< 시편 116 >

1 여호와께서 내 음성과 내 간구를 들으시므로 내가 저를 사랑하는도다
Izaho tia an’ i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ ny fifonako Izy.
2 그 귀를 내게 기울이셨으므로 내가 평생에 기도하리로다!
Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
3 사망의 줄이 나를 두르고 음부의 고통이 내게 미치므로 내가 환난과 슬픔을 만났을 때에 (Sheol h7585)
Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. (Sheol h7585)
4 내가 여호와의 이름으로 기도하기를 여호와여, 주께 구하오니 내 영혼을 건지소서 하였도다
Dia niantso ny anaran’ i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
5 여호와는 은혜로우시며 의로우시며 우리 하나님은 자비하시도다
Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
6 여호와께서는 어리석은 자를 보존하시나니 내가 낮게 될 때에 나를 구원하셨도다
Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
7 내 영혼아! 네 평안함에 돌아갈지어다 여호와께서 너를 후대하심이로다
Miverena ho amin’ ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
8 주께서 내 영혼을 사망에서, 내 눈을 눈물에서, 내 발을 넘어짐에서 건지셨나이다
Dia namonjy ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin’ ny ranomaso Ary ny tongotro tamin’ ny fahatafintohinana.
9 내가 생존 세계에서 여호와 앞에 행하리로다
Handeha eo anatrehan’ i Jehovah Eo amin’ ny tanin’ ny velona aho.
10 내가 믿는고로 말하리라 내가 큰 곤란을 당하였도다
Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.
11 내가 경겁 중에 이르기를 모든 사람은 거짓말장이라 하였도다
Hoy izaho tamin’ ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
12 여호와께서 내게 주신 모든 은혜를 무엇으로 보답할꼬
Inona no havaliko an’ i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13 내가 구원의 잔을 들고 여호와의 이름을 부르며
Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran’ i Jehovah.
14 여호와의 모든 백성 앞에서 나의 서원을 여호와께 갚으리로다
Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra.
15 성도의 죽는 것을 여호와께서 귀중히 보시는도다
Zava-dehibe eo imason’ i Jehovah Ny fahafatesan’ ny olony masìna.
16 여호와여, 나는 진실로 주의 종이요 주의 여종의 아들 곧 주의 종이라 주께서 나의 결박을 푸셨나이다
Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
17 내가 주께 감사제를 드리고 여호와의 이름을 부르리이다
Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko.
18 내가 여호와의 모든 백성 앞에서 나의 서원을 여호와께 갚을지라
Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra,
19 예루살렘아, 네 가운데서, 여호와의 전 정에서 내가 갚으리로다 할렐루야!
Dia eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.

< 시편 116 >