< 시편 79 >
1 (아삽의 시) 하나님이여, 열방이 주의 기업에 들어와서 주의 성전을 더럽히고 예루살렘으로 돌 무더기가 되게 하였나이다
Salamo nataon’ i Asafa.
2 저희가 주의 종들의 시체를 공중의 새에게 밥으로 주며 주의 성도들의 육체를 땅 짐승에게 주며
Ny fatin’ ny mpanomponao nomeny hohanin’ ny voro-manidina, ny nofon’ ny olonao masìna ho an’ ny bibidia;
3 그들의 피를 예루살렘 사면에 물 같이 흘렸으며 그들을 매장하는 자가 없었나이다
Ny ràny naidiny manodidina an’ i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
4 우리는 우리 이웃에게 비방거리가 되며 우리를 에운 자에게 조소와 조롱거리가 되었나이다
Tonga fandatsan’ ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran’ izay manodidina anay.
5 여호와여, 어느 때까지니이까? 영원히 노하시리이까? 주의 진노가 불붙듯 하시리이까?
Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?
6 주를 알지 아니하는 열방과 주의 이름을 부르지 아니하는 열국에 주의 노를 쏟으소서
Aidino amin’ ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin’ ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;
7 저희가 야곱을 삼키고 그 거처를 황폐케 함이니이다
Fa efa nandany an’ i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.
8 우리 열조의 죄악을 기억하여 우리에게 돌리지 마옵소서 우리가 심히 천하게 되었사오니 주의 긍휼하심으로 속히 우리를 영접하소서
Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.
9 우리 구원의 하나님이여, 주의 이름의 영광을 위하여 우리를 도우시며 주의 이름을 위하여 우리를 건지시며 우리 죄를 사하소서
Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.
10 어찌하여 열방으로 저희 하나님이 어디 있느냐? 말하게 하리이까 주의 종들의 피 흘림 당한 보수를 우리 목전에 열방 중에 알리소서
Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin’ ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran’ ny mpanomponao izay nalatsaka.
11 갇힌 자의 탄식으로 주의 앞에 이르게 하시며 죽이기로 정한 자를 주의 크신 능력을 따라 보존하소서
Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan’ ny mpifatotra; araka ny halehiben’ ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.
12 주여 우리 이웃이 주를 훼방한 그 훼방을 저희 품에 칠배나 갚으소서
Ary valio impito heny ho ao an-tratran’ ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.
13 그러하면 주의 백성 곧 주의 기르시는 양 된 우리는 영원히 주께 감사하며 주의 영예를 대대로 전하리이다
Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.