< 호세아 12 >

1 에브라임은 바람을 먹으며 동풍을 따라 가서 날마다 거짓과 포학을 더하며 앗수르와 계약을 맺고 기름을 애굽에 보내도다
Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin’ ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
2 여호와께서 유다와 쟁변하시고 야곱의 소행대로 벌주시며 그 소위대로 보응하시리라
Manana ady amin’ i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an’ i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
3 야곱은 태에서 그 형의 발뒤꿈치를 잡았고 또 장년에 하나님과 힘을 겨루되
Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’ Andriamanitra;
4 천사와 힘을 겨루어 이기고 울며 그에게 간구하였으며 하나님은 벧엘에서 저를 만나셨고 거기서 우리에게 말씀하셨나니
Eny, nitolona tamin’ Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
5 저는 만군의 하나님 여호와시라 여호와는 그의 기념 칭호니라
Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
6 그런즉 너의 하나님께로 돌아와서 인애와 공의를 지키며 항상 너의 하나님을 바라볼지니라
Koa miverena amin’ Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an’ Andriamanitrao mandrakariva.
7 저는 상고여늘 손에 거짓 저울을 가지고 사취하기를 좋아하는도다
Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.
8 에브라임이 말하기를 나는 실로 부자라 내가 재물을 얻었는데 무릇 나의 수고한 중에서 죄라 할만한 불의를 발견할 자 없으리라 하거니와
Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
9 내가 애굽 땅에서 나옴으로부터 나는 네 하나님 여호와니라 내가 너로 다시 장막에 거하게 하기를 명절일에 하던 것 같게 하리라
Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ ny fotoam-pivavahana.
10 내가 여러 선지자에게 말하였고 이상을 많이 보였으며 선지자들을 빙자하여 비유를 베풀었노라
Efa niteny tamin’ ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
11 길르앗은 불의한 것이냐 저희는 과연 거짓되도다 길갈에서는 무리가 수송아지로 제사를 드리며 그 제단은 밭이랑에 쌓인 돌무더기 같도다
Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
12 옛적에 야곱이 아람 들로 도망하였으며 이스라엘이 아내 얻기 위하여 사람을 섬기며 아내 얻기 위하여 양을 쳤고
Jakoba nandositra ho any amin’ ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’ osy.
13 여호와께서는 선지자로 이스라엘을 애굽에서 인도하여 내시며 선지자로 저를 보호하셨거늘
Mpaminany no nentin’ i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
14 에브라임이 격노케 함이 극심하였으니 그 주께서 그 피로 그 위에 머물러 있게 하시며 저의 수치를 저에게 돌리시리라
Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan’ ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.

< 호세아 12 >