< 이사야 10 >

1 불의한 법령을 발포하며 불의한 말을 기록하며
Lozan’ izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
2 빈핍한 자를 불공평하게 판결하여 내 백성의 가련한 자의 권리를 박탈하며 과부에게 토색하고 고아의 것을 약탈하는 자는 화 있을진저
Hampialany ny mahantra amin’ ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’ izay ory eo amin’ ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
3 너희에게 벌하시는 날에와 멀리서 오는 환난 때에 너희가 어떻게 하려느냐 누구에게로 도망하여 도움을 구하겠으며 너희 영화를 어느 곳에 두려느냐
Ary ahoana no hataonareo amin’ ny andro famaliana sy amin’ ny fandravana izay avy amin’ ny lavitra? Ho any amin’ iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
4 포로 된 자의 아래에 구푸리며 죽임을 당한 자의 아래에 엎드러질 따름이니라 그럴지라도 여호와의 노가 쉬지 아니하며 그 손이 여전히 펴지리라
Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin’ ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin’ ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
5 화 있을진저 앗수르 사람이여 그는 나의 진노의 막대기요 그 손의 몽둥이는 나의 분한이라
Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
6 내가 그를 보내어 한 나라를 치게 하며 내가 그에게 명하여 나의 노한 백성을 쳐서 탈취하며 노략하게 하며 또 그들을 가로상의 진흙같이 짓밟게 하려 하거늘
Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
7 그의 뜻은 이같지 아니하며 그 마음의 생각도 이같지 아니하고 오직 그 마음에 허다한 나라를 파괴하며 멸절하려 하여
Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin’ ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
8 이르기를 나의 방백들은 다 왕이 아니냐
Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
9 갈로는 갈그미스와 같지 아니하며 하맛은 아르밧과 같지 아니하며 사마리아는 다메섹과 같지 아니하냐
Tsy tahaka an’ i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an’ i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an’ i Damaskosy va Samaria?
10 내 손이 이미 신상을 섬기는 나라에 미쳤나니 그 조각한 신상이 예루살렘과 사마리아의 신상보다 우승하였느니라
Tahaka ny nahatraran’ ny tanako ny fanjakan’ ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an’ i Jerosalema sy ny an’ i Samaria aza ny sampin’ ireo,
11 내가 사마리아와 그 신상에게 행함 같이 예루살렘과 그 신상에게 행치 못하겠느냐 하도다
Dia tsy tahaka ny nataoko tamin’ i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin’ i Jerosalema sy ny sampiny koa?
12 이러므로 주 내가 나의 일을 시온산과 예루살렘에 다 행한 후에 앗수르 왕의 완악한 마음의 열매와 높은 눈의 자랑을 벌하리라
Kanefa rehefa vitan’ ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria sy ny reharehan’ ny fiandranandran’ ny masony;
13 그의 말에 나는 내 손의 힘과 내 지혜로 이 일을 행하였나니 나는 총명한 자라 열국의 경계를 옮겼고 그 재물을 약탈하였으며 또 용감한 자 같이 위에 거한 자를 낮추었으며
Fa izy manao hoe: Tamin’ ny herin’ ny tanako no nanaovako izany, sy tamin’ ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin’ ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
14 나의 손으로 열국의 재물을 얻은 것은 새의 보금자리를 얻음 같고 온 세계를 얻은 것은 내어버린 알을 주움 같았으나 날개를 치거나 입을 벌리거나 지저귀는 것이 하나도 없었다 하는도다
Ary tahaka ny fakàna ny ao amin’ ny akanim-borona no nakan’ ny tanako ny haren’ ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin’ ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
15 도끼가 어찌 찍는 자에게 스스로 자랑하겠으며 톱이 어찌 켜는 자에게 스스로 큰 체 하겠느냐 이는 막대기가 자기를 드는 자를 움직이려 하며 몽둥이가 나무 아닌 사람을 들려 함과 일반이로다
Ny famaky va hirehareha amin’ izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin’ izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony!
16 그러므로 주 만군의 여호와께서 살찐 자로 파리하게 하시며 그 영화의 아래에 불이 붙는 것같이 맹렬히 타게 하실 것이라
Koa izany no anateran’ ny Tompo, dia ny Tompon’ ny maro, fahahiazana amin’ ny tremalahiny; Ary ao ambanin’ ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
17 이스라엘의 빛은 불이요 그 거룩한 자는 불꽃이라 하루 사이에 그의 형극과 질려가 소멸되며
Ary ny fahazavan’ ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
18 그 삼림과 기름진 밭의 영광이 전부 소멸되리니 병인이 점점 쇠약하여감 같을 것이라
Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak’ izay marary mafy izany.
19 그 삼림에 남은 나무의 수가 희소하여 아이라도 능히 계산할 수 있으리라
Ary ho vitsy ny hazo sisa any an’ alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
20 그 날에 이스라엘의 남은 자와 야곱 족속의 피난한 자들이 다시 자기를 친 자를 의뢰치 아니하고 이스라엘의 거룩하신 자 여호와를 진실히 의뢰하리니
Ary amin’ izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin’ ny taranak’ i Jakoba, dia tsy hiankina amin’ izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin’ ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
21 남은 자 곧 야곱의 남은 자가 능하신 하나님께로 돌아올 것이라
Ary izay sisa amin’ i Jakoba dia hiverina ho amin’ Andriamanitra Mahery.
22 이스라엘이여 네 백성이 바다의 모래 같을지라도 남은 자만 돌아오리니 넘치는 공의로 훼멸이 작정되었음이라
Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
23 이미 작정되었은즉 주 만군의 여호와께서 온 세계 중에 끝까지 행하시리라
Fa fahafonganana voatendry no hataon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ao amin’ ny tany.
24 주 만군의 여호와께서 가라사대 시온에 거한 나의 백성들아 앗수르 사람이 애굽을 본받아 막대기로 너를 때리며 몽둥이를 들어 너를 칠지라도 그를 두려워 말라
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin’ ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
25 내가 불구에 네게는 분을 그치고 노를 옮겨 그들을 멸하리라 하시도다
Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
26 만군의 여호와께서 채찍을 들어 그를 치시되 오렙 반석에서 미디안 사람을 쳐 죽이신 것 같이 하실 것이며 막대기를 드시되 바다를 향하여 애굽에 드신 것 같이 하실 것이라
Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, hamely azy amin’ ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin’ ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
27 그 날에 그의 무거운 짐이 네 어깨에서 떠나고 그의 멍에가 네 목에서 벗어지되 기름진 까닭에 멍에가 부러지리라
Ary amin’ izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin’ ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.
28 앗수르 왕이 아얏에 이르러 미그론을 지나 믹마스에 치중을 머무르고
Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an’ i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
29 영을 넘어 게바에서 유숙하매 라마는 떨고 사울의 기브아 사람은 도망하도다
Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean’ i Saoly;
30 딸 갈림아, 큰 소리로 외칠찌어다 라이사야, 자세히 들을찌어다 가련하다 너 아나돗이여
Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin’ i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
31 맛메나 사람은 피난하며 게빔 거민은 도망하도다
Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
32 이 날에 그가 놉에서 쉬고 딸 시온 산 곧 예루살렘 산을 향하여 그 손을 흔들리로다
Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy, dia ny havoan’ i Jerosalema.
33 주 만군의 여호와께서 혁혁한 위력으로 그 가지를 꺾으시리니 그 장대한 자가 찍힐 것이요 높은 자가 낮아질 것이며
Indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin’ ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
34 철로 그 빽빽한 삼림을 베시리니 레바논이 권능 있는 자에게 작벌을 당하리라
Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.

< 이사야 10 >