< 욥기 18 >

1 수아 사람 빌닷이 대답하여 가로되
Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2 너희가 어느 때까지 말을 찾겠느냐 깨달으라 그 후에야 우리가 말하리라
Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
3 어찌하여 우리를 짐승으로 여기며 부정하게 보느냐
Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
4 너 분하여 스스로 찢는 자야 너를 위하여 땅이 버림을 당하겠느냐 바위가 그 자리에서 옮기겠느냐
Ry ilay mamiravira tena amin’ ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ ny fitoerany?
5 악인의 빛은 꺼지고 그 불꽃은 빛나지 않을 것이요
Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
6 그 장막 안의 빛은 어두워지고 그 위의 등불은 꺼질 것이요
Ny mazava manjary maizina ao amin’ ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
7 그 강한 걸음이 곤하여지고 그 베푼 꾀에 스스로 빠질 것이니
Etena ny herin’ ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
8 이는 그 발이 스스로 그물에 들어가고 얽는 줄을 밟음이며
Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ ny harato izy;
9 그 발뒤꿈치는 창애에 치이고 그 몸은 올무에 얽힐 것이며
Azon’ ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon’ ny tadivavarana
10 그를 동일 줄이 땅에 숨겼고 그를 빠뜨릴 함정이 길에 베풀렸으며
Miafina ao amin’ ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
11 무서운 것이 사방에서 그를 놀래고 그 뒤를 쫓아올 것이며
Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ ny alehany rehetra.
12 그 힘은 기근을 인하여 쇠하고 그 곁에는 재앙이 기다릴 것이며
Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;
13 그의 백체가 먹히리니 곧 사망의 장자가 그 지체를 먹을 것이며
Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ ny lahimatoan’ ny fahafatesana.
14 그가 그 의뢰하던 장막에서 뽑혀서 무서움의 왕에게로 잡혀가고
Ongotana hiala amin’ ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin’ ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
15 그에게 속하지 않은 자가 그 장막에 거하리니 유황이 그 처소에 뿌려질 것이며
Izay tsy taranany no hitoetra ao amin’ ny lainy; Solifara no hafafy amin’ ny fonenany.
16 아래서는 그 뿌리가 마르고 위에서는 그 가지가 찍힐 것이며
Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.
17 그의 기념이 땅에서 없어지고 그의 이름이 거리에서 전함이 없을것이며
Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin’ ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
18 그는 광명 중에서 흑암으로 몰려 들어가며 세상에서 쫓겨날 것이며
Roahina hiala amin’ ny mazava ho any amin’ ny maizina izy ary enjehina hiala amin’ izao tontolo izao.
19 그는 그 백성 가운데서 아들도 없고 손자도 없을 것이며 그의 거하던 곳에는 한 사람도 남은 자가 없을 것이라
Tsy manana fara mandimby eo amin’ ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin’ ny fonenany.
20 그의 날을 인하여 뒤에 오는 자가 앞선 자의 두려워 하던 것 같이 놀라리라
Ny manjo azy dia italanjonan’ ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
21 불의한 자의 집이 이러하고 하나님을 알지 못하는 자의 처소도 그러하니라
Izany tokoa no anjaran’ ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an’ Andriamanitra.

< 욥기 18 >