< 신명기 14 >

1 너희는 너희 하나님 여호와의 자녀니 죽은 자를 위하여 자기 몸을 베지 말며 눈썹 사이 이마 위의 털을 밀지 말라
Zanak’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin’ ny handrinareo noho ny amin’ ny maty.
2 너는 너의 하나님 여호와의 성민이라 여호와께서 지상 만민 중에서 너를 택하여 자기의 기업의 백성을 삼으셨느니라
Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
3 너는 가증한 물건은 무엇이든지 먹지 말라!
Aza mihinana izay fahavetavetana.
4 너희의 먹을 만한 짐승은 이러하니 곧 소와, 양과, 염소와,
Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy
5 사슴과, 노루와, 불그스럼한 사슴과, 산 염소와, 볼기 흰 노루와, 뿔 긴 사슴과, 산양들,
sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra:
6 무릇 짐승 중에 굽이 갈라져 쪽발도 되고 새김질도 하는 것은 너희가 먹을 것이니라
izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo.
7 다만 새김질을 하거나 굽이 갈라진 짐승 중에도 너희가 먹지 못할 것은 이것이니 곧 약대와, 토끼와, 사반 그것들은 새김질을 하나 굽이 갈라지지 아니하였으니 너희에게 부정하고
Nefa amin’ izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;
8 돼지는 굽은 갈라졌으나 새김질을 못하므로 너희에게 부정하니 너희는 이런 것의 고기를 먹지 말 것이며 그 사체도 만지지 말 것이니라
ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo.
9 물에 있는 어족 중에 이런 것은 너희가 먹을 것이니 무릇 지느러미와 비늘 있는 것은 너희가 먹을 것이요
Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo;
10 무릇 지느러미와 비늘이 없는 것은 너희가 먹지 말지니 이는 너희에게 부정하니라
fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.
11 무릇 정한 새는 너희가 먹으려니와
Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo.
12 이런 것은 너희가 먹지 못할지니 곧 독수리와, 솔개와, 어응과,
Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
13 매와, 새매와, 매의 종류와,
ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy
14 까마귀 종류와,
ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,
15 타조와, 다호마스와, 갈매기와, 새매 종류와,
ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy,
16 올빼미와, 부엉이와, 따오기와,
ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa
17 당아와, 올응과, 노자와,
ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana
18 학과, 황새 종류와, 대승과, 박쥐며,
ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.
19 또 무릇 날기도 하고 기어 다니기도 하는 것은 너희에게 부정하니 너희는 먹지 말 것이나
Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.
20 무릇 정한 새는 너희가 먹을지니라
Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
21 너희는 너희 하나님 여호와의 성민이라 무릇 스스로 죽은 것은 먹지 말 것이니 그것을 성 중에 우거하는 객에게 주어 먹게 하거나 이방인에게 팔아도 가하니라 너는 염소 새끼를 그 어미의 젖에 삶지 말지니라
Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin’ ny olona hafa firenena; fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
22 너는 마땅히 매년에 토지 소산의 십일조를 드릴 것이며
Aloavy tsara ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra avy amin’ ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
23 네 하나님 여호와 앞 곧 여호와께서 그 이름을 두시려고 택하신 곳에서 네 곡식과 포도주와 기름의 십일조를 먹으며 또 네 우양의 처음 난 것을 먹고 네 하나님 여호와 경외하기를 항상 배울 것이니라
dia aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, mba hianaranao hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
24 그러나 네 하나님 여호와께서 그 이름을 두시려고 택하신 곳이 네게서 너무 멀고 행로가 어려워서 그 풍부히 주신 것을 가지고 갈 수 없거든
Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao,
25 그것을 돈으로 바꾸어 그 돈을 싸서 가지고 네 하나님 여호와의 택하신 곳으로 가서
dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao hankany amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao;
26 무릇 네 마음에 좋아하는 것을 그 돈으로 사되 우양이나 포도주나 독주 등 무릇 네 마음에 원하는 것을 구하고 거기 네 하나님 여호와의 앞에서 너와 네 권속이 함께 먹고 즐거워할 것이며
ary ny vola dia amidio izay rehetra tian’ ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian’ ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ ny ankohonanao;
27 네 성읍에 거하는 레위인은 너희 중에 분깃이나 기업이 없는 자니 또한 저버리지 말지니라!
ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
28 매 삼년 끝에 그 해 소산의 십분 일을 다 내어 네 성읍에 저축하여
Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon’ ny vokatrao rehetra amin’ izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;
29 너희 중에 분깃이나 기업이 없는 레위인과 네 성중에 우거하는 객과 및 고아와 과부들로 와서 먹어 배부르게 하라 그리하면 네 하나님 여호와께서 너의 손으로 하는 범사에 네게 축복을 주시리라!
ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asan-tananao rehetra izay ataonao.

< 신명기 14 >