< 에스겔 32 >

1 제 십 이년 십 이월 초일일에 여호와의 말씀이 내게 임하여 가라사대
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 인자야 너는 애굽 왕 바로에 대하여 애가를 불러 그에게 이르라 너를 열국에서 젊은 사자에 비하였더니 실상은 바다 가운데 큰 악어라 강에서 뛰어 일어나 발로 물을 요동하여 그 강을 더럽혔도다
Ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin’ ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin’ ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin’ ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin’ ny tongotrao ka nahaloto ny ony.
3 나 주 여호와의 말이여 내가 많은 백성의 무리를 거느리고 내 그물을 네 위에 치고 그 그물로 너를 끌어 오리로다
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin’ ireny amin’ ny haratoko ianao,
4 내가 너를 뭍에 버리며 들에 던져 공중의 새들로 네 위에 앉게 할 것임이며 온 땅의 짐승으로 너를 먹어 배부르게 하리로다
Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan’ ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
5 내가 네 고기를 여러 산에 두며 네 시체를 여러 골짜기에 채울 것임이여
Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.
6 네 피로 네 헤엄치는 땅에 물 대듯하여 산에 미치게 하며 그 모든 개천에 채우리로다
Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin’ ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
7 내가 너를 불 끄듯 할 때에 하늘을 가리워 별로 어둡게 하며 해를 구름으로 가리우며 달로 빛을 발하지 못하게 할 것임이여
Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
8 하늘의 모든 밝은 빛을 내가 네 위에서 어둡게 하여 어두움을 네 땅에 베풀리로다 나 주 여호와의 말이로다
Eny, ireny fanazavana eny amin’ ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
9 내가 네 패망의 소문으로 열국 곧 너의 알지 못하는 열방에 이르게 할 때에 많은 백성의 마음을 번뇌케 할 것임이여
Hataoko mitebiteby koa ny fon’ ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin’ ny tany izay tsy fantatrao
10 내가 그 많은 백성으로 너를 인하여 놀라게 할 것이며 내가 내 칼로 그들의 왕 앞에서 춤추게 할 때에 그 왕이 너를 인하여 심히 두려워할 것이며 네가 엎드러지는 날에 그들이 각각 자기 생명을 위하여 무시로 떨리로다
Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin’ ny fanahiany ny ainy, raha mby amin’ ny andro haharavanao.
11 나 주 여호와가 말함이여 바벨론 왕의 칼이 네게 임하리로다
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan’ i Babylona dia ho tonga aminao.
12 내가 네 무리로 용사 곧 열국의 무서운 자들의 칼에 엎드러지게 할 것임이여 그들이 애굽의 교만을 폐하며 그 모든 무리를 멸하리로다
Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin’ ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan’ i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
13 내가 또 그 모든 짐승을 큰 물가에서 멸하리니 사람의 발이나 짐승의 굽이 다시는 그 물을 흐리지 못할 것임이여
Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron’ ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron’ ny biby fiompy.
14 그 때에 내가 그 물을 맑게 하여 그 강으로 기름 같이 흐르게 하리로다 나 주 여호와의 말이로다
Dia hahenako ny ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,
15 내가 애굽 땅으로 황무하여 사막이 되게 하여 거기 풍성한 것이 없게 할 것임이여 그 가운데 모든 거민을 치리니 그들이 나를 여호와인 줄 알리로다
Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
16 이는 슬피 부를 애가니 열국 여자들이 이것을 슬피 부름이여 애굽과 그 모든 무리를 위하여 이것을 슬피 부르리로다 나 주 여호와의 말이로다 하라
Izany no hira fahalahelovana hataon’ ny olona; Ny zanakavavin’ ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an’ i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
17 제 십 이년 어느 달 십 오일에 여호와의 말씀이 내게 임하여 가라사대
Ary tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
18 인자야 애굽의 무리를 애곡하고 그와 유명한 나라 여자들을 구덩이에 내려가는 자와 함께 지하에 던지며
Ry zanak’ olona, isaony ny vahoaka maroben’ i Egypta, ary ampidino izy mbamin’ ny zanakavavin’ ny firenena malaza ho any ambanin’ ny tany, miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
19 이르라 너의 아름다움이 누구보다 지나가는고 너는 내려가서 할례 받지 않은 자와 함께 뉘울지어다
Mihoatra noho ny an’ iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna, ka miampara amin’ izay tsy voafora.
20 그들이 살륙 당한 자 중에 엎드러질 것임이여 그는 칼에 붙인바 되었은즉 그와 그 모든 무리를 끌지어다
Any amin’ ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra.
21 용사 중에 강한 자가 그를 돕는 자와 함께 음부 가운데서 그에게 말함이여 할례 받지 않은 자 곧 칼에 살륙 당한 자들이 내려와서 가만히 누웠다 하리로다 (Sheol h7585)
Izy sy ny nanampy azy no resahin’ ireo malaza amin’ ny lehilahy mahery any amin’ ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra. (Sheol h7585)
22 거기 앗수르와 그 온 무리가 있음이여 다 살륙을 당하여 칼에 엎드러진 자라 그 무덤이 그 사방에 있도다
Ao koa Asyria mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra;
23 그 무덤이 구덩이 깊은 곳에 베풀렸고 그 무리가 그 무덤 사방에 있음이여 그들은 다 살륙을 당하여 칼에 엎드러진 자 곧 생존 세상에서 사람을 두렵게 하던 자로다
Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin’ ny tanin’ ny velona.
24 거기 엘람이 있고 그 모든 무리가 그 무덤 사면에 있음이여 그들은 다 할례를 받지 못하고 살륙을 당하여 칼에 엎드러져 지하에 내려간 자로다 그들이 생존 세상에서 두렵게 하였었으나 이제는 구덩이에 내려가는 자와 함께 수치를 당하였도다
Ao koa Elama mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin’ ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
25 그와 그 모든 무리를 위하여 침상을 살륙 당한 자 중에 베풀었고 그 여러 무덤은 사면에 있음이여 그들은 다 할례를 받지 못하고 칼에 살륙을 당한 자로다 그들이 생존 세상에서 두렵게 하였었으나 이제는 구덩이에 내려가는 자와 함께 수치를 당하고 살륙 당한 자 중에 뉘었도다
Teo amin’ ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin’ ny tanin’ ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin’ izay midìna any an-davaka izy; Ao amin’ ny voa-trabaka no nametrahany azy.
26 거기 메섹과 두발과 그 모든 무리가 있고 그 여러 무덤은 사면에 있음이여 그들은 다 할례를 받지 못하고 칼에 살륙을 당한 자로다 그들이 생존 세상에서 두렵게 하였었으나
Ao koa Meseka-tobala mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona izy.
27 그들이 할례 받지 못한 자 중에 이미 엎드러진 용사와 함께 누운 것이 마땅치 아니하냐 이 용사들은 다 병기를 가지고 음부에 내려 자기의 칼을 베게 하였으니 그 백골이 자기 죄악을 졌음이여 생존 세상에서 용사의 두려움이 있던 자로다 (Sheol h7585)
Ary tsy hiara-miampatra amin’ ny lehilahy mahery izay lavo isan’ ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin’ ny lohany ny sabany. Ary ao amin’ ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin’ ny tanin’ ny velona izy. (Sheol h7585)
28 오직 너는 할례 받지 못한 자와 일반으로 패망할 것임이여 칼에 살륙 당한 자와 함께 누우리로다
Eny, ianao dia haripaka ao amin’ ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin’ ny voatrabaky ny sabatra.
29 거기 에돔 곧 그 열왕과 그 모든 방백이 있음이여 그들이 강성하였었으나 칼에 살륙 당한 자와 함께 있겠고 할례 받지 못하고 구덩이에 내려간 자와 함께 누우리로다
Ao koa Edoma mbamin’ ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin’ ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin’ ny tsy voafora izy sy amin’ izay midìna any an-davaka.
30 거기 살륙 당한 자와 함께 내려간 북방 모든 방백과 모든 시돈 사람이 있음이여 그들이 본래는 강성하였으므로 두렵게 하였었으나 이제는 부끄러움을 품고 할례 받지 못하고 칼에 살륙 당한 자와 함께 누웠고 구덩이에 내려가는 자와 함께 수욕을 당하였도다
Ao koa ireo andrianan’ ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin’ ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin’ izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin’ izay midìna any an-davaka.
31 바로가 그들을 보고 그 모든 무리로 인하여 위로를 받을 것임이여 칼에 살륙당한 바로와 그 온 군대가 그러하리로다 나 주 여호와의 말이로다
Ireny dia ho hitan’ i Farao, ka dia hionona izy ny amin’ ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin’ ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
32 내가 바로로 생존 세상에서 사람을 두렵게 하게 하였었으나 이제는 그가 그 모든 무리로 더불어 할례받지 못한 자 곧 칼에 살륙 당한 자와 함께 뉘우리로다 나 주 여호와의 말이로다
Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin’ ny tsy voafora, miaraka amin’ ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.

< 에스겔 32 >