< 시편 48 >
1 (고라 자손의 시. 곧 노래) 여호와는 광대하시니 우리 하나님의 성, 거룩한 산에서 극진히 찬송하리로다
Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna.
2 터가 높고 아름다워 온 세계가 즐거워함이여 큰 왕의 성 곧 북방에 있는 시온산이 그러하도다
Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe.
3 하나님이 그 여러 궁중에서 자기를 피난처로 알리셨도다
Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
6 거기서 떨림이 저희를 잡으니 고통이 해산하는 여인 같도다
Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka.
7 주께서 동풍으로 다시스의 배를 깨뜨리시도다
Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy.
8 우리가 들은 대로 만군의 여호와의 성, 우리 하나님의 성에서 보았나니 하나님이 이를 영영히 견고케 하시리로다 (셀라)
Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. (Sela)
9 하나님이여, 우리가 주의 전가운데서 주의 인자하심을 생각하였나이다
Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao.
10 하나님이여, 주의 이름과 같이 찬송도 땅끝까지 미쳤으며 주의 오른손에는 정의가 충만하나이다
Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
11 주의 판단을 인하여 시온산은 기뻐하고 유다의 딸들은 즐거워 할지어다
Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao.
12 너희는 시온을 편답하고 그것을 순행하며 그 망대들을 계수하라
Manodidina an’ i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
13 그 성벽을 자세히 보고 그 궁전을 살펴서 후대에 전하라
Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.
14 이 하나님은 영영히 우리 하나님이시니 우리를 죽을 때까지 인도하시리로다
Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ ny fahafatesana aza.