahafatesana noho ny nataon’ ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ ny fahasoavana sy ny fanomezan’ ny fahamarinana no hanjaka amin’ ny fiainana noho ny nataon’ ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.
18 그런즉 한 범죄로 많은 사람이 정죄에 이른 것 같이 의의 한 행동으로 말미암아 많은 사람이 의롭다 하심을 받아 생명에 이르렀느니라
Koa tahaka ny nahatongavan’ ny fanamelohana ho an’ ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ ny fanamarinana ho amin’ ny fiainana kosa ho an’ ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.
19 한 사람의 순종치 아니함으로 많은 사람이 죄인 된 것같이 한 사람의 순종하심으로 많은 사람이 의인이 되리라
Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ ny Anankiray.
20 율법이 가입한 것은 범죄를 더하게 하려 함이라 그러나 죄가 더한 곳에 은혜가 넘쳤나니
Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin’ izay nihabiazan’ ny ota no nihoaran’ ny fahasoavana be lavitra,
21 이는 죄가 사망 안에서 왕노릇한 것 같이 은혜도 또한 의로 말미암아 왕노릇하여 우리 주 예수 그리스도로 말미암아 영생에 이르게 하려 함이니라 (aiōnios g166)
mba ho tahaka ny nanjakan’ ny ota tao amin’ ny fahafatesana no hanjakan’ ny fahasoavana kosa amin’ ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. (aiōnios g166)

< 로마서 5 >