< 이사야 35 >

1 광야와 메마른 땅이 기뻐하며 사막이 백합화 같이 피어 즐거워하며
Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
2 무성하게 피어 기쁜 노래로 즐거워하며 레바논의 영광과 갈멜과 사론의 아름다움을 얻을 것이라 그것들이 여호와의 영광 곧 우리 하나님의 아름다움을 보리로다
Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr’ i Libanona dia homena azy mbamin’ ny hatsaran-tarehin’ i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’ i Jehovah izy sy ny famirapiratan’ Andriamanitsika.
3 너희는 약한 손을 강하게 하여주며 떨리는 무릎을 굳게 하여 주며
Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4 겁내는 자에게 이르기를 너는 굳세게 하라 두려워 말라 보라 너희 하나님이 오사 보수하시며 보복하여 주실 것이라 그가 오사 너희를 구하시리라 하라
Lazao amin’ izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’ Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
5 그 때에 소경의 눈이 밝을 것이며 귀머거리의 귀가 열릴 것이며
Dia hampahiratina ny mason’ ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ ny marenina.
6 그 때에 저는 자는 사슴 같이 뛸 것이며 벙어리의 혀는 노래 하리니 이는 광야에서 물이 솟겠고 사막에서 시내가 흐를 것임이라
Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ ny tany karankaina.
7 뜨거운 사막이 변하여 못이 될 것이며 메마른 땅이 변하여 원천이 될 것이며 시랑의 눕던 곳에 풀과 갈대와 부들이 날 것이며
Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan’ ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.
8 거기 대로가 있어 그 길을 거룩한 길이라 일컫는바 되리니 깨끗지 못한 자는 지나지 못하겠고 오직 구속함을 입은 자들을 위하여 있게 된 것이라 우매한 행인은 그 길을 범치 못할 것이며
Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin’ ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.
9 거기는 사자가 없고 사나운 짐승이 그리로 올라가지 아니하므로 그것을 만나지 못하겠고 오직 구속함을 얻은 자만 그리로 행할 것이며
Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
10 여호와의 속량함을 얻은 자들이 돌아오되 노래하며 시온에 이르러 그 머리 위에 영영한 희락을 띠고 기쁨과 즐거움을 얻으리니 슬픔과 탄식이 달아나리로다
Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.

< 이사야 35 >