< 시편 119 >

1 행위 완전하여 여호와의 법에 행하는 자가 복이 있음이여
Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn’ i Jehovah.
2 여호와의 증거를 지키고 전심으로 여호와를 구하는 자가 복이 있도다
Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ ny fo rehetra;
3 실로 저희는 불의를 행치 아니하고 주의 도를 행하는도다
Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
4 주께서 주의 법도로 명하사 우리로 근실히 지키게 하셨나이다
Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
5 내 길을 굳이 정하사 주의 율례를 지키게 하소서
Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
6 내가 주의 모든 계명에 주의할 때에는 부끄럽지 아니하리이다
Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
7 내가 주의 의로운 판단을 배울 때에는 정직한 마음으로 주께 감사하리이다
Hidera Anao amin’ ny hitsim-po aho Amin’ ny ianarako ny fitsipikao marina.
8 내가 주의 율례를 지키오리니 나를 아주 버리지 마옵소서
Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
9 청년이 무엇으로 그 행실을 깨끗케 하리이까? 주의 말씀을 따라 삼갈 것이니이다
Inona no hiarovan’ ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
10 내가 전심으로 주를 찾았사오니 주의 계명에서 떠나지 말게 하소서
Tamin’ ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin’ ny didinao aho.
11 주께서 나를 가르치셨으므로 내가 주의 규례에서 떠나지 아니하였나이다
Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
12 주의 말씀의 맛이 내게 어찌 그리 단지요 내 입에 꿀보다 더하니이다
Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
13 주의 말씀은 내 발에 등이요 내 길에 빛이니이다
Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
14 나의 고난이 막심하오니 여호와여, 주의 말씀대로 나를 소성케 하소서
Ny lalan’ ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin’ ny harena rehetra.
15 나의 생명이 항상 위경에 있사오나 주의 법은 잊지 아니하나이다
Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
16 내가 주의 말씀을 지키려고 발을 금하여 모든 악한 길로 가지 아니하였사오며
Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
17 주의 의로운 규례를 지키기로 맹세하고 굳게 정하였나이다
Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
18 주의 법도로 인하여 내가 명철케 되었으므로 모든 거짓 행위를 미워하나이다
Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ ny lalànao.
19 주의 법도를 지키므로 나의 명철함이 노인보다 승하니이다
Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
20 여호와여, 구하오니 내 입의 낙헌제를 받으시고 주의 규례로 나를 가르치소서
Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
21 주께서 세상의 모든 악인을 찌끼 같이 버리시니 그러므로 내가 주의 증거를 사랑하나이다
Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ ny didinao.
22 주의 증거로 내가 영원히 기업을 삼았사오니 이는 내 마음의 즐거움이 됨이니이다
Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
23 내가 주께 범죄치 아니하려 하여 주의 말씀을 내 마음에 두었나이다
Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
24 내가 두 마음 품는 자를 미워하고 주의 법을 사랑하나이다
Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
25 악인이 나를 해하려고 올무를 놓았사오나 나는 주의 법도에서 떠나지 아니하였나이다
Miraikitra amin’ ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
26 너희 행악자여 나를 떠날지어다 나는 내 하나님의 계명을 지키리로다
Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
27 주의 말씀대로 나를 붙들어 살게 하시고 내 소망이 부끄럽지 말게 하소서
Ampahalalao ahy ny lalan’ ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
28 주의 율례에서 떠나는 자는 주께서 다 멸시하셨으니 저희 궤사는 허무함이니이다
Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
29 나를 붙드소서 그리하시면 내가 구원을 얻고 주의 율례에 항상 주의하리이다
Ny lalan’ ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
30 내가 주의 율례를 길이 끝까지 행하려고 내 마음을 기울였나이다
Ny lalàn’ ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
31 주는 나의 은신처요 방패시라 내가 주의 말씀을 바라나이다
Mifikitra amin’ ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
32 나는 주의 종이오니 깨닫게 하사 주의 증거를 알게 하소서
Ny lalan’ ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.
33 내가 공과 의를 행하였사오니 나를 압박자에게 붙이지 마옵소서
Jehovah ô, toroy ny lalan’ ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ ny farany izany.
34 주의 인자하신 대로 주의 종에게 행하사 주의 율례로 내게 가르치소서
Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho.
35 내 눈이 주의 구원과 주의 의로운 말씀을 사모하기에 피곤하니이다
Ampandehano amin’ ny lalan’ ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
36 찬송을 받으실 여호와여, 주의 율례를 내게 가르치소서
Amporisiho ny foko ho amin’ ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ ny fieremana.
37 그러므로 내가 주의 계명을 금 곧 정금보다 더 사랑하나이다
Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ ny lalanao aho.
38 내 육체가 주를 두려워함으로 떨며 내가 또 주의 판단을 두려워하나이다
Tovy ny teninao amin’ ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.
39 저희가 주의 법을 폐하였사오니 지금은 여호와의 일하실 때니이다
Esory ny fahafaham-baraka, izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
40 주의 증거가 기이하므로 내 영혼이 이를 지키나이다
Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin’ ny fahamarinanao.
41 그러므로 내가 범사에 주의 법도를 바르게 여기고 모든 거짓 행위를 미워하나이다
Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
42 주의 종을 보증하사 복을 얻게 하시고 교만한 자가 나를 압박하지 못하게 하소서
Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
43 내 대적이 주의 말씀을 잊어버렸으므로 내 열성이 나를 소멸하였나이다
Ary aza dia esorina amin’ ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
44 사람의 압박에서 나를 구속하소서 그리하시면 내가 주의 법도를 지키리이다
Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
45 주의 명하신 증거는 의롭고 지극히 성실하도소이다
Ary handeha amin’ ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
46 나의 행보를 주의 말씀에 굳게 세우시고 아무 죄악이 나를 주장치 못하게 하소서
Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
47 저희가 주의 법을 지키지 아니하므로 내 눈물이 시냇물 같이 흐르나이다
Ary hiravoravo amin’ ny didinao aho Satria tiako ireny.
48 주의 얼굴로 주의 종에게 비취시고 주의 율례로 나를 가르치소서
Hasandratro ny tanako ho amin’ ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
49 내가 주의 계명을 사모하므로 입을 열고 헐떡였나이다
Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.
50 여호와여, 주는 의로우시고 주의 판단은 정직하시니이다
Izao no mampionona ahy amin’ ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
51 주의 말씀을 열므로 우둔한 자에게 비취어 깨닫게 하나이다
Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin’ ny lalànao aho.
52 주의 이름을 사랑하는 자에게 베푸시던 대로 내게 돌이키사 나를 긍휼히 여기소서
Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
53 주의 입의 모든 규례를 나의 입술로 선포하였으며
Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin’ ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
54 환난과 우환이 내게 미쳤으나 주의 계명은 나의 즐거움이니이다
Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin’ ny trano fivahiniako.
55 주의 말씀을 묵상하려고 내 눈이 야경이 깊기 전에 깨었나이다
Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
56 여호와여, 내가 전심으로 부르짖었사오니 내게 응답하소서 내가 주의 율례를 지키리이다
Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
57 주의 인자하심을 따라 내 소리를 들으소서 여호와여 주의 규례를 따라 나를 살리소서
Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
58 내가 주께 부르짖었사오니 나를 구원하소서 내가 주의 증거를 지키리이다
Mifona aminao amin’ ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
59 주의 의는 영원한 의요 주의 법은 진리로소이다
Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin’ ny teni-vavolombelonao.
60 주의 증거는 영원히 의로우시니 나로 깨닫게 하사 살게 하소서
Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin’ ny fitandremana ny didinao.
61 내가 미천하여 멸시를 당하나 주의 법도를 잊지 아니하였나이다
Nihodidina tamiko ny famato-ran’ ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
62 주의 말씀이 심히 정미하므로 주의 종이 이를 사랑하나이다
Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
63 내가 모든 재물을 즐거워함 같이 주의 증거의 도를 즐거워하였나이다
Naman’ izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman’ izay mitandrina ny didinao.
64 내가 새벽 전에 부르짖으며 주의 말씀을 바랐사오며
Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
65 구원이 악인에게서 멀어짐은 저희가 주의 율례를 구하지 아니함이니이다
Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
66 나의 고난을 보시고 나를 건지소서 내가 주의 법을 잊지 아니함이니이다
Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
67 여호와여, 주의 긍휼이 크오니 주의 규례를 따라 나를 소성케 하소서
Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
68 주의 말씀을 지키지 아니하는 궤사한 자를 내가 보고 슬퍼하였나이다
Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
69 내가 주의 법도를 묵상하며 주의 도에 주의하며
Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin’ ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
70 나를 핍박하는 자와 나의 대적이 많으나 나는 주의 증거에서 떠나지 아니하였나이다
Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
71 내가 전부터 주의 증거를 궁구하므로 주께서 영원히 세우신 것인줄을 알았나이다
Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
72 내가 주의 법도 사랑함을 보옵소서 여호와여, 주의 인자하신 대로 나를 소성케 하소서
Ny lalàn’ ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
73 주는 나의 원한을 펴시고 나를 구속하사 주의 말씀대로 나를 소성케 하소서
Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
74 악을 좇는 자가 가까이 왔사오니 저희는 주의 법에서 머니이다
Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
75 여호와여, 주께서 가까이 계시오니 주의 모든 계명은 진리니이다
Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
76 여호와여, 나의 부르짖음이 주의 앞에 이르게 하시고 주의 말씀대로 나를 깨닫게 하소서
Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin’ ny mpanomponao.
77 방백들이 무고히 나를 핍박하오나 나의 마음은 주의 말씀만 경외하나이다
Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
78 내 심령이 주의 증거를 지켰사오며 내가 이를 지극히 사랑하나이다
Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.
79 주의 말씀의 강령은 진리오니 주의 의로운 모든 규례가 영원하리이다
Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
80 여호와여, 내가 주의 구원을 바라며 주의 계명을 행하였나이다
Aoka ho marina tsara ny foko amin’ ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
81 주의 법을 사랑하는 자에게는 큰 평안이 있으니 저희에게 장애물이 없으리이다
Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
82 내가 거짓을 미워하며 싫어하고 주의 법을 사랑하나이다
Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
83 주의 율례를 즐거워하며 주의 말씀을 잊지 아니하리이다
Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
84 내가 주의 법도와 증거를 지켰사오니 나의 모든 행위가 주의 앞에 있음이니이다
Hoatrinona no andron’ ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin’ izay manenjika ahy Hianao?
85 주의 의로운 규례를 인하여 내가 하루 일곱번씩 주를 찬양하나이다!
Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
86 사람이 많은 탈취물을 얻은 것처럼 나는 주의 말씀을 즐거워하나이다
Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
87 주께서 율례를 내게 가르치시므로 내 입술이 찬송을 발할지니이다
Saiky laniny teo amin’ ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
88 내 혼을 살게 하소서 그리하시면 주를 찬송하리이다 주의 규례가 나를 돕게 하소서
Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
89 내가 주의 법도를 택하였사오니 주의 손이 항상 나의 도움이 되게 하소서
Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
90 여호와여, 내가 주의 구원을 사모하였사오며 주의 법을 즐거워하나이다
Hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
91 잃은 양 같이 내가 유리하오니 주의 종을 찾으소서 내가 주의 계명을 잊지 아니함이니이다
Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
92 주의 종을 후대하여 살게 하소서 그리하시면 주의 말씀을 지키리이다
Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin’ ny fahoriako aho.
93 나의 간구가 주의 앞에 달하게 하시고 주의 말씀대로 나를 건지소서
Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
94 주의 모든 계명이 의로우므로 내 혀가 주의 말씀을 노래할지니이다
Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
95 내 눈을 열어서 주의 법의 기이한 것을 보게 하소서
Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
96 나는 땅에서 객이 되었사오니 주의 계명을 내게 숨기지 마소서
Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
97 주의 규례를 항상 사모함으로 내 마음이 상하나이다
Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
98 교만하여 저주를 받으며 주의 계명에서 떠나는 자를 주께서 꾸짖으셨나이다
Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
99 내가 주의 증거를 지켰사오니 훼방과 멸시를 내게서 떠나게 하소서
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
100 방백들도 앉아 나를 훼방하였사오나 주의 종은 주의 율례를 묵상하였나이다
Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
101 주의 증거는 나의 즐거움이요 나의 모사니이다
Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’ izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
102 내 영혼이 진토에 붙었사오니 주의 말씀대로 나를 소성케 하소서
Tsy mba miala amin’ ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
103 내가 나의 행위를 고하매 주께서 내게 응답하셨으니 주의 율례를 내게 가르치소서
Endrey ny hamamin’ ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
104 나로 주의 법도의 길을 깨닫게 하소서 그리하시면 내가 주의 기사를 묵상하리이다
Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
105 나의 영혼이 눌림을 인하여 녹사오니 주의 말씀대로 나를 세우소서
Fanilon’ ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
106 거짓 행위를 내게서 떠나게 하시고 주의 법을 제게 은혜로이 베푸소서
Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
107 내가 성실한 길을 택하고 주의 규례를 내 앞에 두었나이다
Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
108 내가 주의 증거에 밀접하였사오니 여호와여, 나로 수치를 당케 마소서
Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
109 주께서 내 마음을 넓히시오면 내가 주의 계명의 길로 달려 가리이다
An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.
110 여호와여, 주의 율례의 도를 내게 가르치소서 내가 끝까지 지키리이다
Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin’ ny didinao aho.
111 나로 깨닫게 하소서 내가 주의 법을 준행하며 전심으로 지키리이다
Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ ny foko izany.
112 나로 주의 계명의 첩경으로 행케 하소서 내가 이를 즐거워함이니이다
Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin’ ny farany.
113 내 마음을 주의 증거로 향하게 하시고 탐욕으로 향치 말게 하소서
Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
114 내 눈을 돌이켜 허탄한 것을 보지 말게 하시고 주의 도에 나를 소성케 하소서
Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
115 주를 경외케 하는 주의 말씀을 주의 종에게 세우소서
Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin’ Andriamanitro.
116 나의 두려워하는 훼방을 내게서 떠나게 하소서 주의 규례는 선하심이니이다
Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin’ ny fanantenako aho.
117 내가 주의 법도를 사모하였사오니 주의 의에 나를 소성케 하소서
Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
118 여호와여, 주의 말씀대로 주의 인자하심과 주의 구원을 내게 임하게 하소서
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
119 그리하시면 내가 나를 훼방하는 자에게 대답할 말이 있사오리니 내가 주의 말씀을 의뢰함이니이다
Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
120 진리의 말씀이 내 입에서 조금도 떠나지 말게 하소서 내가 주의 규례를 바랐음이니이다
Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
121 내가 주의 율법을 항상 영영히 끝없이 지키리이다
Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin’ ny mpampahory ahy.
122 내가 주의 법도를 구하였사오니 자유롭게 행보할 것이오며
Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
123 또 열왕 앞에 주의 증거를 말할 때에 수치를 당치 아니하겠사오며
Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin’ ny fahamarinanao.
124 나의 사랑하는 바 주의 계명을 스스로 즐거워하며
Ataovy amin’ ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
125 또 나의 사랑하는 바 주의 계명에 내 손을 들고 주의 율례를 묵상하리이다
Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
126 주의 종에게 하신 말씀을 기억하소서 주께서 나로 소망이 있게 하셨나이다
Efa andro tokony hampisehoan’ i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.
127 이 말씀은 나의 곤란 중에 위로라 주의 말씀이 나를 살리셨음이니이다
Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
128 교만한 자가 나를 심히 조롱하였어도 나는 주의 법을 떠나지 아니 하였나이다
Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
129 여호와여, 주의 옛 규례를 내가 기억하고 스스로 위로하였나이다
Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
130 주의 율법을 버린 악인들을 인하여 내가 맹렬한 노에 잡혔나이다
Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina.
131 나의 나그네 된 집에서 주의 율례가 나의 노래가 되었나이다
Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
132 여호와여, 내가 밤에 주의 이름을 기억하고 주의 법을 지켰나이다
Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran’ izay tia ny anaranao.
133 내 소유는 이것이니 곧 주의 법도를 지킨 것이니이다
Ampitoero eo amin’ ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
134 여호와는 나의 분깃이시니 나는 주의 말씀을 지키리라 하였나이다
Vonjeo amin’ ny fampahorian’ ny olona Dia hitandrina ny didinao.
135 내가 전심으로 은혜를 구하였사오니 주의 말씀대로 나를 긍휼히 여기소서
Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
136 내가 내 행위를 생각하고 주의 증거로 내 발을 돌이켰사오며
Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ ny olona ny lalànao.
137 주의 계명을 지키기에 신속히 하고 지체치 아니하였나이다
Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
138 악인의 줄이 내게 두루 얽혔을지라도 나는 주의 법을 잊지 아니하였나이다
Efa voadidinao amin’ ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
139 내가 주의 의로운 규례를 인하여 밤중에 일어나 주께 감사하리이다
Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
140 나는 주를 경외하는 모든 자와 주의 법도를 지키는 자의 동무라
Voazaha toetra tamin’ ny memy ny teninao, Ka dia tian’ ny mpanomponao.
141 여호와여, 주의 인자하심이 땅에 충만하였사오니 주의 율례로 나를 가르치소서
Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
142 여호와여, 주의 말씀대로 주의 종을 선대하셨나이다
Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
143 내가 주의 계명을 믿었사오니 명철과 지식을 내게 가르치소서
Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
144 고난 당하기 전에는 내가 그릇 행하였더니 이제는 주의 말씀을 지키나이다
Ny fahamarinan’ ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
145 주는 선하사 선을 행하시오니 주의 율례로 나를 가르치소서
Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
146 교만한 자가 거짓을 지어 나를 치려 하였사오나 나는 전심으로 주의 법도를 지키리이다
Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
147 저희 마음은 살쪄 지방 같으나 나는 주의 법을 즐거워하나이다
Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
148 고난 당한 것이 내게 유익이라 이로 인하여 내가 주의 율례를 배우게 되었나이다
Nialoha ny fiambenana amin’ ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
149 주의 입의 법이 내게는 천천 금은보다 승하니이다
Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
150 주의 손이 나를 만들고 세우셨사오니 나로 깨닫게 하사 주의 계명을 배우게 하소서
Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
151 주를 경외하는 자가 나를 보고 기뻐할 것은 내가 주의 말씀을 바라는 연고니이다
Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
152 여호와여, 내가 알거니와 주의 판단은 의로우시고 주께서 나를 괴롭게 하심은 성실하심으로 말미암음이니이다
Efa fantatro ela tamin’ ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
153 구하오니 주의 종에게 하신 말씀대로 주의 인자하심이 나의 위안이 되게 하시며
Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
154 주의 긍휼히 여기심이 내게 임하사 나로 살게 하소서 주의 법은 나의 즐거움이니이다
Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
155 교만한 자가 무고히 나를 엎드러뜨렸으니 저희로 수치를 당케 하소서 나는 주의 법도를 묵상하리이다
Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
156 주를 경외하는 자로 내게 돌아오게 하소서 그리하시면 저희가 주의 증거를 알리이다
Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
157 내 마음으로 주의 율례에 완전케 하사 나로 수치를 당치 않게 하소서
Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin’ ny teni-vavolombelonao aho.
158 나의 영혼이 주의 구원을 사모하기에 피곤하오나 나는 오히려 주의 말씀을 바라나이다
Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
159 나의 말이 주께서 언제나 나를 안위하시겠나이까 하면서 내 눈이 주의 말씀을 바라기에 피곤하니이다
He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
160 내가 연기 중의 가죽병 같이 되었으나 오히려 주의 율례를 잊지 아니하나이다
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
161 주의 종의 날이 얼마나 되나이까 나를 핍박하는 자를 주께서 언제나 국문하시리이까?
Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran’ ny foko.
162 주의 법을 좇지 아니하는 교만한 자가 나를 해하려고 웅덩이를 팠나이다
Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
163 주의 모든 계명은 신실하니이다 저희가 무고히 나를 핍박하오니 나를 도우소서
Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
164 저희가 나를 세상에서 거의 멸하였으나 나는 주의 법도를 버리지 아니하였사오니
Impito isan’ andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
165 주의 인자하심을 따라 나로 소성케 하소서 그리하시면 주의 입의 증거를 내가 지키리이다
Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
166 여호와여, 주의 말씀이 영원히 하늘에 굳게 섰사오며
Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
167 주의 성실하심은 대대에 이르나이다 주께서 땅을 세우셨으므로 땅이 항상 있사오니
Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
168 천지가 주의 규례대로 오늘까지 있음은 만물이 주의 종이 된 연고니이다
Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
169 주의 법이 나의 즐거움이 되지 아니하였더면 내가 내 고난 중에 멸망하였으리이다
Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
170 내가 주의 법도를 영원히 잊지 아니하오니 주께서 이것들로 나를 살게 하심이니이다
Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
171 나는 주의 것이오니 나를 구원하소서 내가 주의 법도를 찾았나이다
Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
172 악인이 나를 멸하려고 엿보오나 나는 주의 증거를 생각하겠나이다
Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
173 내가 보니 모든 완전한 것이 다 끝이 있어도 주의 계명은 심히 넓으니이다
Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
174 내가 주의 법을 어찌 그리 사랑하는지요 내가 그것을 종일 묵상하나이다
Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
175 주의 계명이 항상 나와 함께 하므로 그것이 나로 원수보다 지혜롭게 하나이다
Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
176 내가 주의 증거를 묵상하므로 나의 명철함이 나의 모든 스승보다 승하며
Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.

< 시편 119 >